Sambava : Atrikasa momba ny lavanila

  • vendredi, 03 mars 2017 22:39
  • Sary Sobika Sambava

Tontosaina mangingina androany 03 martsa eto Sambava ny fikaonan-doha arahina fifanakalozan-kevitra momba ny daty hanokafana ny taom-piotazana lavanila 2017. Solontena vitsy avy amin’ny Faritra fito dia Atsinanana, DIANA, Vatovavy Fitovinany, Sofia, Atsimo Atsinanana, Analanjirofo ary SAVA izay anisany mamokatra lavanila no mandray anjara amin’ity fikaonandoha ity.

Minisitra telo no manotrona izany dia ny Minisitry harena ankibon’ny tany sy ny akora Zafilahy Ying Vah, ny Minisitry ny Indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina Nourdine Chabani ary ny Minisitry ny varotra sy ny fanjifana, Tazafy Armand.

Nandritra ny fanokafana io maraina io no nanambaran’ny Minisitra mpiahy ny faritra SAVA Zafilahy Ying Vah ny maha zava-dehibe ity lalam-pihariana lavanila ity ka atao izay hahitan’ny tsirairay tombotsoa.

Fa tsy nitsitsy fitenenana kosa ny solombavambahoaka voafidy tao Antalaha, nilaza fa gaga tsy mba nampafantarana momba ity dinika ity mihitsy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.