Vaovao

    • jeudi, 26 octobre 2017 10:34
    • Sary Njaka

    CUA: Miady amin'ny pesta, aleo tara toy izay tsy nanao

    Efa ho roa volana izao ny pesta no nitranga ary mitohy mamono olona 10 isan'andro, raha nifanilika ny mpitondra foibe sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra teo, dia izao vao tapakevitra ny Kaominina Antananarivo fa hanomboka ny fanadiovana faobe izay notarihin’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana mivady. Nisy moa ny fiara manokana fanadiovana arabe izay ampiasaina amin'izany. Hatreto aloha na ny foibe na ny Kaominina dia tsy manana paika amadihana izany fako izany ho lasa angovo na zezika fa dia asa vonjy maika sy vonjy tavan'andro lava, ka dia afindra eny Andralanitra fotsiny ireo fako sy ny aretina miaraka amin'izany. Nilaza moa ramatoa Ben'ny Tanàna fa mila mandoa hetra ny mponin'Antananarivo raha mila fiara hafa entina anadiovana ny Tanàna.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 25 octobre 2017 15:30
    • Sary Sobika Vangaindrano

    Ampasimalemy: Tsy mazoto miasa any ireo mpitsabo

    CSB II ao amin'ny Kaominina ambanivohitr'i Ampasimalemy, tsy mazoto ireo mpitsabo miasa any na dia akaiky ny renivohitry ny Distrikan'i Vangaindrano fa misy bibilava miseho. Nisy ny fombafomba malagasy nataon'ireo raiamandreny ara-drazana mba handroahana izany bibilava izany ary mba tsy hisehoany intsony ny herinandro lasa teo, izay natrehan'ny solontenam-pokonolona, ny Ben'ny Tanàna ary ny Médecin Inspecteur ao Vangaindrano. Mangataka ary ireto solontenam-pokonolona mba hametrahana mpitsabo eto amin'ny CSBII Ampasimalemy ary nanome toky fa hiaro izay mpiasan'ny fahasalamana miasa eo.    
    Lire la suite ...
    • mercredi, 25 octobre 2017 07:08
    • Sary Sobika Mahajanga

    Tsararano Mahajanga: Tovolahy 18 taona maty voafira famaky tamin'ny lohany

    Manjavozavo ny zavatra tena nitranga ny alatsinainy 23 oktobra alina tokony ho tamin'ny 10 ora teny Tsararano Nosikely. Tsy misy mahalala ny tena nitranga marina. Andaniny, tovolahy iray 18 taona no maty nokapaina famaky ny lohany. Ankilany kosa lehilahy 2 maratra mafy eny amin'ny hopitaly Androva, ny iray voafira meso (antsy) ka tsy nahatsiaro tena nandritra ny nahatongavany teny amin'ny hopitaly. Araka ny fitantaran'ireo naratra ireo, dia mpanendaka niharan'ny fitsaram-bahoaka ilay namoy ny ainy. Nisy olona niantso vonjy teny amin'ny fokontany Tsararano ka novonjen'ny mponina teny amin'ny manodidina. Raikitra ny fifanenjehana, namaly ilay jiolahy ka izay no namparatra azy roalahy ireto. Tsy hain'izy ireo intsony izay zava-nitranga taorian'izay.
    Lire la suite ...
    • mardi, 24 octobre 2017 22:48
    • Sary Sobika Mahajanga

    Mahajanga: Voasambotra i Daniel, kalazalahy amin'ny vaky fasana

    Voasambotry ny Fokonolona tany amin'ny Fokontany Ampahazony ity tovolahy ity, ny alatsinainy 09 oktobra 2017. Nampiahiahy ireo mponina tany an-toerana izy noho ireo fitaovana nentiny toy ny lapika, lapelina, gony sns. Notazonina tao amin'ny biraon'ny Kaominina izy avy eo. Naharay fitarainana ny Zandary fa nisy fasana miisa telo vaky tany Marosereza amin'ny Fokontany Ankazomenavony-Belobaka. Rehefa natao ny fanadihadiana dia i Daniel no namaky ny fasana. Notazonina teny amin'ny tobim-paritry ny Zandary teto Mahajanga izy ny alin'ny 11 oktobra nifoha 12 oktobra saingy nitsoaka. Nitohy ny fikarohana ka tratra omaly alatsinainy 23 oktobra tany amin'ny fokontany Ambondrona i Daniel. Natorony nony avy eo ny toerana nasiany ireo taolam-paty milanja 10 kilao. Vao hitadiavana mpividy ireto taolana ireto raha ny nambarany nandritra ny famotorana.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 23 octobre 2017 22:37

    RN4: Nametrahana “barrage sanitaire” eny Marovato Belobaka

    Ho fanamafisana ny fiarovana sy ny ady atao amin'ny fiparitahan'ny valanaretina pesta dia nasiana “barrage sanitaire” eny Belobaka izay toerana fanaovana fanaraha-maso ireo fiara miditra sy mivoaka ny lalam-pirenena faha 4 aty Mahajanga. Na ny zotra nasionaly, na ny rezionaly na fiaran'olontsotra dia tsy maintsy mandalo fizahana avokoa. Fizahana maripana amin'ny alalan'ny “thermomètre infrarouge” no atao mandritra ny fizahana. Mampanano sarotra ny fampiasana ity fitaovana ity noho ny tsy fahafantaran'ny ankamaroan'ny olona azy ity ka atahorany, indrindra ireo avy any ambanivohitra. Tsy ampy ny fanentanana sy ny fampahafantarana ka mandà ankitsirano tsy ho tsirihina ny sasany.
    Lire la suite ...
    • lundi, 23 octobre 2017 13:57
    • Sary Sobika Mahajanga

    Mahajanga: Niverina an-tsekoly ireo mpianatry ny Sekoly Katolika

    Nanomboka androany alatsinainy 23 oktobra 2017, dia niverina an-tsekoly ireo sekoly Katolika sy sekoly tsy miankina sasantsasany eto Mahajanga tampon-tanàna. Nanazava ireo mpitantana Sekoly nampiditra mpianatra ireo fa any ampianarana dia voafehy kokoa ireo mpianatra noho ny lasa mirenireny mandritra ny tsy maha eo ny ray aman-dreny fa lasa miasa. Nahoana ireo mpiasa marobe any amin'ny orin'asa hoy izy ireo no manohy miasa, sa ve fialana andraikitra hilazana fotsiny fa tsy tany am-pianarana no nahazoana ny aretina. Ambonin'izany, tafiditra fatiantoka izy ireo satria tsy maintsy handoa karaman'ny mpiasa sy ny mpampianatra kanefa ireo ray aman-dreny tsy manaiky handoa ny saram-pianarana volana oktobra raha tsy mbola miverina ny fampianarana. Iza hoy izy ireo no iantoka izay karaman'ny mpampianatra izay? Tsy nanaiky io fanapahan-kevitra io ny Prefen'i Mahajanga sy ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena ka nampiantso fivoriana vonjimaika niarahana tamin’ireo talen-tsekoly rehetra. Nafana ny adihevitra tao amin'ny biraon'ny Préfet niaraka tamin'ny DREN, CISCO ary ny komity miady amin'ny pesta izay naharitra ora telo.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 22 octobre 2017 17:54
    • Sary MEN

    Resabe momba ny fiverenana an-tsekoly: Manazava ny minisitra Paul Rabary

    “Tamin-kahalalahana tanteraka no nandraisan’ny DIDEC na ny fikambanan'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin' Antananarivo ny fanapahan-kevitra hampiditra ny mpianatra ao aminy manomboka ny 25 oktobra, fa tsy amin’ny 06 novambra araka ny toromarika nomen’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Noho ny mbola fisiana trangana pesta amin’ny faritra maro eto amin’ny firenena ka anisan’izany ny Renivohitra dia aleon’ny ministera mandray ny fepetra rehetra iarovana ny ankizy mba tsy ho tratry ny pesta eny anivon’ny sekoly, eny na mihemotra hatrany ary ny fidirana mianatra.
    Lire la suite ...
    • samedi, 21 octobre 2017 21:21

    Ambatoboeny: Masiaka ny dahalo

    Nitrangana fanafihana mitam-basy tao amin'ny Fokontany Amboanio ao Madirovalo, Distrika Ambatoboeny tamin’ny alarobia 18 oktobra lasa teo. Dahalo vitsivitsy no nanafika io tanàna io ka lasan’izy ireo tamin’izany ny omby miisa 10, izay an’ny Lehiben’ny Fokontany ; naratra vokatr'izany ny zanak’ity farany ary novonoin'izy ireo tamin’ny basy ilay Lehiben’ny fokontany. Natao ny fanarahan-dia ka omby 5 no azo fa ny ambiny nanjavona niaraka tamin’ireo jiolahy.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 21 octobre 2017 14:49
    • Sary Sobika Mahajanga

    Mahajanga: Fotoam-pivavahana fanomezam-boninahitra an’i Pr Zafy Albert

    Vita soa amantsara, ny maraina teo, tao amin’ny Tranoben’ny Kolontsaina (MCM) ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana natokana ho fanomezam-boninahitra sy fiaraha-miory amin’ny fianakavian’ny filoha teo aloha Pr Zafy Albert. Ny mpino Silamo sy ny FFKM no niara-nanatontosa io fotoam-pivavahana io izay niatomboka tamin’ny famakian’ny Lehiben’ny Faritra Boeny, SAID Ahamad Jaffar, ny tantaram-piainan’i Pr Zafy Albert. Tonga nanotrona ireo raiamandreny eto Mahajanga sy ny tompon’andraiki-panjakana maro izay notarihin’ny Prefen’i Mahajanga. Nametrahana fahitalavitra ihany koa teo ivelan’ny Lapan’ny Tanànan’i Mahajanga izay mandefa tsy ankiato ny fandaharan’ny TVM raha ohatra ka mandeha mivantana ny lanonam-pandevenana avy any Ambilobe, sy ny tantaram-piainan’ny profesora.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 18 octobre 2017 22:45
    • Sary Njaka

    Antananarivo Renivohitra: Mitsipaka ny OMAVET ny Taxi

    Natao io harivan'ny alarobia 18 oktobra io ny fihaonana teo amin'ireo mpamily fiara karetsaka sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, izay notarihan'i Ben'ny Tanàna Lalao RAVALOMANANA. Nitsipaka ny fisian'ny OMAVET ny avy amin'ireo Taxi, izay notarihin'i ramatoa Clémence, filohan'ny sendikan'ny Taxi. Tsy nisy ny marimaritra iraisana ka dia nivoaka ny trano ireo mpitatitra Taxi, ka nianjaka irery teo ny Ben'ny Tanàna sy ny mpiara-miasa taminy. Raha namory ny mpanao gazety teo ivelan'ny lapan'ny Tanàna anefa ireto Taxi dia tampoka teo dia noentina nirifatra niala ny faritra i ramatoa Clémence noho ny antony tsy dia fantatra loatra. Nisy ve ny didy ampisambotra azy?  
    Lire la suite ...
Page 7 sur 86
B1 - Polyclinique
B2 - Toa