Vaovao

    • mardi, 10 octobre 2017 13:02
    • Sary Sobika Fianarantsoa

    Matsiatra Ambony: Natsangana ny "barrage sanitaire" ao Camp Robin

    Voamarina tao anaty fampitam-baovao ofisialy fa misy tranga pesta ato Matsiatra Ambony. 11 no totaliben'izany ho an'ny datin'ny 9 oktobra maraina. 1 no hita tao Sendrisoa, 1 ao Ampitàna, 1 Alakamisy Ambohimaha, 2 ao Ambalavao, 3 ao Isaka ary 3 eto Fianarantsoa. Ny telo amin'ireo no fantatra fa pesta aretin-tratra. Voalaza fa efa nanaovana fidinana ifotony ireo tranga ireo ka efa noraisina antanana avokoa na ny marary na ireo fianakaviana nifanakaiky taminy. Efa nandrarahana fanafody mamono bibikely sy mandrava ny herin'ny otrik'aretina ihany koa tany amin'ny toerana onenan'ireo olona ireo.
    Lire la suite ...
    • lundi, 09 octobre 2017 12:09
    • Sary Sobika Mahajanga

    Antanimalandy-Mahajanga: Namono olona indray ny Bajaj

    Lehilahy iray, 23 taona, no maty tsy tsa-drano ary iray hafa tsy mbola mahatsiaro tena ao amin'ny trano fameloman'ainan'ny Hopitaly PZaGa Androva hatramin'izao. Lozam-pifamoivoizana nitranga alina tamin'ny 12 ora sy sasany teny Antanimalandy no nahafaty sy namparatra azy roalahy ireto. Tsy fantatra mazava izay tena niavian'ny loza fa ny Bajaj nidofotra tamin'ny tambohon'ny Fiangonana FLM. Izy roalahy nipitika teny ampovoan'arabe, ny iray maty teo no eo ary ny iray tsy nahatsiaro tena. Tsy nisy nahita izay zava-nitranga fa diana hisatra aty amin'ny 15 metatra miala ny toerana nidonan'ilay Bajaj no hany hita. Samy mpamily Bajaj izy roalahy ireto ary mipetraka eny amin'ny manodidina an’i Tanambao Sotema, toerana nisehoan'ny loza ihany.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 08 octobre 2017 22:05
    • Sary Sobika Sambava

    Sambava: 80 000 Ariary no lany amin’ny fitsarana sy fanamboarana ny fitaovam-pandajana

    Manantanteraka ny voalazan’ny didim-panjakana 67-170 tamin’ny 13 Aprily 1967, izay mifehy ny fitaovam-pandajana ara-dalana izao fitsarana ataonay izao, hoy ny Chef de Service Régional du Conditionnement et de la Métrologie légale SAVA, Samuel Louis Lucien. Nanomboka ny zoma 06 oktobra ny hetsika, ary haharitra herinandro ny eto Sambava, izay vao mikisaka any amin’ny Distrika hafa, Vohemar, Andapa, Antalaha. “Ny zavatra tsikaritra nandritra ny andro voalohany dia tsy misy ara-dalàna ireo fitaovam-pandanjana hita teto Sambava ka safidy roa no nomena ny mpivarotra, na tsy ampiasaina intsony ny fitaovana na tonga dia manamboatra eo noho eo satria efa misy teknisiana avy any Antananarivo izay nahazo alalana hanamboatra izany miaraka aminay eto”.
    Lire la suite ...
    • samedi, 07 octobre 2017 20:41
    • Sary Sobika Mahajanga

    Aranta-Mahajanga: Mpamily novonoina tamin'ny fomba feno habibiana

    Notsatohana tourne-vis no namonoana ity rangahy mpamily fiara mampitohy an'Ambato-Boeny sy Mahajanga ity ny marainan'ny zoma 06 oktobra. Tokony ho tamin'ny 2 ora maraina izy no hitan'ny olona teo ivelan'ny fiara niantsona teo akaikin'ny tobin-tsolika iray manakaiky ny tobim-piantsonana nasionaly Aranta, efa naratra ary mbola nitsatoka teny aminy ny tourne-vis nanindromana azy. Niezaka nandresy lahatra azy tsy hanalana ilay vy maranitra aloha ireo olona nahita saingy nahare narary loatra angamba ity farany ka notsoahiny ilay izy. Nijininiaka avy hatrany ny rà ka nitarika azy tamin'ny fahafatesana rehefa tonga kelikely teny amin'ny hopitaliben'Androva. Raha ny tsilian-dresaka re teny an-toerana, manana mpamily mpandimby azy ity mpamily ity, nikasa hividy motera izy ireo ny omalin'iny saingy tsy mbola voavidy izany. Mbola tany aminy araka izany ny volabe saika hividianana io motera io.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 06 octobre 2017 22:28

    Fianarantsoa: Tsy misy vaovao ofisialy mivoaka momba ny pesta

    Mampanahy ny vahoaka eto an-toerana ny tsy famoahana mivantana ny zava-misy marina momba io valan'aretina io hatramin'izao. Ny fanentanana ho fanadiovana ny tanàna no miverimberina, ary ny tolotanana tanterahan'ireo mpandraharaha sy fikambanana vitsy no hita taratra. Nandray anjara tamin'ny fanadiovana sy fandrarahana fanafody mamono bibikely ihany koa ny oniversiten'i Fianarantsoa. Hatreto dia miaina ao anaty tsy fahampiam-baovao tanteraka ny mponin'i Fianarantsoa.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 05 octobre 2017 11:26
    • Sary Sobika Mahajanga

    Ambondrona Mahajanga: Miakatra ny maripana

    Tamin'ny fito ora maraina, nirohotra nihazo ny vavahady miditra ny campus ireo mpianatra nanakan-dalana tamin'ny andrin-jiro sy vato ary hazo miaraka amin'ny antsoantso sy horakoraka. Tsy nisy vokany ny fihaonan'ny filohan'ny fikambanana BDUM ( bureau des étudiant de l'université de Mahajanga) sy ny filohan'ny oniversiten'i Mahajanga niaraka tamin'ny solontenan'ny préfet ny tolakandron'ny talata teo teny amin' ny batiment Kakal Majunga Be. Tsy nahafapo ireo mpianatra ny fifampiresahana mivantana niarahana tamin'ny filohan'ny oniversite ny profesora Andrianarivony Andrianony Emmanuel sy ny solontenan'ny prefen'i Mahajanga. Resaka vatsim-pianarana sy tranon'ny mpianatra moa no tena angatahin'ireto mpianatra ireto. Nanome toky ny filohan'ny oniversite fa hiezaka hikaroka vahaolana momba ny vatsimpianarana ao anatin'ny fotoana fohy, tsy nahafapo ireo solotenan'ny mpianatra anefa izany satria mila ny vatsim-pianarana efa-bolana farany miara-mivoaka izy ireo noho ny taom-pianarana efa nifarana.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 05 octobre 2017 08:29
    • Sary Sobika Ambatondrazaka

    Zava-doza : Zaza nateraka, avy eo novonoina tamin’ny rano mangotraka

    Ramatoa iray sendra nandalo no nahita harona “sachet” misy fonosan’entana teo amoron-dalana nalehany, omaly alarobia 05 oktobra tokony ho tamin’ny 6 ora maraina tao Tanambao, Fokontany Ambohimasina, Kaominina Ambatondrazaka. Rehefa nojereny dia zaza menavava niaraka amin’ny tavonony no tao anatiny. Nampandre ny komitim-pokotany avy hatrany izy ary io indray no niantso ny mpitandro ny filaminana sy ny mpitsabo. Zazalahy kely vao avy nateraka, avy eo novonoina tamin’ny rano mangotraka io araka ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Tsy mbola fantatra hatreto izay ray aman-dreny nahavanon-doza.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 04 octobre 2017 22:02
    • Sary Sobika Fianarantsoa

    Vohiposa (RN7): Hasiana fanamboarana ny tetezana naorina vonjy maika

    Nahitam-bahaolana ny fidinana ifotony nataon'ireo mpitarika ny mpitatitra eto Madagasikara taty Vohiposa ny andron'ny 3 oktobra 2017. Hita maso ny faharefoan'ny tetezana nasolo ilay nirodana andro vitsivitsy ka nahatonga ny fandanjana ireo fiarabe mandalo hatramin'ny zoma lasa teo. Ny zava- misy dia matahotra ny mampiasa io tetezana io ireo mpamily fiarabe noho izany tsy fahatokisana ny fotodrafit'asa izany. Ny famerana ny vesatra entina rahateo dia mampitombo izany ahiahy izany. Taorian'ny fankanesana taty an-toerana nataon'ireo mpikambana amin'ny APTR (Association Professionnelle des Transporteurs Routiers) nasionaly sy rejionaly ireo dia tapaka fa hanaraka ny fepetra famerana ny vesatra amin'ny 44 taonina izy ireo ka manao transbordement na mijanona tanteraka ireo fiarabe tsy mahafeno ny fepetra.
    Lire la suite ...
    • mardi, 03 octobre 2017 19:59

    Alarobia-Bemaha: Maty nokapain'ny dahalo famaky ny talen’ny CEG

    Ny alin’ny alatsinainy 2 oktobra 2017 no nitranga ny fanafihana. Voakapa famaky teo amin'ny lohany ity mpiasam-panjakana ity. Nezahina novonjena hoentina tany Ambositra saingy teny an-dalana tao Ambodromisotra no tapitra ny ainy. Naratra noho ny vono ihany koa ny zanany, saingy tsy misy atahorana ny ainy. Ny vola saram-pisoratan’anaran’ny mpianatra no notadiavin’ireo dahalo ary tsy namelany raha tsy azony. An-tapitrisany ireo vola ireo satria mizara roa ny CEG, dia ao amin’ny Fokontany Ambohibary sy ny eo Alarobia, izay samy eo ambany fiadidian’ity Tale ity. Noraofin'ireo dahalo ihany koa ny vatafahitalavitra sy ny fitaovana maro tao an-tonkatranon’ilay mpampianatra. Efa nentin’ny fianakaviany nody any Anjanampara-Betafo ny Razana. Betsaka ny fomba tsotra azo ampiasaina amin'ireny fandefasana vola amin'ny finday ireny no mila dinihina amin'ny fikirakirana vola, sady tsy milahatra any amn'ny banky, no tsy atahorana ny fandriam-pahalemana.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 03 octobre 2017 19:40
    • Sary Sobika Fianarantsoa

    Fianarantsoa: Tranga iray no nampiahiahy fa ny loto no itadiavam-bahaolana ankehitriny

    Zaza iray nipetraka tao amin'ny Fokontany Bateravola no fantatra fa lavon'ny aretina pesta tany an-drenivohitra. Tsy nisy ny fahafatesana vokatr'izany teto Fianarantsoa. Nanao fampitam-baovao momba izany ireo tompon'andraikitra eto an-toerana ka nidina any Sendrisoa izay nahenoana tranga iray tamin'ny herinandro vitsy lasa ny solontenan'ny OMS mandalo amin'izao fotoana izao. Nanaovan'ny Ben'ny Tanàna tatitra ny tsy fahampian'ny fitaovana sy fiarabe entina manadio ny tanàna ho fisorohana ny aretina. Misy ireo mpandraharaha naneho fahavononana ny hanome fiarabe ho fanangonana ny fako miely eran'ny tanana mba ho fiatrehana izany. Ankoatr'ireo dia maro ny fepetra raisin'ny vondrona isan-tokony toa ny famentrahana fanafody mamono bibikely ao amin'ny stade Ampasambazaha noho ny fanatanterahana ny lalao baolina kitra amin'ny sehatra nasionaly amin'izao fotoana izao.  
    Lire la suite ...
Page 9 sur 86
B1 - Polyclinique
B2 - Toa