Andapa : Nirehitra ny birao fiasan’ny Jirama

  • dimanche, 08 janvier 2017 16:19
  • Sary nindramina FB

Nanomboka tamin’ny misandratr’andro (10ora 50 minitra) teo ny afo. Ny Zandary eo ampita no nampandre ny fisian’ny afo nivoaka avy amin’ny birao.

Ora iray aty aoriana, tsy mbola maty ny afo. Tsy manana irony fiara mpamono afo irony rahateo ny tanàna, ka manano sarotra ny fifehezana ny afo. Ny nanavotra ireo trano manodidina ihany koa no nifandrombahan’ny olona.

Tsy mbola fantatra mazava hatreto ny niandohan’ny afo. Mbola tao anaty delestazy rahateo no nampirehitra azy. Mandeha ny fanadihadiana. Tsy voakasik’ity fahamaizana ity ny foibe famokarana herinaratra. Somary misintaka ny tanàna rahateo no misy azy.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa