Vaovao

    • lundi, 13 juillet 2015 09:42

    FOKONTANY TSARAMANDROSO AMBONY: Vehivavy iray maty novonoin’ny sakaizany

    Mangana avokoa ny tarehin’ilay ramatoa nohon’ny vono nahazo azy. Raha ny fandehan'ny tantara dia avy nisotrosotro teny Mahavoky izy roa ireto ny asabotsy hariva teo. Nifandramatra ary dia raikitra teo ny fifanenjehana izay niafara tamin’ny daroka. Nokapohan’ity rangahy ilay sakaizany ka dia lavo teo amin’ny tany. Torana tsy nahatsiaro tena ity farany ary dia nanaraka hatramin'ny ainy. Nampiakarin’ilay rangahy teo ambonin'ny fiara “camion” ny vata mangatsiakan'ilay sakaizany ary niantso vonjy izy rehefa vita ny nataony. Raha ny fizahana nataon’ny BMH dia maty voakasi-tanana ity ramatoa ity noho ireo ratra sy rangotra hita teo amin'ny vatany. Notazonin’ny mpitandro ny filaminana atao famotorana avy hatrany ilay rangahy. Araka ny fanazavana nomen'ny havan'ilay ramatoa anefa dia matetika izy sy ny sakaizany no miady ary mitsoaka any amin’izy ireo ilay vehivavy. Nilaza ny hitory ity nahavanon-doza moa ireo fianakavian’ny maty. Trangampiaraha-monina mateti-piseho ity fikasihan-tanana ny olon-tiany ity amin’ireo lehilahy tsy mataho-tody ka rariny sy hitsiny raha ampiharina aminy ny lalàna velona.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 09 juillet 2015 11:11
    • Photo: Net

    Toamasina : DRH roa no ao amin’ny Kaominina

    Nandray ny asany androany ny DRH na Tale vaovao misahana ny fitantanana ny mpiasan’ny Kaominina ambonivohitr’i Toamasina Ranaivoson Gilbert. Voatery nakana vaditany ny nahazoana ny fanalahidin’ny birao fiasany ary dia tsy nisy famindram-pitantanana ny asa mazava ho azy. Mbola mitohy etsy ankilan’izany ny fitokonan’ireo mpiasa an-tselika eo anivon’ity Kaominina ity, mitaky ny hamerenana ny DRH teo aloha amin'ny toerany satria araka ny voalazan’izy ireo dia io ihany no mba tompon’andraikitra afaka nitsinjo azy ireo. Velon-taintaina koa ireo efa tonga amin’ny fotoana handehanany misotro ronono fa mbola tsy misy mpikarakara izy ireo ankehitriny. Manohy ny asa andavanandro kosa ny mpiasa raikitra etsy an-daniny.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 08 juillet 2015 12:17
    • Photo: Sobika Mahajanga

    Aranta Mahajanga : Rongony 35kg saron’ny polisy

    Tovolahy roa vao herotrorony no tratra nitondra rongony milanja 35 kilao saika amidy tao Mahajanga io maraina io. Avy Port- Berger no nakana ireo rongony ireo ary efa tafiditra tao Mahajanga izy roalahy no nisy nanome vaovao ny mpitandro ny filaminana. Raikitra ny fisavana ireo fiara rehetra miditra an’i Mahajanga ka tamin’izay no sarona ny zavatra nafenina. Efa misy olona hividy ireo zava-mahadomelina ireo ary maro no mpiandry azy io. Hatolotra ny fitsarana androany hariva izy roa lahy tratra nitondra rongony ireto.
    Lire la suite ...
    • mardi, 07 juillet 2015 08:48

    Antsirabe : Vazaha maty notetitetehin’ny vadiny

    Vazaha iray nanjavona hatramin’ny volana martsa no fantatra fa novonoin’ny vehivavy teratany Malagasy tao Antsirabe. Efa nokarohina noho ny tsy fahitana azy ity vazaha ity, eny hatramin’ny Masoivohony aza no efa nanotany ny momba azy. Olona roa no fantatra aloha fa hanaovana fanadihadiana mikasika ny fanjavonan’ity vazaha tao Antsirabe ity dia ny vehivavy iray niara-nonina taminy sy ny lehilahy iray voalaza fa isan’ny niray tsikombakomba taminy, izay nosamborina tany Morondava. Raha ny ampahan’ny resaka dia fantatra fa novonoina ary notetehina natao tao anaty sakaosy ilay lehilahy. Ny “Brigade Criminelle” Antananarivo no misahana ny fanadihadiana amin’izao fotoana.
    Lire la suite ...
  • Mahajanga : Efa-dahy indray matin’ny moto
    Mahajanga : Efa-dahy indray matin’ny moto
    • lundi, 06 juillet 2015 08:46
    • Photo: Sobika Mahajanga

    Mahajanga : Efa-dahy indray matin’ny moto

    Nandrika ny rà teo anoloan’ny Kianja mitafon’i Mahajanga, ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy jolay tokony ho tamin’ny telo ora maraina. Tovolahy mpinama nanao taingin-telo tamin’ny moto iray no indray nidona tamina fiara BMW. Vokany, maty tsy tra-drano izy telo lahy nitaingina io moto io ary ny fahaefatra tamin’ireo namoy ny ainy dia lehilahy mihazakazaka maraina. Nandeha mafy izy telo lahy rehefa avy nandraindray zavapisotro misy alikaola, ka tsy nahatazona hisatra intsony ny mpitondra azy hany ka dia nifatratra tamin’ilay fiara izay mpivady avy nitsangatsangana no tao anatiny ary bevoka ilay ramatoa. Naratra mafy izy roa ireo vokatry ny loza ary nifamonjena nentina namonjy hopitaly.
    Lire la suite ...
  • Rakotonirina Jean Jacques, teknisianin'ny DIT
    Rakotonirina Jean Jacques, teknisianin'ny DIT
    • samedi, 04 juillet 2015 11:24
    • Photo: Sobika Antsirabe

    Teknôlôjia TNT: Tonga ny fitaovana ho an’i Vakinankaratra

    Natomboka ny zoma 03 Jolay ny fametrahana ireo fitaovana ho fanampariahana ny sary amin’ny alalan’ny teknôlôjia TNT (Télévision Numérique Terrestre) ao Vakinankaratra. Noraisina ny maraina ireo fitaovana nentin’ny DIT (Direction des Infrastructures techniques) ary dia niroso avy hatrany amin’ny fametrahana izany ireo teknisianina. Fantatra fa afaka 10 andro eo ho eo dia afaka hiasa avy hatrany ireto fitaovana ireto raha ny nambaran’Atoa Rakotonirina Jean Jacques, teknisianin’ny DIT. Nambarany fa tsy maintsy nidirana ity teknôlôjia ity amin’izao fotoana satria izay no takian’ny fenitra iraisam-pirenena. Sampandraharaha hafa kosa raha ny nambarany no misahana ny fitsinjarana ireo fitaovana hipetraka any an-tokatranon’ny rehetra. I Vakinankaratra no faritra natao ho filamatra amin’ny fametrahana ity teknôlôjia TNT ity ato amin’ny Faritanin’Antananarivo. Any Ambositra indray ny manaraka.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 03 juillet 2015 17:00
    • Photo : Sobika Ambatondrazaka

    Jiolahy sady mpisoloky : Saron’ny zandary i Bel

    Sady mpisoloky no jiolahy nikoizana tany Morarano Ambaibo i Bel. Hatramin’ny taon-dasa no nikarohan’ny mpitandro filaminana azy, taorian’ny fisolokiana izay nataony. Mampiasa fitomboka karazany maro izy amin’ny soloky izay ataony. Ananany hatramin’ny tombokasen’ny mpitandro ny filaminana. Olona tsara sitrapo no nanome loharanom-baovao ny mpitandro ny filaminana fa misy olona mampiahiahy ao Ambaibo Morarano mitazona basy kalaky. Nihetsika avy hatrany ny zandary ary dia nidina tampoka tany an-toerana ary dia sarona i Bel sy ireo ody gasy miaraka amin’ny karazana tombokase sy antsy lava lela maromaro. Tsy hita tao an-tranony kosa ny basy. Rehefa nohadihadian'ny mpitandro ny filaminana i Bel dia niaiky fa anisan’ireo jiolahy nampihorohoro ny faritra Alaotra. Miantso fifanomezan-tanana amin’ny vahoaka ny komandin’ny zandarimariam-pirenena Alaotra Mangoro ny kolonely Ranaivonampoizina Harilaza eo amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 24 juin 2015 07:36

    Ala honko : Hampitomboina avo roa heny ny fambolena sy fiarovana

    137 hektara ny velaran-tany voavoly honko tao anatin’ny Kaominina Boanamary. Ho ampitomboina avo roa heny izany ezaka izany ary ho hentitra ny fanaraha-maso ireo mpitetitetika ny ala honko. Nivoitra io nandritra ny foara Ala honko misôma tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Boanamary, Distrikan’i Mahajanga II ny zoma 19 sy ny sabotsy 20 jona 2015. Nijoro vavolombelona ireo Vondron’Olona Ifotony (VOI), nanambara ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny ala honko. Taorian’ny nitarihan’ny fandaharan’asa alemana misahana ny tontolo iainana azy ireo na PAGE-GIZ (Programme d’Appui à la Gestion Environnementale) hatramin’ny taon-dasa dia tsapan’izy ireo ny fihatsaran’ny vokatry ny jono drakaka sy makamba ary patsa fotsy. Nihatsara nanaraka izay koa ny vola niditra hoy ireo mpikambana ao amin’ny VOI Ambatomalama, Tsararivotra, Fifabe, Avotry ny Boanamary sy Avotry ny Morariva. Nisy ny fanatevenana ny ala honko novolena tamin’ny taon-dasa. Nifandrimbona namboly maro izay tratra tamin’ireo mpandraharaha tsy miankina ary ny fokonolona tany an-toerana ireo sampandraharaham-paritra ny Tontolo iaiana, ny Ekolojia sy ny Ranomasina ary ny Ala, ny any avy ao amin’ny ny Harena anaty rano sy ny Jono, ary ny Faritra Boeny
    Lire la suite ...
Page 82 sur 82
B1 - Polyclinique
B2 - Toa