Mahajanga : Noraofina ny latabatr'ireo mpivarotra tsy manara-dalàna

  • vendredi, 09 juin 2017 21:02
  • Sary Sobika Mahajanga

Nanao be midina ny tompon'andraikitry ny Kaominina, notarihin'ny lefitra fahatelon'ny Ben'ny Tanàna, Andrianasy Fanjanirivo, niaraka tamin'ny Polisy monisipaly ary ny fiara vaventy. Noraofina avokoa, omaly maraina alakamisy 08 jona, ireo latabatra sy seza teny ambony trottoir, fampiasan'ireo mpivarotra isan-kariva.

Nanazava ny lefitry ny Ben'ny Tanàna fa efa nisy ny didim-pitondrana nivoaka manala ireo mpivarotra ireo ary efa nisy ny fampahafantarana izany sy ny fifampiresahana tamin'ny roa tonta.

Tsy narahin'ireo mpivarotra anefa izany ka niafara tamin'izao fanagiazana izao.

Ho avy ihany koa, hoy hatrany ny fanazavana, ny fanalana ireo trano kely manelingelina ny mpampiasa làlana sady manaratsy endrika ny tanàna. Tsy manana ary tsy nahazo fahazoan-dalana avy amin' ny Kaominina rahateo izy ireny.

 

Commentaires (3)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa