Mahajanga : Tsy mitsahatra ny fanimbana ireo foto-drafitrasan'ny Kaominina

  • mardi, 21 mars 2017 20:09
  • Sary nomena

Efa an-dohalika ny ranom-bary ankehitriny, ary efa matetika loatra ny sotasota ataon'olon-tsy fantatra amin'ny fanimbana ny fananan'ny Kaominina ambonivohitra Mahajanga.

Nanomboka tamin'ny fanimbana ireo dabilio fipetrapetrahana teo amin'ny Lapan'ny Tanàna sy ireo tariby fefin'ny zaridaina izany ary tonga hatramin'ny fandrarahana siramamy, efa ho tapa-gony, tamin'ireo zaridaina miainga avy eo amin'ny Jardin Cayla hatreny amin'ny manoloana ny biraon'ny Prefektiora.

Vao tsy ela ihany koa no nisy nanongotra ireo zanakazo novolena manamorona ny lalan'Amborovy mihazo ny seranam-piaramanidina, ary vao tamin'ny herinandro lasa teo no nisy nanapaka sy nikapa ireo hazo maniry eny amin' ny Jeunesse et Sport hatreny amin'ny Bonnet et Fils.

Androany marainan'ny talata, dia hatairana niharo hagagana ny an’ny olona nahita ireo voninkazo notifirina tamin'ny loko na irony “bombe” irony.

Nanambara ireo tompon'andraikitra fa tsy an'ny Kaominina irery ireny fotodrafitr'asa ireny fa ny Vahoaka no tompony. Mpikarakara fotsiny no andraikitry ny Kaominina.

Manahy ny mpiandraikitra fa misy olona any ambadik'izao toe-javatra izao ary misy mpaniraka mba handotoana ny mpitantana. Tsy hipetra-potsiny ny Kaominina fa hanao fanadihadiana akaiky satria efa an-dohalika ny ranom-bary.

 

Commentaire (1)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.