Sambava : Fampakaram-bady niafara tamin’ny tsindrona antsy, lehilahy roa maty

  • dimanche, 19 mars 2017 15:44
  • Sary nindramina fampihaingoana

Tovolahy iray no nanindrona antsy tovolahy iray hafa izay efa niomana hanatrika fampakaram-bady tao Marojala Bemalamatra, Kaominina Nosiarina omaly sabotsy tolakandro.

Maty tao anaty laka-motera, izay lany solika teny afovoan-drano, ilay tovolahy voatsindrona antsy raha nohezahina hovonjena tao amin’ny hopitaly Nosiarina na Sambava.

Raha vao fantatry ny tany Marojala fa maty an-dalana ilay voatsindrona antsy dia tsy afa-bela ilay nahavanon-doza, fa niharan’ny fitsaram-bahoaka ka namoy ny ainy ihany koa.

Napetraky ny olona teo amin’ny kianja filalaovam-baolina ny fatin’ity farany, talohan’ny nahatongavan’ireo mpitandro filaminana any an-toerana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa