Vaovao

    • mercredi, 01 février 2017 10:07
    • Sary Sobika Sambava

    Sambava: Rtoa 40 taona maty tampoka teny andalana raha nikasa hody

    Maty tampoka tamin'ny 1ora atondro omaly 31 janary teo Rtoa Mbotimeva avy any Maromokotra Antalaha fa nitady ravinahitra tany Morafeno Ambaritelo. Raha ny fanazavan'ny zanany dia efa narary izy ka androany maraina ny zanany sy ny vinantony no nandeha nangala azy mba handeha hanohy ny fitsaboana any anivon'ny fianakaviana, fa nony tonga teto Sambava izy ireo, izay nitaingina moto moa ity marary ity noho tsy fisian'ny fiara miasa tany ambanivohitra misy azy ireo, ka vao tonga teto Sambava izy ireo, dia nitolefika teo ambony moto ity Ramatoa ity ka iny no nanaitra ny vinantony mitazona azy mafy teo ambony moto ka dia nangala sisiny kely. Rehefa nojerena dia efa tsy misy aina intsony. Nampandre ny mpitandro filaminana nanomboka tamin'ny 1ora ka afaka adiny roa vao nipoitra ireto nandeha nanao fitsirihana ny razana niaraka tamin'ny mpiasan'ny fahasalamana. Dia ny fitia tsy mba hetra nataon'izay sendra nandalo teny amin'ny faritra ity no nahafahana nanofa fiara manokana nanatitra ny razana any amin ny 60km izay misy ny tanindrazany.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 01 février 2017 09:37
    • Sary Sobika Sambava

    Sambava: Rtoa MANANA 106 taona jamba tao anatin'iray volana fa nahiratra indray

    Fifaliana lehibe ho an'ity vavy antitra ity omaly fa nahiratra indray izy rehefa jamba nandritra ny iray volana. Nohentin'ny fianakaviana nojerena taty amin'ny Opthalmo Besopaka Sambava nandritra ny efatr'andro. Avy any Betoho Commune Rural Andratamarina izy. Raha ny fanazavan'ny Dr Soatsara Lucia izay nandray an-tanana azy moa dia rehefa nojerena ny nahajamba azy dia tafiditra tao anatin'ilay atao hoe cataracte, izay mbola azo tsaboina tsara.
    Lire la suite ...
    • lundi, 30 janvier 2017 10:12

    Fianarantsoa : Foiben’ny Fiangonana Jesosy Famonjena Fahamarinantsika, mijinja vokatra

    Enina taona ny fe-potoana niofanan’ireo Mpitandrina miisa 19 mianadahy izay nosorana ny andron’ny alahady 29 janoary 2017 teo amin’ny foiben’ny Fiangonana Jesosy Famonjena Fahamarinantsika eto Fianarantsoa. Nahazo iraka manerana ny Nosy izy ireo ka hanatevina ny laharan’ireo efa mitàna izany andraikitra izany amin’ny sampana 240. Notokanana nandritra ity fotoana ity ihany koa ireo Loholona 35 sy Evanjelista 2 hanampy eo amin’ny fanapariahana ny Vaovao Mahafaly eo anivon’izany Fiangonana izany. 26 taona nisiana ity Fiangonana mijoro ara-dalàna eto Fianarantsoa ity. I Pasitera Razafiarimanana Vololoniaina no mitarika izany amin’izao fotoana izao.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 29 janvier 2017 16:06
    • Sary nindramina

    Maintirano – Antsalova : Tafakatra 1 hetsy Ariary ny sarandalana

    Nihatra nanomboka omaly sabotsy 28 janoary 2017 io sarandalana vaovao io, amin’ny halaviran-dalana mirefy 120km. Fiara tsy mataho-dalana iray, misy toerana 14 sisa no manao io asam-pitaterana io fa nijanona avokoa ny rehetra noho ny haratsian-dalana, ny andro rahateo asara (fahavaratra). Ireo mpivarotr’omby sy mpiasam-panjakana mamita iraka, ka iantohana ny sarandalany sy ny fiatranoany, no hany mpandeha, ny ankoatra izay mionona. Tsy ao anaty laharampahamehan’ity fitondrana ity ny fanamboarana iny lalam-pirenena 1bis iny. Taloha anefa mba nisy ihany ny fikojana azy tamin’ny alalan’ny volan’ny Tahiry fikojana ny lanana (FER), fa efa ela no tsy nahazo izany intsony ny faritra Melaky.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 27 janvier 2017 19:05

    Mangatokana - Antanimalandy : Lehilahy iray tratra nangalatr’omby

    Tsy niandry maty masoandro intsony ireto telo lahy nangalatr’omby tao amin’ny Fokontany Mangatokana Antanimalandy ireto fa dia andro mazava izy ireo no nandroaka omby namakivaky ny tanàna. Taitra ny mponina mipetraka manodidina raha nahita azy telo lahy nandraoka omby satria dia tsy tarehin’olona monina ao an-tanàna izy ireo. Nisy nanaraka ny dian’izy ireo dia niditra kirihitr’ala. Teo no raikitra ny fifanenjehana. Tafaporitsaka ny roa lahy tamin’ireo mpangalatr’omby, voasambotry ny Fokonolona niaraka tamin’ny omby kosa ny iray. Milaza ho nirahan’ny namany handraoka omby ka hanatitra azy eny amin’ny labatoara ilay rangahy tratra rehefa nanontanian’ny olona. Natolotra ny mpitandro ny filaminana ilay mpangalatra ka tamin’izay no nahatsapana fa olona tsy dia salama saina tsara izy. Tsy fantatra izay tompon’ny omby nangalarin’izy ireo ary tsy nisy koa ny marika famantarana teny amin’io biby io. Miandry ny tompony ny polisy amin’izao.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 27 janvier 2017 11:05

