Ambositra : Zandary mpiana-draharaha miisa 1182 navoaka androany

  • vendredi, 17 mars 2017 15:57

Mandrafitra ny andiany faha-72 izy 1182 ireo, no navoaka androany rehefa nofanina nandritra ny herintaona tao amin’ny Sekolin’ny Zandarimariam-pirenena Ambositra, raha sivy volana amin’ny ankapobeny ny faharetan’ny fiofanana ao.

Nanome voninahitra ny lanonana ara-miaramila tamin’ny famoahana ny andiany, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, jeneraly Paza Didier sy ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena, jeneraly Ramiandrisoa Jean de Dieu Daniel.

Saika feno avokoa ireo trano fandraisam-bahiny misy eto Ambositra tato anatin’ny roa andro izay noho ity lanonana teny Ankorombe androany ity. Nitohana ihany koa ny fifamoivoizana noho ny hamaroan’ny fianakaviana tonga nanotrona ny havany tonga Zandary izao.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa