Fianarantsoa-Ambalavato : Nanafaingana ny fiasan'ny mpitandro filaminana ny haterezan'ny Fokonolona nahatratra jiolahy iray namono olona

  • lundi, 20 mars 2017 13:41
  • Sary nindramina fampihaingoana

Omaly 19 marsa tamin'ny 7 ora hariva no nisian'ny fifamaliana tamin'ny lehilahy roa tao amin'ny toeram-pisotroana iray ka niafara tamin'ny tsatok'antsy ny ady.

Namoy ny ainy ny iray tamin'izy ireo ka nandositra ny nahavanon- dratsy. Nanenjika azy hatrany Andriamboasary, 3 kilometatra miala an'io toerana io, ny Fokonolona ka niverina teo amin'ilay tanana nisehoan'ny tranga.

Tamin'ny 12 ora alina dia efa voafehy ny raharaha sy tonga teo am-pelatanan'ny mpitandro filaminana ny olona nanatsatoka antsy.

Nahiana mafy ny fihoaran'ny hatezeran'ny vahoaka nanatrika tao anatin'io tranga io nandritra ny adiny efatra nisehoan'ny raharaha io.

Efa eny anivon'ny Commissariat Ankofafa ny lehilahy tratra namono olona ka tsy nampahafantarina ny rehetra ny toerana itazonana azy ankehitriny ialana amin'ny fitakiana fitsaram-bahoaka.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa