Sambava : Lavanila masaka 80kg lasan’ny jiolahy mitam-basy

  • dimanche, 18 décembre 2016 18:12
  • Sary Sobika Sambava

Nitrangana fanafihan-jiolahy teto Sambava tampon-tanàna ny alakamisy 15 desambra tokony ho tamin'ny 2ora maraina. Enin-dahy misaron-tava sady mitondra basy no niditra ankeriny tao amin'ny tokantrano iray, ka nony tafiditra izy ireo dia ny finday tao an-trano avy hatrany no notakian'izy ireo voalohany avy eo ny vola sy lavanila.

Lavanila masaka sady tsara milanja 80kg eo no lasa tamin'izany.

Lavanila vao avy nalaina tany Ankadirano, Kaominina Farahalana ny alarobia 14 desambra, ary efa nahitana mpividy no izao voaroba izao.

Tapaka lava moa ny jiro eto Sambava indrindra amin’ny alina ka manararaotra ireo olon-dratsy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa