Mananara Avaratra : Saika novakian’ny Fokonolona ny biraon’ny Zandary

  • dimanche, 19 mars 2017 15:45
  • Sary nomena

Vaky trano nahafatesana raim-pianakaviana tao Agnalagnampontsy ny alakamisy 16 martsa no niandohany. Teo ampanenjehana ilay mpamaky trano ity raim-pianakaviana ity, no voavely hazo ny lohany ka tsy nahatsiaro tena izay nitarika ny fahafatesany.

Voasambotra ilay nahavanon-doza ary tazomina ao amin’ny Zandary Mananara Avaratra. Nirohotra niazo ny biraon’ny Zandary hamoaka azy ny Fokonolona hatao fitsaram-bahoaka, saingy tsy nanaiky izany ny Zandary sy ny lehiben’ny Distrika ary ny Ben’ny Tanàna.

Tezitra ny fokonolona ka nobatain’izy ireo nankeo an-tokontanin’ny Zandary ny fatin’ilay raim-pianakaviana ary teo no nandrasana.

Taorian’ny fanelanelanana nataon’ny lehiben’ny Faritra Analanjirofo, Ramaroson Jacques, sy ny lehiben’ny Distrika ary ny Ben’ny Tananan’i Mananara Avaratra, dia nentin’ireo Fokonolona sy ny fianakaviany namonjy ny tranony ihany ny razana.

Nisy rahateo vola 2.600.000 ariary avy amin’ireo tomponandraiki-panjakana nitondrana ny razana hiazo an’i Fenoarivo Atsinanana izay misy ny fasan-drazany omaly sabotsy.

Milamina ao Mananara Avaratra amin’izao, efa nafindra any Maroantsetra ihany koa ilay jiolahy nahafaty olona.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa