Faritra Boeny : Hasiam-panavaozana avokoa ireo biraon’ny Cisco

  • mercredi, 11 janvier 2017 10:54
  • Sary Sobika Mahajanga

Nozaraina andiany efatra ny fanajariana ireo foto-drafitrasan’ny fampianarana ireo ka natomboka ny 10 desambra 2016 ny an’ny Cisco Mahajanga I sy II, Mitsinjo ary Soalala.

Haharitra enim-bolana ny asa.

Famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona Eoropeanina amin’ny alalan’ilay tetikasa Passoba Education no nafahana nanamboatra ireo foto-drafitrasa ireo ho an’ny DREN Boeny.

Ho an’ny faripiadidi-pampianarana Marovoay sy Ambato-Boeny kosa dia miandry ny fahavitan’ny fifanarahan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny Vondrona Eoropeanina ho an’izay orinasa nahazo ny tolotra.

Nafindra vonjimaika eny amin’ny EPP Mahabibo ny biraon’ny Cisco Mahajanga I mandritra ny asa fanamboarana atao hoy ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Samuel Christophe.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa