Fanambaram-pananana : Minisitra 3, Senatera 2 ary Depiote 4 no nanavao ny azy

  • jeudi, 16 mars 2017 11:36

Havaozina isaky ny roa taona ny fanambaram-pananana ataon’ireo olom-panjakana voakasik’izany raha ny lalàna momba ny ady amin’ny kolikoly nasiam-panovana ary manan-kery hatramin’ny 2016.

Hatramin’ny fiandohan’ny taona 2017 dia minisitra 3 ao amin’ny governemanta Mahafaly Olivier, Senatera 2 ary Depiote 4 no nanavao ny fanambaram-pananany teny anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana.

Nahavita ny azy, tamin’ny 17 janoary 2017, kosa ireo mambra sivy ao amin’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), tarihin’ny filohany Rakotomanana Yves Herinirina. 

Fanirihan'ny maro ny amoahana izany ho fantam-bahoaka, ahafahana mampitovy ny fanambarana sy ny tena fananany na ny fitombon'izany afaka roa taona.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa