Lohatranambo-Farafangana : Polisy kaominaly nametaveta zazavavy vao 12 taona
- samedi, 11 mars 2017 12:44
- Sary Sobika Farafangana
Lehilahy iray, polisy kaominaly tratra nametaveta zazavavy vao 12 taona tao Lohatranambo, Kaominina Ambohigogo Distrikan'i Farafangana, ny alin'ny talata 7 marsa teo.
Simba tanteraka ilay zaza ary tsy maintsy nozairina. Nosamborin'ny Fokonolona ilay raim-pianakaviana nahavanon-doza ary nofatorana. Natolotra ny Kaominina izy mandra-pahatongan'ny mpitandro filaminana.
Tsy mbola nametraka fitoriana ny ray aman-drenin'ilay zaza fa mbola sahirana mitsabo ilay zaza, izay tsy maintsy nalefa amin'ny hopitalibe Farafangana.
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
Le code HTML n'est pas autorisé.