Ady amin’ny kolikoly : Nanao fanambaram-pananana teny amin’ny Bianco ny Polisim-pirenena eto Boeny

  • jeudi, 16 mars 2017 11:34

Ny marainan’ny talata teo no nanatanterahan’izy ireo izany, teny amin’ny biraon’ny Bianco Mahajanga Be. 70 mianadahy ireo Polisy nanatitra ny taratasy fanambaram-pananany izay avy amin’ny Boriboritany dimy eto Mahajanga. Ampahany ihany ireo fa ho avy tsy ho ela ny anjaran’ny sasany.

Mbola nanentana hatrany ny Talem-paritry ny Polisim-pirenena Rakotomalala Fanomezantsoa fa tokony hiseho sy hampahafantatra ny fananany ireo Polisy mba hangarahara hatrany ny zavatra ampiasaina eo ampelatanany.

Raha ny zava-misy dia nisy fihenany ny fitarainana voarain’ny Bianco mikasika ny kolikoly ataon’ny Polisy aty Mahajanga.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa