Fiarovana ny tontolo iainana: Amin’ny farany volana marsa 2017 no fe-potoana farany ampiasana ny harona plastika latsiky ny 50 microns

  • jeudi, 16 mars 2017 20:45

Manomboka ny 01 Aprily dia hisy ny fidinana ifotony amin’ny toerana ahitana mpivarotra harona plastika latsiky ny 50 microns manerana an’i Madagasikara ka hogihazana avy hatrany ny entany ho an’ireo mbola manana tahiry.

Mitaraina anefa ny mpivarotra vokatr’io fanapahan-kevitra mivoaka io satria dia mbola maro ny entan’izy ireo tsy lany ary koa sarotra ny fomba handaniana azy noho ny hamaron’ny vokatra notazonina.

Tsy ny mpivarotra ihany anefa no mitaraina fa hatramin’ny mpanjifa izay tena mampiasa ny harona plastika ihany koa. Resy fa lahatra izy ireo fa manimba ny tontolo iainana ny fampiasana ny harona plastika saingy nilaza izy ireo fa tokony mitady ny vahaolana ho solon’ny harona plastika ny fanjakana vao miroso amin’ny fanafohana azy ireo.

Tsy mahavaha ny olona, hoy izy ireo, ny fampiasana ny taratasy hamonosana entana vidiana eny an-tsena fa ny harona ihany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa