Vaovao

    • dimanche, 26 juillet 2015 18:43

    Toliara : Zazakely napetra-dreniny tao ambany fiara mpanao propagandy

    Taitra ireto andian-jatovo ka nihoraka nahita zazakely iray sahabo ho iray taona sy tapany eo, nigogogogo nitomany nisy nametraka tao ambany kamiao nitondra mpanao propagandy, ny sabotsy tolakandro, tany Toliara.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 23 juillet 2015 21:34

    Trangam-piainana : Avy namonjy propagandy dia maty

    Raim-pianakaviana iray 37 taona, efa nisara-bady manan-janaka telo, no matin’ny toaka be loatra nosotroiny androany maraina tao Toliara. Raha ny fanazavan’ny fianakaviany dia mamo tampina ity lehilahy namoy ny ainy ity niditra ny trano, rehefa avy namonjy fampielezan-kevitra. Dia samy natory ny alina. Akory ny hatairana raha naraina ny andro, fa nofohazin’ny havany izy nefa tsy namaly. Nosokafana ny tranony, izy niankohoka sady tsy nisy aina intsony novantanina. Nanamafy ny havany fa tsy namono tena araka ny resaka mandeha noho ny famoizam-po ity lehilahy ity. Voalaza mantsy fa tsy nisakafo tao amin’ny reniny toy ny isan’andro izy, fa avy hatrany dia nandeha natory ity namoy ny ainy.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 23 juillet 2015 21:27

    Akademia Miaramila : Hamoaka manamboninahitra miisa 77 ka teratany vahiny ny 3

    Hamoaka manamboninahitra miisa 77 indray ny ACMIL na ny Akademia Miaramila ny zoma 24 jolay 2015 ka ny 67 amin’ireo dia ireo mpianatra niditra nivantana andiany faha-36, ka vehivavy ny 6 amin’izy ireo, ary ny 10 kosa dia ireo andiany manokana niofana nandritra ny 9 volana. Hanomboka amin’ny 10 ora ny lanonana ara-miaramila ka ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Hery Rajaonarimampianina no hiahy an’izany.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 23 juillet 2015 21:13

    Betania Toliara : Tranona mamanontena nisy nandoro

    Tranona ramatoa iray maty vady ao Betania Toliara no nisy nandoro halina, ka may kila forehitry ny afo lasa lavenona tsy nisy noraisina ny entany rehetra mitentina an-tapitrisany maro. Ny zanany izay mifanila trano aminy ihany no nanaitra azy tamin’ny torimasony, nivoaka raha nandre fofon-tsetroka. Hagagana ny an’ilay ramatoa mbola rendreman’ny torimaso raha vao nivoaka ny tranony nahita filedaledan’ny afo, ka niantso vonjy. Efitra telo tao an-trano misy entana sarobidy no tena levon’ny afo. Efa misy olona ahiahiana nanao ny ankasomparana, hoy ny niharam-boina. Misokatra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 19 juillet 2015 14:42

    Angovo azo avaozina

    Tonga tamin'ny asabotsy lasa teo tetsy amin’ny « Résidence » ‘ny Faritra Vakinankaratra ny fitaovana iray « conteneur » hamatsiana herinaratra amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro ho an’ny kaominina Soanindrariny, Ambatomena, ary amin’ny faritra misy an’i Tsarahonenana Sahanivotry.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 19 juillet 2015 14:37

    Amborovy – Mahajanga : Zazalahy 12 taona maty dobo-drano

    Ankizilahy 4 izy ireo no niara-nilalao teo amoron-dranomasina avy eo niaraka nidina nilomano rehefa iny mafana iny ny andro. Tonga tampoka ny loza, dobo an-drano ny iray tamin’ireo ankizy ireo satria dia lasa tao anatin’ny lalina izy no nilomano. Raha ny fanazavan’ireo namany dia tsy mahay milomano ilay zazalahy 12 taona saingy nahita ireto farany niditra tao anatin’ny ranomasina izy dia roboka ihany koa kinanjo, tany dia tsy niverina. Niezaka nitady azy ireo mponina manodidina ary naharitra ora maro vao hita ny razana. Mbola mianatra ity zazalahy niharan-doza ity ary tsy mponina ao amin’ny Fokontany Amborovy fa nanara-dia ny namany milalao rehefa faran’ny herinandro.
    Lire la suite ...
  • Chef d’Escadron Tsiketa Janvier Parfait
    Chef d’Escadron Tsiketa Janvier Parfait
    • jeudi, 16 juillet 2015 15:34
    • Photo:sobika Toliara

    Toliara : Mpampianatra nanolana ankizivavy 6 taona

    Lehilahy iray 35 taona, mpampianatra, monina sy miasa any any Ankaraobato Kaominina ambanivohitra Milenaka, Distrikan’i Toliara II sendra nivahiny tamin’ny namany tao Betania Toliara no nanolana zazavavy vao 6 taona monja, izay zanaky ny olona nivantanany ihany, ny alin’ny zoma teo. Ny silipon’ilay zaza feno rà vao maraina no nanaitra ny renibeny. Ity farany avy eo no nampilaza ny olona tao an-trano ny zava-nitranga. Rehefa nofotorana ilay zaza dia niteny fa ilay mpampianatra no nanao filan-dratsy sy fomba mamohetra taminy. Taorian’ny fizahana nataon’ny dokotera dia hita fa simba tanteraka ilay zaza. Ny talata teo no natolotra ny Fitsarana ity ramose mpanolana, ka nidoboka am-ponja vonjy maika.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 16 juillet 2015 14:34

    Oniversiten’i Maninday : Nisy taolam-paty tapa-gony hitan’ny mpianatra

    Saika hatao inona ? Taolam-paty tapa-gony no hitan’ny mpianatra androany vao naraimbe tany Maninday Toliara. Raha ny fanazavana azo dia nisy nametraka teo akaikin’ny trano fonenan’ny mpianatry ny oniversite «bloc Palestine» ireto taolam-paty. Taitra ny andiana mpianatra nahita gony hafahafa teo an-tokontany ka rehefa nosavaina ny tao anatiny dia taolam-paty. Nampandre haingana ny Fokontany izy ireo ary ireto farany kosa niantso ny mpitandro filaminana. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana dia nisy nametraka teo alim-be ireo «saphir blanc» ireo. Misokatra ny fanadihadiana. Tato ho ato manko raha ny vaovao samihafa voaray dia lasa fieren-jiolahy sy lapan’ny asa ratsy ny ao Maninday. Lasa ihany ny sain’ny mpanara-baovao dia ho sanatria ve misy amin’ireo mpianatra no mibizina taolam-paty manararaotra ny tsy fianarana amin’ny fitokonan’ireo mpampianatra mpikaroka avy ao amin’ny SECES izao ?
    Lire la suite ...
    • jeudi, 16 juillet 2015 10:53

    EPP Ampasambazimba : Ankizy 400 no hiverina hirenireny

    Vokatry ny fahasimban’ny EPP Ampasambazimba Ambatondrazaka dia ankizy 400 no very zo tsy afaka ny hianatra intsony amin’ny taona ho avy. Very fanahy mbola velona ireo Ray aman-dreny. Trano nofaina no nampiasaina tamin’ity taona ity ary halain’ilay tompony izany amin’ny taom-pianarana 2015-2016. Raha tsy voavaha hatramin’ny volana oktobra ny olana dia hiverina hirenireny sy hiambina omby ireo ankizy 400 nanovo fahaizana tao amin’ny EPP Ampasambazimba.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 15 juillet 2015 09:51

    FANAFIHANA TAO TSARATANANA : Polisy iray no maty, iray naratra mafy

    Polisy roa lahy no niambina mpandraharaha iray tao Tsaratanana hiakatra an-tananan-dehibe ny alatsiniainy teo. Nitondra vola an-tapitrisany maro ity mpandraharaha volamena ity izay hividianana entana. Tsy lavitra ny tananan'ny Tsaratanana anefa izy ireo dia efa nanara-dia azy ireo ireto jiolahy. Fotoana fohy taoriana io dia nitifitra ireo dahalo, ka dia voatifitra teo amin’ny tanany ny polisy iray niaraka tamin’ilay mpandraharaha. Namaly tifitra hatrany ireto polisy roa lahy ireto niaro-tena saingy tsy afaka nanohitra intsony fa lany ny bala. Nisavoritaka ilay mpandraharaha nandritra ny sakoroka ka tsy hita intsony ny azo noraisina. Niezaka nitsoaka ireto farany fa saingy nitifitra hatrany ireo dahalo. Voatifitra avokoa ireo polisy roa lahy ireo. Ny iray no voa teo amin’ny kibony ka nitarika ny fahafatesany. Iray niaraka tamin’ilay mpandraharaha dia afaka nitsoaka tany anaty kirihitra ala.
    Lire la suite ...
Page 52 sur 53
B1 - Polyclinique
B2 - Toa