    Betroka : Manjaka ny asan-jiolahy

    Mandry tsy lavo loha indray ankehitriny ny mponina aty amin’ny distrikan’ny Betroka noho ny tsy fandriampahalemana. Tokatrano iray taty an-tampo-tanànan’ny Betroka no in-droa niverenan’ny mpamaky trano tao anatin’ny herinandro. Jiolahy tsy latsaky ny 20 no manao andiany sady mitondra basy. Toy ny tany tsy misy fanjakana intsony ity Distrika ity raha ny firongatry ny olon-dratsy no jerena. Ankatr’io tokatrano voatafika io mantsy dia trano hafa maromaro hafa ihany koa no notafihin’ny mpangalatra. Ny mahagaga ny mponina dia tsy misy tratra mihitsy ireo olo-dratsy ireo kanefa dia malaza any an-toerana fa tanora ao an-tanàna ihany no mahavanon-doza.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 26 janvier 2017 21:26
    • Sary nomena

    Etats-Unis sy Mexique: Mihenjana ny tady

    Araka ny teny efa nataon'i Filoha vaovao n'ny Etats-Unis dia anangana rindrina avobe manodidina ny sisitany ifandraisany amin'ny Mexique izy rehefa lany, ka dia nosoniaviny androany ny didim-pitondrana anatanterahana an'izany, ka voalazany fa ny Meksikanina no asainy mandoa ny vola rehetra lany amin'izany, mba anakanana ireo miditra antsokosoko ao Amerika. Tokony nisy ny fihaonana tamin'ny roa tonta, nefa ny Tweet nalefan'i Donald Trump dia nilaza fa aza mandeha aty USA hoy izy ny Filohan'ny Mexique raha tsy anaiky andoa ny vidin'izany rindrina izany. Tsy ela dia tonga ny valin-kafatra avy amin'ny Filohan'ny Mexique Enrique Pena Nieto fa fohanany ny diany any Amerika izay tokony atao ny 31 janoary izao.
    Lire la suite ...
    • lundi, 23 janvier 2017 20:34
    • Sary Sobika Fianarantsoa

    Isandra - Matsiatra Ambony: Miatrika am-pitoniana ny tsy filatsahan'ny orana ny mponina

    Na dia eo aza ny tsy fisian'ny rano amin'ny toerana maro eto am'iny Faritra dia tsy tarazo ho an'ny vahoaka ao Zambazamba Nasandratrony intsony ny haintany. Tetik'asa iray fitantanana ny sahandriaka no natao tamin'ny toerana iray misy vohitra, vala sy lohasaha ao amin'ny Distrika Isandra. Antsoina hoe : “boîte de captage” no nampiasaina ho fanangonana ny rano amin'io toerana io. Nisy ny fametrahana an'io fotodrafitr'asa io mba handrindràna ny fampiasana ny rano izay mizara roa amin'ny ankapobeny dia ny rano fisotro madio sy ny famatsiana ilaina amin'ny fambolena. Koa miatrika ny tsy filatsahan'ny orana am-pitoniana ny mponina any an-toerana vokatry ny fihetsika vaovao naterak'izany tetikasa izany. Any amin'ny toerany ambonin'ny fotodrafitr'asa napetraka no nanaovana ny fambolena ny hazoala sy fihinam-boa mba hitazonana ny tany tsy hihotsaka sy ny rako-javamaniry efa nisy hatramin'izay.
    Lire la suite ...
    • lundi, 23 janvier 2017 09:54
    • Sary nindramina fampihaingoana

    Cisco Fandriana : Torana ilay Mpampianatra FRAM fa nisy nanolo tao anaty lisitra ny anarany

    Mampiteny ny moana ny zava-mitranga ao amin’ny faripiadidiam-pampianarana (Cisco) Fandriana mikasika ny fandraisana ireo mpampianatra FRAM ho mpiasampanjakana. Andiany faha-4 ny amin’ity taom-pianarana 2016-2017 ity, ary manana anjara 87 ny Cisco Fandriana. Notanterahina ny 19 janoary 2017 lasa teo ny fandiovana lisitra, mba ho tena ireo mahafeno fepetra no voaray. Tamin’ny valo ora alina izany vao vita ary novakiana ampahibemaso ho ren’ireo nanatrika teo. Ny zoma 20 janoary tolakandro no natao ny petadrindrina. Akory ny hagagan’ny rehetra fa niova tao anaty maizina tao ny lisitra nivoaka, tsy arakaraka ilay novakiana taorian’ny fanadiovana ny alin’io.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 22 janvier 2017 19:10
    • Tahirin-tsaray Sobika Fianarantsoa

    Fianarantsoa : Ramatoa mpivarotra nendahin’ny mpiambina ny tranony

    Ramatoa mpivarotra handeha hody hariva iray no niharan'ny sintomahery ny alatsinainy lasa teo. Ny mpiambina ny tranony ihany no nahavanon-dratsy niaraka tamin'ny mpiambina roa hafa teo amin'ny manodidina. Tafatsoaka niaraka tamin'ny vola 400 000 Ariary tao anaty poketra ilay mpiasan'ilay ramatoa. Naratra ity farany tamin'izany ary niantso vonjy ka nanehoan'ny Fokonolona ny hatezerany ilay mpiambina faharoa izay iray tsikombakomba. Nentina teny amin'ny hopitaly izy io ka nilaza ny anaran'ny namany fahatelo niaraka nikaondoha io fandrobana io.
    Lire la suite ...
Page 10 sur 63
B1 - Polyclinique
B2 - Toa