Ambohitsimanova-Antsirabe II: Omby 18 lasan’ny dahalo, tafaverina tamin’ny tompony ihany

  • lundi, 19 décembre 2016 20:15
  • Sary nindramina fampihaingoana

Mirongatra ny asan-dahalo ao amin’ny Distrikan’Antsirabe faharoa – Vakinankaratra ao. Omby niisa 18 no lasan’ny dahalo tao amin’ny Fokontany Faroroka, Kaominina Ambohitsimanova. Raikitra ny fanarahan-dia sy ny fampandrenesana ny Zandary ka nitsoaka nanavotra aina ireo dahalo ary navotsotr’izy ireo tamin’iny lalana nihazo an’Ibity iny ireo omby.

Dahalo nirongo basy “Calibre 12” ireto nanafika ireto, izay niisa 10 lahy.

Efa nampandrenesina avokoa ireo mpitandro filaminana manodidina, dia ny tao Andranomanelatra sy ny tany Manandona no nahatonga ireo dahalo hitsoaka ireo nihazo ny lalan’Ibity iny hatrany no lalan’izy ireo ary tsy tratran’ny mponina intsony.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa