Vaovao

    • vendredi, 25 septembre 2015 14:11
    • Photo: Fournie

    Razafindramana Clément Ceau Gilbert, mpiandry tsatokazo ny Fosa Juniors Fc

    24 taona, mirefy 1, 72 m. Vao 7 taona izy dia efa nanao baolina kitra tamin’ireny fifaninana eny anivon’ny Fokontany ireny izy teny Andohatapenaka. Nisy olona nahita ny fomba filalaony dia nalainy hilalao tao amin’ny “Fc Dragon” tao Maurice izy ny tamin’ny 2003. Taorinan’io dia nalain’ny Ajesaia indray. Izany hoe nanomboka 2003 ka hatramin’ny 2004.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 25 septembre 2015 12:53
    • Photo: Fournie

    Kitra anaty trano

    Nosivanina ireo afaka hitana ny voninahitr’i Fosa Juniors Fc. Nanomboka ny alakamisy 24 Septambra teo no natao ny sivana, ho an’ireo mpilalao hahavita ny fiarovana ny voninahitr’i Fosa Juniors izay vao nahazo ny amboara tamin’ny Super League Uft. Nametraka tantara tsara, ny Fosa Junior Fc, mikasika ny kitra anaty trano, ka tsy maintsy atao izay iarovana izay voninahitra sy vokatra tsara izay.
    Lire la suite ...
  • Lalao Ravalomanana nibetroka ireo mpiasan'ny CUA
    Lalao Ravalomanana nibetroka ireo mpiasan'ny CUA
    • vendredi, 25 septembre 2015 12:21
    • Photo: Njaka

    Lalao Ravalomanana nitsidika sy nibetroka ny mpiasan'ny CUA

    Na dia mbola nanakana ny hisian'ny famindram-pahefana aza ny ministeran'ny ati-tany, raha tsy vita ny fampiofanana sy ny fandaminana,dia nitsidika ny birao tao amin'ny Lapan'ny Tanàna ny Ben'ny Tanàna vaovao Lalao Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy. Tsikaritra tamin'izany fa dia nasika sy nibetroka ireo mpiasa tao sahady ity Ben'ny tanàna vaovao. Fampisehoana ve fa izy ny Patron vaovao sa efa izay izany no endrika asehony amin'ny fomba hifandraisany amin'ny mpiasa sy ny mponin'Antananarivo?
    Lire la suite ...
    • jeudi, 24 septembre 2015 23:19
    • Photo: FB

    Ampanefena – Vohémar: Ankizivavy 13 taona maty voaolana avy nijery rindran-kira

    Tany ampikarohana ireo namany hiara-hody rehefa avy nijery fampisehoan’i Jior Shy tao amin’ny kianja “millennium” Ampanefena Atsimo ity zazavavy kely 13 taona no nifanehatra tamin’ny olon-dratsy, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia 23 septambra tany Ampanefena Vohémar. Vatana mangatsiakan’ilay zaza, miboridana ny tapany ambany, no hitan’ny fianakaviany omaly tamin’ny 5ora maraina, tsy lavitra ny toerana nanaovana fampisehoana. Mahazatra any amin’iny Faritra SAVA iny rahateo ny mijery fampisehoana amin’ny andro alina, na dia efa itrangan-doza matetika aza izany, toy ny tao Sambava tamin’ny alahady teo, nandritra ny fampisehoan’i Jazz MMC, izay naharatrana olona maro rehefa raikitra ny rombo teo amin’ny samy mpijery. Tovolahy iray, 25 taona, efa malaza ratsy amin’ny fanendahana sy vaky trano arahina famonoana olona, no nahiana ho nahavanon-doza ka nosamborina avy hatrany omaly alarobia. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ilehio raha tsy nalaky tonga ny zandary. Natolotra ny Fitsarana any Antalaha izy io, ary notanana am-ponja avy hatrany. Androany no natao ny fandevenana ny nofomangatsiakan’ilay zazavavikely.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 23 septembre 2015 16:51
    • Photo: Net

    Sakaraha : Dahalo valo lahy voasambotra niaraka tamin’ny basy dimy

    Nifanehatra tamina lehilahy valo mampiahiahy ireo miaramila mpampandry tany ao anatin’ny hetsika «Fahalemana 2015» tao an-tanànan’Andromba, Kaominina Amboronanto any amin’ny Distrikan’i Sakaraha izy ireo ny alin’ny alahady teo. Taorian’ny fisavana tsy maintsy natao no nahatrarana basim-borona efatra ary basy poleta vita gasy iray, izay samy tsy nisy taratasy fahazoan-dalana mazava ho amin’ny fampiasana izany. Nosamborina avy hatrany izy valo lahy ary nogiazana ao amin’ny tobin’ny Zandary Sakaraha kosa ny basy tratra teny amin’izy ireo.
    Lire la suite ...
  • Black Nadia
    Black Nadia
    • mardi, 22 septembre 2015 22:56
    • Photo Net

    Resabe momba ny “Kopi-Kolé” : Nitondra fanazavana i Black Nadia

    Niteraka resabe androany tontolo andro ny filazana nivoaka tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray teto an-drenivohitra ny alin’ny omaly alatsinainy fa dia noraran’i Black Nadia tsy hihira ny hirany intsony i Jeannick Espérance. Ity farany no nibata ny amboara tamin’ny fifaninanana “Kopi-Kolé 2015”, ary naka tahaka an’i Black Nadia. Io no resaka tany anaty taxi-be, teny an-dalana, teny an-tsena, tany anaty birao, tamin’ireo antso an-tariby nivantana tamin’ny haino aman-jery teto an-drenivohitra sy tamin’ny tambazotran-tserasera samihafa. Nisy ny nanome rariny an’i Black Nadia fa ny ankamaroany dia nanome tsiny avokoa.
    Lire la suite ...
  • Député Jean Nicolas Randrianasolo
    Député Jean Nicolas Randrianasolo
    • mardi, 22 septembre 2015 16:08
    • Photo: Net

    Tsy nahomby ny fampihavanan’i Dépioté Randrianasolo Jean Nicolas

    Tsy nahomby ny fandamianana saika nataon’i dépioté Randrinasolo Jean Nicolas tany Ianakafy Betroka. Ny Alakamisy sy zoma teo dia nidina tany an-tanindrazany tany amin’ny fonkotany Andriabe izay ao anatin’ny kominin’i Ianakafy, distrikan’i Betroka ny dépioté Randrianasolo Jean Nicolas, saika handamina ny disadisa nisy nateraky ny nahafatesan’i Tsiharagna Retana kandida tsy miankina avy amin’ny fikamban’ny Firaisankina tao Ianakafy nandritra ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo.
    Lire la suite ...
  • Fenoarivo be
    Fenoarivo be
    • samedi, 19 septembre 2015 20:28
    • Photo: Fournie

    Hetsika manokana nataon’ny Zandarimaria Fenoarivobe

    Nahomby ny hetsika ho fandriam-pahalemana nataon’ny Zandary tany amin’ny distrika Fenoarivo be izay notarihin’ny kapiteny RAKOTONARIVO Aromahefa Bernard Tonny, komandin’ny kaompania Fenoarivo be nandrita ity volana septambra ity, ka tratra tamin’izany ny:- basy PA miisa 02 sy bala 9mm miisa 03 ary PA vita gasy miisa 12- basim-borona miisa 15 tsy misy taratasy fahazoan-dalana hitazona izany sy bala 80 isa- basy lava vita gasy miisa 11 Olona miisa 32 no nahatratrarana ireo basy ireo izay efa naiditra am-ponja avokoa.
    Lire la suite ...
  • Adjida Tsiliva
    Adjida Tsiliva
    • vendredi, 18 septembre 2015 12:45
    • Photo: Sobika

    Nolakoan'ny manamboninahitra iray ambonin'ny tafika ny zandary Adjida Tsiliva

    Voaratran’ny Komanda Haja, izay avy ao amin’ny 1er RFI Ivato ny AdjidaTsiliva. Herinandro talohan’ny nahafatesan’ny kapiteny Falihery no nisehoan’izany tao amin’ny efitrano fanaovana karaoke iray ao an-tampo-tanànan’i Betroka. « Noheven’i Komanda Haja ho izaho no Adjida Casmir izay zandrin’i dépioté Randrianasolo Jean Nicolas ka izany no nikasihany tànana ahy » hoy ny fanazavan’i AdjidaTsiliva izay mpamilin’ny zandary ao Betroka.
    Lire la suite ...
  • Filan-kevitry ny varotra
    Filan-kevitry ny varotra
    • vendredi, 18 septembre 2015 09:18
    • Photo: Fournie

    Varotra : Mijoro ny Filankevitry ny Fifaninanana

    Folo taona izay no nandaniana ny lalàna momba ny fifaninanana, ao anatin'ny fitantanana mangarahara sy ny fitantanana mifantoka amin’ny fahazoana vokatra tsara. Tafiditra anatin’ny atrik’asa angaredona 100 andro ny fanorenana ny Filan-kevitry ny fifaninanana. Anisan’ny fanambin’ny Minisiteran’ ny Varotra sy ny Fanjifana ny fananganana izany filankevitry ny fifaninanana izany, araka ny dinik’asan’ny governemanta tamin'ny 13 Martsa 2015.
    Lire la suite ...
Page 69 sur 76
B1 - Polyclinique
B2 - Toa