Horohorontany : Namela takaitra teto Antsirabe

  • jeudi, 12 janvier 2017 09:49
  • Sary nindramina

Nihovitra ny tany halina. 5.3 amin’ny maridrefy Richter ny vaikany. Tany amin’ny 1 ora sy 7 minitra maraimben’ny alakamisy 12 janoary no nisehoany, ary tany amin’ny 46 km atsimo andrefan’i Betafo-Vakinankaratra, 170km atsimo-andrefan'Antananarivo no nisy ny foibeny.

Nisy fiantraikany ho an’ny manodidina an’Antsirabe, izay tsy lavitra loatra ny foiben’ilay horohorotany iny ny tranga. Teny amin’ny Fokontany Ambohimena sy Atsimontsena aloha no nahazoana tatitra teny amin’ny polisy fa nisy faharavana trano, izay mbola eo ampanamarinana izany ny rehetra hatreto.

Na izany aza dia efa nisy no nandefa sary tamin’ny tambajotran-tserasera ny fahavoazany araka ireto sary ireto. Ny toeram-pivarotana no nahazoana akony ihany koa satria dia nianjera avokoa ny entana teny amin’ireo talatalana ka potika tamin’izany ny tavoahangin-javapisotro rehetra raha araka ny sary ihany.

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa