Faha-50 taonan’ny AKADEMIA Miaramila : Nifarana tamin’ny fifaninanana ara-panantanjahan-tena ny “Critérium 2017”

  • mercredi, 19 avril 2017 15:49
  • Sary Sobika Antsirabe

Nifarana ny zoma 14 aprily teo rehefa naharitra ny herinandro ny “Critérium 2017” teo anivon’ireo sekolin’ny Tafika, nokarakarain’ny Akademia Miaramila Antsirabe.

Tafiditra tao anatin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny ACMIL rahateo ny hetsika ka sekoly fanofanana niisa 5 teo anivon’ny foloalindahy no nanana solontena niatrika izany, nahitana ny ACMIL mpampiatrano, ny Sekoly ambonin’ny Zandarimaria Moramanga, ny Sekolin’ny Etamazaoro, ENSOA Antsirabe ary ny SEMIPI Fianarantsoa.

Nambaran’ny kolonely Ramasy Razafindratovo Heritiana, Komandin’ny ACMIL fa fahombiazana tanteraka ny hetsika ary nampiray ny Tafika.

Taranja maro moa no nifaninanana toy ny Basket, foot-ball, Volley-ball, Atletisma, Tsipy kanetibe ary ny tenisy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa