Vaovao

    • lundi, 27 juin 2016 21:19
    • Sary Sobika

    Fahoriana tsy roa aman-tany: Ireo maty indray no nosavaina trano

    Vaky fo tanteraka ireo fianakaviana niaram-boina tamin'ny fipoahana omaly teny Mahamasina.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 26 juin 2016 14:34

    Madiokely-Dabolava : "Jamà" roa maty notifirin’ny dahalo

    Manao ny ataony tanteraka ny asan-dahalo. Ny marain’ny alakamisy 23 jona teo dia notafihin’ny dahalo 70 lahy ny Fokontany Madiokely, Kaominina Dabolava, Distrikan'i Miandrivazo. Olona roa avy hatrany no notadiaviny dia itony ataon'ny olona hoe "Jamà" na sivily mpiandry tanàna itony raha vao niditra ny tanàna izy ireo.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 26 juin 2016 00:28
    • Sary Njaka

    AFOMANGANGA 2016 : Tsy nahafa-po ny olona, ny tamin'ity taona ity.

    Niandry fatratra ireo vahoaka malagasy fa tsy toy ny nahazatra ny fisehon'ny afomanga teny anosy izay voalazan'ireo nanatry maso fa dia vetivety ary tsy niakatra ambony. Na dia naharitra 40 minitra izany.
    Lire la suite ...
    • samedi, 25 juin 2016 19:53
    • Sary Sobika Antsirabe

    Ambohibary Sambaina: Fametrahana Ben'ny Tanàna

    Lanonana maro sosona no notontosaina teto Ambohibary-Sambaina ny tolakandron’ny alakamisy 23 jona lasa teo dia ny fametrahana ny Ben’ny Tanana, famaranana ny iray volan’ny ankizy ary fanolorana maribonihanitra ho an’ireo nahavita be teo amin’ny firenena.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 24 juin 2016 19:31
    • Tahiri-tsary Net

    Kolikoly : Olona telo namoronana aretina hialany ny fonja

    Mampiteny ny moana ny zava-misy eto Madagasikara, ary toa rano atondraka andamosin-gisa ny fanamarihana sy fanankianana ataon’ireo mpanao politika, fiarahamonim-pirenena, mpitondra fivavahana, sendika, ny masoivoha sy mpiara-miasa iraisam-pirenena amin’ity kolikoly avo lenta miseho eto amin’ny firenena ity.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 24 juin 2016 15:48
    • photo illustration Net

    Ambohitrarahaba : Olona roa nahiana ho jiolahy

    Mandray an-tanàna ny fampandriana fahalemana ny fokontany misy azy ireo ny mponina eny Ambohitrarahaba. Efa ho volana iray mahery izay dia mirotsaka amin’ny fiambenana ny tanàna ireo vatan-dehilahy eny an-toerana. Malaza amin’ny vaki-trano mantsy iny faritra iny ka voa daholo na tranon’olon-tsotra na toeram-pivarotana. Omaly alina anefa dia nody ventiny ny rano natsakain’ireo mpiambina ny tanàna satria olona mampiahiahy roa izay nahitana kara-panondro efa manjavona sy antsy lava lela ary “ tourne vis” no tratran’ny mpiambina teny Ambohitrarahaba ka nalefa avy hatrany teny amin’ny komisarian’ny polisy eny Sabotsy Namehana.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 24 juin 2016 14:00
    • Photo: fournie

    Toby USAD : Mangatsiatsiaka ny depioté Nicolas

    Nanaitra ireo Ray aman-dreny tany amin’ny distrikan’i Betroka ny fihetsiky ny Solombavambahoaka Randrianasolo Jean Nicolas izay voafidy tany an-toerana. Nandritra ny fitokanan’ny filoham-pirenena ilay toby vaovaon’ny zandary « Unité Spéciale Anti-Dahalo » tao amin’ny kominin’i Mahabo, izay ao anatin’ny distrikan’i Betroka mantsy dia tsy tonga nanatrika io fotoana tany Randrianasolo Jean Nicolas kanefa tao an-tampo tanànan’i Betroka ihany.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 23 juin 2016 13:15
    • Photo: fb

    Vono moka tany Benenitra: Malahelo ny Fitiba

    Manoloana ny fifamonoana niseho tany amin’ny sampanan’i Berenty, distrikan’i Ankazaobo ny faha 21 jona 2016 lasa teo dia maneho ny fiaraha-miory amin’ny mpiray tanindrazana izay samy amin’ny faritanin’ny Bara ny filohan’ny dinan’ny zanak’i Mangoky ary miantso fifamelana sy fandraisana andraikitra eo amin’iireo Ray aman-dreny avy amin’io faritra io. Hijery izay mahasoa ny faritra misy amin’izay fa hamela ny ali-fombo sy ny helok’ela.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 22 juin 2016 13:48
    • Photo: Sobika

    Fanaovan-dalana etsy Soavimasoandro

    Kivy tanteraka ny fokonolona etsy Soavimasoandro.Mitohy tokoa manko amin'izao ora izao ny fanotofana ny tanimbary sy ny fandravana ny tranon'olona izay monina eny Soavimasoandro ataon'ireto orin'asa Sinoa ireto, izay manatontosa ny iraky ny fitondrana hanao ny làlana mampitohy an'i Ivato sy Antananarivo, izay tafiditra amin'ny fanomanana ny francophonie.
    Lire la suite ...
    • mardi, 21 juin 2016 11:50
    • Photo: Sobika

    Landy Tapia

    Tsara ho fantatra momba ny Landy, izay ny ala Tapia any Itasy, Soamahamanina sy ny manodidina, ary any ambositra ihany no misy azy eran'izao tontoloa izao. Ny lambamena hamonosana ny maty, ny lamba landy hisaloran'ny velona dia ho tapitra taringana afaka 40 taona.Ka raha 30 taona ianao izao dia tadidio fa hifono lamba "made in China" ianao ka lamba akoso-bolamena no amonosana anao satria tsy misy intsony na ny ala Tapia, na ny Landy, eny na ny volamena ao dia ho lany ka ny akosotra sisa no anjaranao.
    Lire la suite ...
Page 75 sur 108