Sambava : Moto nidofotra tamin'ny 4X4, lehilahy iray namoy ny ainy

  • samedi, 18 mars 2017 20:42
  • Tahirin-tsary Sobika

Mateti-pitranga ny loza-mpifamoivoizina amin'ny lalam-pirenena Sambava-Andapa. Omaly zoma 17 marsa tamin’ny 4ora hariva teo, moto nanao taingin-droa nirimorimo fandeha no indro nifatratra tamin’ity fiara tsy mataho-dalana ity raha hiditra ny tananan’Ambohimanarina Lokoho.

Vokany, torana nosokirina tao ambanin’ny fiara ilay mpitondra moto raha nipitika lavitra kosa ny faharoa. Nentina novonjena haingana tao amin’ny tobi-pahasalamana tao an-toerana ihany, nefa io maraina io dia maty ilay lehilahy, izay manodidina ny 35 taona eo.

Lalana isany mampidi-doza iny Sambava-Andapa iny. Sady be fiolanana no feno fiakarana sy fidinana, nanampy trotraka ny ranontany sy ireo vatan-kazo nazeran’ny rivodoza izay manery lalana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa