Soavimasoandro: Nitondra ny fanampiana i Naivo Raholdina

  • lundi, 13 mars 2017 16:38
  • Sary nomena

Voktry ny rivo-doza ENAWO izao dia maro koa ny traboina eny amin’ny Boriborintany faha V, indrindra eny Soavimasoandro sy Morarano ka tonga teny an-toerana nitsidika sy nampahery ary nitondra fanampiana toy ny: Vary, macaroni, rano fisotro madio ary menaka ho an’ireo traboina aman-jatony ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy teny amin’ny Boriborintany faha V, Naivo RAHOLDINA sy ireo mpiara-miasa aminy ao amin’ny Sampana sosialy FANANTENANA FAFI V notronin’ny Croix Rouge Malagasy Boriborintany faha V sy ny C.L.S (Comité Local de Secours) ary ny Filoham-pokontany sy ireo tompon’andraikitra eny an-toerana.

Natomboka teny amin’ny Fokontany Soavimasoandro, traboina napetraka ao amin’ny E.P.P Soavimasoandro ny fitsidihana sy ny fanampiana ary hitohy amin’ireo Fokontany traboina hafa izany.

Nankahery ireo traboina ny tenany ary nanao antso an’ireo izay malala tanana rehetra mba hanampy ireny traboina ireny tsy hijery firehana politika na antokom-pinoana na firehana samihafa fa mba samy handray anjara avokoa ny rehetra dia ho avotra ireny traboina sahirana ireny.

Nanamafy hatrany ny tenany amin’ny maha Solombavambahoaka voafidy azy fa tsy maintsy hijery vahaolana maharitra miaraka amin’ireo tompon’andraiki-panjakana rehetra tsy an-kanavaka satria efa fantatra fa mateti-piavy izao manjo ny faritra iva izao ary hotanteriny amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny avokoa ireo hetahetan’ny traboina ireo.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.