Antanambao SOTEMA – Mahajanga : Hivaha amin'izay ny olan’ny herinaratra

  • dimanche, 08 janvier 2017 16:11
  • Sary Vahaniaina

Hivaha tsy ho ela ny olana amin'ny jiron’ireo mponina eny Antanambao Sotema-Mahajanga izay miaina amin'ny fanaovana “branchement parasite”.

Tonga teny an-toerana ny depiote Rahantanirina Lalao na Ninà, voafidy teto Mahajanga-I, ny zoma teo nanolotra ny taratasy fifanarahana efa vita sonia miaraka amin'ny JIRAMA, izay hanao ny asa, sy ny prefektiora.

Vola mitentina 51 tapitrisa Ariary no hanatanterahana ity famatsian-jiro ity ary andrin-jiro miisa 16 no hanaovana izany.

Efa an-taonany maro no niainan'ireo mponina ny fangalarana jiro toy izao ary notapahan'ny Jirama izany nandritra ny fety teo ka niaina tanteraka tanaty haizin-kitroka ny mponina.

Efa namoizana ain'olona ihany koa ity “branchement parasite” ity noho ireo tariby miboridana sy efa main'ny masoandro ary misy miraviravy amin'ny tany mihitsy.

Miandry ireo fitaovana nafarana avy any Antananarivo sisa dia hanomboka ny asa raha ny nambaran'ity Solombavambahoaka ity hatrany.

Avy amin'ilay vola 200 tapitrisa Ariary azon'ny isaky ny Distrika avy amin'ny fitondram-panjakana natokana ho amin' ny fampandrosoana ifotony tantanan’ny Komity fampandrosoana ifotony na CLD no hanatanterahana ity tetikasa ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa