Fanovana « carte grise » : Nahemotra ihany koa

  • mercredi, 28 décembre 2016 14:25
  • Tahirin-tsary Sobika

Araka ny didim-panjakana izay noraisina androany faha 28 ny volana desambra 2016 dia ahemotra amin’ny faran’ny volana martsa taona 2017 ny fe-potoana farany ahazoan’ireo tompona fiara manova ny « carte grise » ho « biométrique ».

Tsiahivina fa mbola misy 30% n’ireo mpanana fiara no tsy mbola nahavita nanolo ny taratasin’ny fiaran’izy ireo. Marihina ihany koa fa mihemotra amin’io daty io ihany koa ny fanoloana ny taratasy ahazoana mamily fiarakodia ho biométrique ho an‘izay mbola tsy nahavita izany.

Soritana fa 130.000 no isan’ny alalana ahazahoana mamily fiara efa navoakan’ny ivon-toerana mpamoaka izany taratasy izany eo anivon’ny faritanin’Antananarivo raha mahatratra 120.000 kosa ny « carte grise ».

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa