Antsirabe : Ramatoa iray maty niharan’ny fitsaram-bahoaka

  • mardi, 21 mars 2017 22:22
  • Sary Sobika Antsirabe

Malaza ratsy teto Antsirabe ho mpangarom-bava izy io, ary mamoy ny ainy avokoa izay voany. Nisy mpitari-posy naka aina tamin'ny toerana mangingina ka somary natory no nojokoin’ilay ramatoa, omaly alatsinainy hariva, saika noharoniny vava. Taitra nialoha anefa ilay mpitari-posy ka nanohitra azy ary nikasi-tanana avy hatrany.

Hitan'ny manodidina izany ka nifanampy tamin'ilay mpitari-posy ny olona ary nitsoaka nihazo an'Ambohimahazo ilay ramatoa ka saingy tsy afaka nanohy ny diany nony tonga teo amin'ny reniranon'i Sahatsiho ka nanamparan'ny olona ny fony teo. Maty noho ny daroka nahazo azy ilay ramatoa. Navalan'ny olona ny rano.

Efa diso fantatry ny olona mpiara-monina aminy eny amin'ny Fokontany Ambilombe moa ity ramatoa ity ka tsy dia nisy nanana fitserana azy ny olona. Na izany aza dia nalain'ny havany ny razana ary nentin'izy ireo nody taorian'ny fizahana nataon'ny mpitandro filaminana sy ny BMH.

 

Commentaire (1)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.