Nosy be: Tratra ny mpanao trafikana Goudron Jamala

  • lundi, 12 juin 2017 15:25
  • Sary nomena

Ny alakamisy 08 jona dia voasava teo amin'ny port Hell Ville ny tovolahy malagasy vao 27 taona avy any Vohemar, tratra nitondra goudron-ana rongony 17 litatra eo ho eo, nisy vehivavy 27 taona no tonga nitsena ny entana tamin'io fotoana io. Nilaza ry zareo fa menaka vanille ka amidy 1.800.000 Fmg ny litatra, nefa ny vidin'ny vanille 1.000.000 Fmg ny kilao, ka raha menaka vanille izany tokony ho lafo lavitra noho izany, ka nahatonga ny ahiahy.

Nisaotra ny ezaka vitan’ny polisy ary nanentana ny vahoaka mba hanome vaovao ho an’ny mpitandro ny filaminana ny Kaomisera eto Nosy Be, RABEARIVONY Maurice Joël.

Nandritra ny famotorana izay natao ireto tratra dia niaiky heloka vitany izy mianadahy ireto ary natolotra ny fitsarana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa