Fianarantsoa : Raiaman-dreny mahafehy ny teknolojia

  • dimanche, 05 mars 2017 21:41
  • Sary Sobika Fianarantsoa

Notolorana fanomezana ho fanamarihana ny taom-baovao ireo Raiamandreny eto Fianarantsoa izay mahafehy ny teknolojia sy miserasera amin’ny alalan’izany. Miisa 5 izy ireo no voamarina fa 60 taona no mihoatra ka mpikambana eo anivon’ny vondrona Madagasikara hoan’ireo foko rehetra eny amin’ny facebook.

“Ny tanjona dia ny hanehoana an'izao tontolo izao fa manaraka toetr'andro ny Raimanadreny malagasy maro ary miezaka ny mitrandraka fahalalana sy vaovao amin'ny alalan'ny teknolojia misy” hoy ny mpandrinra izany vondrona izany.

Ny Fikambanana AJIPAD na Association des Jeunes Intellectuels Promoteurs et Acteurs de Développement no tompon-kevitra sy nanatanteraka izany fanomezam-boninahitra izany miaraka amin’ity vondrona misy azy ireo ity.

Vina amin’ny volana aprily ho avy izao ny fanolorana mari-pankasitrahana tahaka izao ho an’ireo Raimandreny 50 taona miakatra izay mahafehy ny teknolojia sy mikirakira izany andavanandro.

Teo amin’ny trano fandraisambahiny sy fampisakafoanam-bahiny vaovao O’Phare Andrainjato no nanatanterahana ny fotoana ny tolakandron’ny asabotsy 4 marsa.

Izany dia nifanojo indrindra tamin’ny fifampiarabana fahatrarana ny taona 2017 eo anivon’ny fikambanana Ajipad.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.