Gadra nitsoaka : Maty notifirin'ny jiolahy namany i Manjota

  • vendredi, 21 avril 2017 09:19
  • Sary Sobika Mahajanga

Gadra nitsoaka ny fonjabe Marofoto Mahajanga i Manjota no izao maty tany Sambava izao, ny alatsinain'ny Paska teo rehefa avy nanafika toerana iray izy sy ny namany.

Voalaza fa nifanditra tamin'ny resaka vola i Manjota sy ny namany ka raikitra ny disadisa teo amin'izy ireo, dia notofirin'ny namany tamin'ny basy izy dia izao maty izao.

Isan'ireo gadra raindahiny amin'ny fanafihana mitam-basy teto Mahajnga i Manjota. Gadra manao asa ivelan'ny fonja izy no nanararaotra nitsoaka ary tsy hita izay toerana nalehany, nanomboka ny 6 desambra 2016, dia izao maty tany Sambava izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa