Vaovao

    • jeudi, 01 août 2019 21:55

    Voatifitry ny jiolahy: Nodimandry androany ny Ben’ny tanànan’i Belalona

    Naratra mafy voatifitry ny jiolahy, nandritra ny fanafihana mitam-basy nitranga ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy 29 jolay 2019, tokony ho tamin’ny 2ora maraina i Zaratody, Ben’ny tanànan’i Belalona, Distrikan’i Befandriana Avaratra. Sinoa mpandraharaha lavanila no nokendren’ireo jiolahy tamin’io. Mpanofa tranon’i Zaratody ity Sinoa ity. Tifitra basy no nitsenan’ireo jiolahy azy raha nivoaka hamonjy ilay Sinoa voatafika izy. Niantefa teo amin’ny kibon’i Zaratody ny bala. Naratra nofirain’ireo jiolahy tamin’ny antsy ny mpiambina iray. Niditra an-tsehatra ihany koa ny Zandary notarihin’ny Komandin’ny tobi-paritra Befandriana Avaratra, vao nahazo fampandrenesana. Nifamaliana ny tifitra. Maty ny iray tamin’ireo jiolahy, tafatsoaka ireo namany. Naratra voatifitra ilay Komandin’ny Brigady. Nalaina maika tamin’ny angidimby io alatsinainy 29 jolay io ihany, nakarina taty Antananarivo ary navantana tao amin’ny Hopitaly miaramila Soavinandriana ny Ben’ny tanànan’i Belalona sy ilay Komandin’ny tobi-paritry ny Zandarimaria Befandriana Avaratra noho ny hamafin’ny ratra nahazo azy ireo.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 31 juillet 2019 21:45
    • Sary nindramina

    Mahitsy RN4: Fiara nitondra akoho, may kila

    Teny an-dalana hiazo an’Antananarivo renivohitra, hitondra akoho hamidy no tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena faha-4, omaly, ka nirehitra. May kila niaraka tamin’ilay fiara ny akoho nentiny. Avotra kosa ireo olona tao anatiny. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 30 juillet 2019 14:24

    RN5: Manomboka ny fikojakojana ny lalana

    Ny ampahan-dalana Toamasina – Foulpointe manomboka eo amin'ny Pk12 hatrany amin'ny Pk 30 no voakasik’ity fanamboarana ity. Fikojakojana fanao isan-taona no hatao, ary ny Ministeran'ny Fanajariana ny Tany, ny Toeram-ponenana sy ny Asa Vaventy no misahana azy. Fanamboarana ireo lavaka, fanaovana lalana « béton » ireo no tena hifantohan'ny fanamboarana ho atao izay nanomboka ny alatsinainy 29 jolay 2019 ny asa, ary haharitra telo volana eo ny faharetan'ny asa. Teti-bolan'ny ministera no hamatsiana izany.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 30 juillet 2019 08:24
    • Sary Njaka

    Fitsarana: Fianianana Mpitsara vaovao

    Notontosaina ny zoma 26 jolay ny fianianana mpitsara vaovao teo anivon’ny Fitsarana, ka isan’izany Ramatoa RANDRIMIADANARIVO Simone izay nanolo ilay mpitsara efa nisotro ronono. Tonga nanotrona izany lanonana izany ny Minisitry ny Fitsarana Jacques Randrianasolo. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 30 juillet 2019 08:14
    • Sary nindramina

    Ikalamavony: Raim-pianakaviana iray novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

    Nandrika ny rà tsy lavitry ny EPP Tanambao Nord amin’ny lalana miazo an’i Malainkoafara, Fokontany Matsiatra – Ikalamavony ny sabotsy 27 jolay 2019. Raim-pianakaviana iray sahabo 42 taona, antsoina hoe Dariera, no maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana, rehefa izy handeha hody. Feno dian-javamaranitra ny lohany. Maty nisy namono ny zanaka lahin’ity Dariera ity tamin’ny 10 jolay 2019. Tovolahy tao an-tanana ihany no nahavanon-doza, tamin’ny tsindron’antsy noho ny resaka toaka.
    Lire la suite ...
    • mardi, 30 juillet 2019 07:03
    • Sary: ZP

    Befandriana Nord: Zandary iray naratra voatifitry ny dahalo, dahalo iray maty

    Notafihin’ny jiolahy mitam-basy ny Sinoa lahy iray, mpandraharaha eto Befandriana Avaratra ny alatsinainy 29 jolay 2019 tokony ho tamin’ny 2 ora maraina. Lasan’ny jiolahy ny 60 tapitrisa Ariary. Tsy naratra ilay Sinoa fa ny tompon-trano nikasa ny hanavotra ilay Sinoa no voatifitra teo amin’ny kibony, ny mpiambina kosa dia naratran'ny tsatok'antsy. Niditra an-tsehatra ny Zandary rehefa nahazo fampandrenesana. Nisy ny fifandonana. Dahalo iray maty voatifitra, tafatsoaka ny roa. Naratra voatifitra tamin’ny tongony ny Komandin’ny tobi-paritra Zandarimaria Befandriana Avaratra. Ary ny iray tamin'ireo olon-dratsy kosa dia lavo teo noho eo noho ny tifitra nataon'ny Zandary niaraka tamin'ny Komandin'ny brigady. Naterin’ny Zandary tao amin’ny hopitaly advantista Ankazoambo ireo naratra. Nakarina ao Antananarivo nentina tamin’ny angidim-by, ary tsaboina ao amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana ilay Zandary maratra.    
    Lire la suite ...
    • lundi, 29 juillet 2019 10:08
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Sambava: Tsy ho ekena ny fivarotana solika ankoatra ny eny amin'ny « station »

    Nidina ifotony ny avy amin'ny sampandraharaham-paritry ny angovo, ny rano ary ny akoran'afo izay natomboka teto Sambava ny zoma 26 jolay teo iny, ka nanaovan’izy ireo fampahatsiahivana fa tsy azo atao ny fivarotan-tsolika isaky ny elakelatrano, ary mahavoasazy, hoy ny Talem-paritra RATOVONIAINA Thierry Emmanuel Lasa ataon'ny olona fitadiavam-bola ity varomaizina amin'ny solika ity, ary hita fa misy tambazotra matanjaka ato amin'ny Faritra SAVA. Milaza ny mpivarotra solika manao varomaizina fa mahazo tombony 15 000Ar isaky ny jerikanina 20 litatra izy ireo. Ankoatra ny 4200 Ar vidin’ny lasantsy iray litatra eny amin'ny « station » dia mbola mandoa 2 000Ar hatramin'ny 3 000Ar eny amin'ny « pompiste » izy ireo.
    Lire la suite ...
    • samedi, 27 juillet 2019 20:49
    • Sary Njaka

    HCJ: Nahazo trano vaovao

    Nampafantarina omaly zoma 26 jolay ny fisian’ny trano vaovao izay misy ny HCJ na ny Haute Cour de Justice, izay eny Anosy ambadiky ny MOTEL. Nisy araka izany ny fampahafantarana ho an’ny daholobe ny anjara asan’izany HCJ izany, izay azo tsidihina. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 26 juillet 2019 15:05
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    ACMIL Antsirabe: Namoaka ny andiany « Général de Brigade Andrianaivo Raymond »

    Manamboninahitra niisa 55, ka vehivavy ny 6 no navoaka tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny « Fandresena 2019 » androany tao amin’ny ACMIL Antsirabe. Andiany mivantana faha-40 izy ireo, nitondra ny anaran’i « Général de Brigade Andrianaivo Raymond ». Notsofin-drano androany nandritra ity lanonana ara-miaramila ity ihany koa ny andiany mivantana faha 42 sy ny famindrana ny sabatra tamin’ny andiany faha 41. Toy izany koa ny andiany iraisam-piadiana faha-21 « Andraina », izay ny Liétina-kolonely Andriamizana Marinjaka no mpiahy azy ireo. Nanome voninahitra ny lanonana ara-miaramila ity ny filoham-pirenena sady filoha faratampon’ny foloalindahy, Andry Rajoelina. Notokanany ny fanavaozana ny efitrano filanonana « Farimbona » sy ny « Salle d’honneur » ary ny trano famakiam-boky ao amin’ity Sekolin’ny manam-boninahitra ity. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 25 juillet 2019 17:09
    • Sary nindramina

    Kitra - Barea CHAN: Anatin’ny fifantohana amin’ny fihaonana amin’ny Os Mambas Mozambikanina

    Hiatrika lalao iraisam-pirenena etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny Barea CHAN amin’ny alahady 28 jolay izao, hifandona amin’ny Os Mambas Mozambikanina. Tonga nanolotra taratasim-bola roa, mitentina 10.000.000 Ariary ho azy ireo tetsy Mahamasina androany i Hery Rasoamaromaka, niaraka tamina filohan’ny ligim-paritry ny baolina kitra vitsivitsy. Kandida amin’ny fifidianana filohan’ny Federasiona malagasy amin’ny baolina kitra i Hery Rasoamaromaka. Nanamboatra ireo kianja filalaovam-baolina sentetika maro, mpandraharaha, ary mpanao « rallye » ihany koa. Etsy amin’ny hotely Ibis Ankorondrano no mipetraka ny Barea CHAN manomboka androany. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
Page 8 sur 147