Ben'ny Tanàna Antsakabary: Marary mafy

  • lundi, 20 mars 2017 12:39

Noho ny fandarohan'ireo polisy azy tamin'ny raharaha Antsakabary iny dia re zao fa niakatra eto Antananarivo ny Ben'ny Tanànan'Antsakabary Franck Lemont mba hanaraka fitsaboana.

Ireo namana sy fianakaviana moa no manao tsipaipaika amin'izany fa ny fanjakana sy ny polisy nahavanon-doza dia miriaria tsy misy mandray andraikitra.

Hatreto dia araky ny fiteny any amin'ny faritra Sofia dia "Ampongamben'ny Mandritsara, ny fanampiana lazaina ho tonga, ka ela naharignesana" (Fampanantenana poakaty hatreto, feo fotsiny no heno fa tsy misy fanampiana tonga)

Ezahina hafenina hatrany ity vaovao momba ny Antsakabary ity, na ny fanadihadiana tokony ataon'ny fitsarana aza tsy misy feo, nefa ny rehetra, hatramin'ny filohan'ny SMM na ny syndikan'ny mpitsara aza dia efa nanameloka ampaha-bemaso ny polisy nahavanon-doza.

 

Commentaire (1)
  • Cialis Se Puede Tomar Alcohol Dyazide Tablets Sale Macrobid Best Website Online Cheapeast [url=http://bestviaonline.com]viagra[/url] Online Free Sample Viagra Canada Canada Rx 24
    samedi, 21 octobre 2017 00:39
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa