Vaovao

    • mercredi, 14 octobre 2015 10:29
    • Photo: Fournie

    Otrikafo : Manameloka ny nanomezana ny vahiny nyJIRAMA, sy ny Air Madagascar

    Manameloka ny nanomezana ny vahiny ny fitantanana ireo orinasam-panjakana iankinan’ny aim-pirenena sy ny fiandrianany, ny JIRAMA, sy ny Air Madagascar izay vao nanendrena Tale jeneraly Kanadiana indray ny Otrikafo sy ny FLN (Vava-ady ho fanafaham-pirenena).
    Lire la suite ...
    • lundi, 12 octobre 2015 13:02
    • Photo: Net

    Fampivondronana ireo Ben’ny tanàna : Tsy nitana ny teniny ny Fanjakana

    Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra tamin’ny 23 septambra 2015, araka ny tolo-kevitry ny ministeran’ny Ati-tany sy ny fanapariaham-pahefana fa hotanterahina ny 12 ka hatramin’ny 14 oktobra 2015 ny fampivondronana ireo Ben’ny tanàna voafidy manerana ny Nosy. Miisa 1695 ireo Kaominina eto Madagasikara, ny 19 amin’ireo ihany no tsy mbola manana Ben’ny tanàna voafidy, satria haverina amin’ny 13 novambra 2015 ny fifidianana tany amin’ireo Kaominina ireo.
    Lire la suite ...
  • Saika ho sakoroka teo amin'ny Lapan'ny Tanàna Mahajanga
    Saika ho sakoroka teo amin'ny Lapan'ny Tanàna Mahajanga
    • vendredi, 09 octobre 2015 19:39
    • Photo: Sobika Mahajanga

    Lapan’ny tanànan’i Mahajanga : Nanakorontana ny «gros bras», niditra an-tsehatra ny Emmo-Reg

    Nisavorovoro vao maraina tao amin’ny Lapan’ny tanànan’i Mahajanga androany zoma 9 oktobra. Nisy andiana be sandry tonga, hanakana ny hanatanterahana ny famindram-pahefana eo amin’ny PDS Maeva Houssen Portos sy ny Ben’ny tanàna vaovao Andriantomanga Mokhtar Salim.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 09 octobre 2015 14:35
    • Photo: Njaka

    HAFARI Malagasy sy ny SYKARA

    Nanao fifanaraham-piara-miasa momba ny fanorenana tanàna vaovao ao Ampitolova, commune Rurale Belobaka, Mahajanga II ny HAFARI Malagasy sy ny SYKARA (Sehatra Ifandraisana Katsahana Rariny).   Ny tanjona amin'izany dia mba hananan'ny Malagasy tany misoratra amin'ny anarany sy hampandray ny isam-batan'olona ny ho aviny ary hampiasa ny herim-pony ho an'ny fianakaviana sy hamorona asa hamelomany ny ankohonany mba ahafahana manangana Fanjakana matanjaka. Olona eo amin'ny 500 eo ho eo no andrasana amin'izany, ary ankoatra ity, Antsirabe indray ny tanàna manaraka.
    Lire la suite ...
  • Lalao Ravalomanana
    Lalao Ravalomanana
    • jeudi, 08 octobre 2015 22:10
    • Photo: Fournie Archives

    Didim-pitondrana voalohany noraisin'i Ben'ny Tanàna vaovao CUA

    Fanambarana Araka ny didim-pitondrana Monisipaly laharana 001-CUA/CAB-15 nivoaka ny 8 Oktobra 2015
    Lire la suite ...
  • Ireo ody ratsy hita tao an-tranon'ilay olon-dratsy
    Ireo ody ratsy hita tao an-tranon'ilay olon-dratsy
    • jeudi, 08 octobre 2015 21:50
    • Photo Sobika Ambatondrazaka

    Bejofo - Ambatondrazaka : Mirongatra ny aretina ambalavelona

    Mahatratra 9 ankehitriny ireo ankizy voan’ny ambalavelona any amin’ny fokontany Ambohitrandriana Marihivana kaominina Bejofo distrika Ambatondrazaka. Ankizy vavy 11 hatramin’ny 17 taona izy ireo. Manonona anarana olona iray eo an-tanàna izy ireo rehefa mihetsika, olona malaza ho mpanao ody ratsy. Rehefa nandeha hizaha io olona io tao an-tranony ny Tangalamena tao an-tanàna dia efa tsy tratra tao izy fa nitsoaka tany Ambatondrazaka.
    Lire la suite ...
  • Topokolahy Kapiteny Falihery
    Topokolahy Kapiteny Falihery
    • jeudi, 08 octobre 2015 17:42
    • Photo: Njaka Archives

    Famonoana ny kapiteny Falihery : Nafindra toerana ireo voampanga

    Vaovao nanaitra tao anivon’ny kompanian’ny Zandary ao Betroka. Nahazo famindra-toerana ny zandary folo eo anivon’ny kompania ka anisan’izany ny adjida Tsiliva. Ny Adjida sefo Casmir ihany koa dia efa nahazo fanampahan-kevitra fa hafindra anyToliara raha toa ka aty amin’ny toby Ratsimandrava no hamindrana ny adjida Tsiliva. Ireo zandary roa ireo dia anisan’ny nahazo fiantsoana eny anivon’ny fampanoavana ao amin’ny tribonalin’i Betroka niaraka amina sivily roa momba ny raharaha namonoana ny kapiteny Falihery komandin’ny kompanian’i Betroka teo aloha.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 07 octobre 2015 17:41
    • Photo: Sobika

    Antsirabe : Vehivavy taizan-dry masera nitsoaka, hita faty androany

    Vehivavy mpirenireny iray efa somary nahazoazo taona no hita faty tao Andranomandevy-Antsirabe androany alarobia tokony ho tamin’ny 1 ora tolakandro teo. Hitan'ny olona nitsirara teo akaikin'ny Tsenan'ny Tantsaha izy saingy efa tsy nanataitra ny olona satria efa mahazatra ny maro ny mahita azy mitsirara na mianjera nohon'ny alikaola diso tafahoatra, izy rahateo tia misotrosotro. Nisy gaga ihany anefa rehefa nahita ilay ramatoa tsy mihetsika intsony.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 07 octobre 2015 17:15
    • Photo: Fournie

    Fanabeazana : 55 mianaka afaka tamin’ny habadoana

    Olon-dehibe 16 ka hatramin’ny 50 taona, niisa 55 no indray afaka tamin’ny habadoana tao amin’ny Distrika Mandoto ka navoakan’ny PFA Caritas Antsirabe, ny faran’ny herinandro teo, rehefa avy nofanina nandritra ny 2 taona tamin’ny alalan’ny fampianarana ora 2 isan’andro. Tafiditra tamin’ny hetsika fankalazana ny andro hiadiana amin’ny habadoana ny fotoana namoahana ireto olon-dehibe ireto, izay nomarihina tamin’izany ihany koa. “Fahaizan-taratasy sy ny fiaraha-monina maharitra”, ny lohahevitra nentin’ny Diosezin’Antsirabe nankalazana ity Andro hiadiana amin’ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra tao Vakinankaratra ka ny Caritas Diosezin’Antsirabe sy ny PFA na ny Fampivoarana ny fianakaviana amin’ny ady amin’ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra moa no tompomarika tamin’ity fankalazana ity. Notolorana fitaovam-pianarana ireto olon-dehibe ireto, ankoatry ny marim-pahaizana nomena azy ireo. Raha ny fanazavana nomen-dRtoa Rakotomanga Anie, tompon’andraikitra eo anivon’ny Caritas diosezy Antsirabe dia narisika tamin’ny fianarana namaky teny sy nanoratra ny olona tany an-toerana. Tany am-piandohana mantsy dia 30 mianadahy ireo niofana saingy izao tafakatra ho 50 mahery izao. Namafisiny fa efa vinan’ny diosezin’Antsirabe ny ady amin’ny fahabadoana eo amin’ny olon-dehibe satria hita miharihary ary tsapan’ireo olona rehetra nahazo tombontsoa fa tena antoky ny firindran’ny fiaraha-monina sy ny fampandrosoana ny fahaizana mamaky teny sy manoratra.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 07 octobre 2015 10:59
    • Photo: Njaka

    Mamono zanaka fa mahantra ?

    Tena efa misy mamono ny feon'ny fieritreretany sy mamono ny taranany ny Malagasy. Eny amin'ny faritra iva no tena ahatsapana izany matetika ka tranga iray manaporofo izany ny nahitana ny maraina teo fatin-jazakely menavava izay tsy manan-tsiny narian-dreniny teny Ambalavao Isotry.   Anisan'ny tena nahafatarana an'i tompokovavy Nadine Ramaroson, Minisitry ny Mponina teo aloha ny fahaizany nitsinjo ireo vahoaka sahirana na dia nandalo fahantrana sy fahasahiranana aza ny fanjakana Tetezamita. Izany no mba andrandraina amin'ny tompo-toerana ankehitriny fa tsy ny fitanisana fotsiny ny fihetsem-po tamin'ny fahitana ny Filoha Barack Obama sy ry Vladmir Poutine ary ry Angela Merkel nikabary tany amin'ny fivorian'ny Firenena mikambana.
    Lire la suite ...
Page 59 sur 68
B1 - Polyclinique
B2 - Toa