Vaovao

    • lundi, 04 juin 2018 18:18

    Oniversiten'i Mahajanga: Mizotra ny fampianarana

    Nanao fanambarana manoloana ny mpanao gazety teto Mahajanga ny mpianatry ny oniversite, izay nosoloin'ireo filohan'ny fikambanana isan-tokony tena ny maraina teo teny amin'ny Campus Ambondrona. Miantso ny tompon'andraikitra aty an-toerana sy ny mpitantana ny oniversite ireto mpianatra ireto mba hijerena izay marimaritra iraisana mahakasika ny fizarana ny trano sy ny raharaha CODIS.
    Lire la suite ...
    • samedi, 02 juin 2018 19:29
    • Sary nomena

    Mitsinjo - Boeny: Tsy hita popoka ireo fitaovana informatikan’ny CISCO

    Ordinatera sy fitaovana miisa folo mahery sy fitaovana toy ny “imprimante”,... no nanjavona. Efa natao ny fitsirihana sy fanamarinana ny fahabangana niarahana tamin’ny lehiben’ny Distrikan’i Mitsinjo, ary nanaovana tatitra nalefa amin’ny ambaratonga ambony mifehy ny fanabeazam-pirenena ato amin’ny faritra Boeny.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 01 juin 2018 22:49

    Amparafaravola: Telo andro tao anaty haizina

    Mikorontana ny famatsiana jiro amin’ireo renivohitry ny Distrika sasany aty Alaotra Mangoro. Teto Ambatondrazaka izao, dia tapaka nanomboka tamin’ny 5ora maraina ny herinaratra ary tsy niverina izany raha tsy tamin’ny 4ora tolakandro ity zoma 1 jona 2018 ity.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 31 mai 2018 08:15
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Faritra SAVA: Hanao “Opération” lehibe ny Zandarimariam-pirenena

    Hanomboko ny 31 may 2018 ny “Opération” ho fampandriana fahalemana momba ny lavanila amin’ireo kaominina miisa 86 ato amin’ny Faritra SAVA, hoy ny Komandin’ny Vondrotobim-pileovan’ny Zandarimaria SAVA Lieutenant-Colonel Besoa Sirnot. Ho fanohanana ny “Opération” goavana ataon’ireto mpitandro filaminana ireto, dia nanolotra fiara tsy mataho-dalana miisa efatra ny vondron’ny mpandraharaha lavanila GPAS (Groupement des Préparateurs Acheteurs de vanille SAVA). (Jereo sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 29 mai 2018 20:48
    • Sary nomena

    Lapan’i Tsimbazaza: Seminera momba ny zotram-pifidianana

    Tanterahina eny amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza nanomboka androany talata 29 mey 2018 ny seminera momba ny zotram-pifidianana iarahana amin’ny APF (Assemblée Parlementaire de la Francophonie). Haharitra roa andro ity seminera ity, izay andraisan’ny Loholona sy ny Solombavam-bahoaka anjara. Tanjona ny mba hahafahan’ny Parlemantera Malagasy mahafantatra ny zava-misy marina mahakasika ny fanomanana sy izay tsy maintsy atao amin’ny fifidianana manerana ny tany miteny ny teny frantsay, eo koa ny fifanakalozan-kevitra ka hahafantarana ny zava-misy eto Madagasikara mba hahafahana mifanome tànana sy hifanampiana.
    Lire la suite ...
    • lundi, 28 mai 2018 15:37

    Ikalamavony: Olona miisa 15 no matin’ny dahalo hatramin’ny fiandohan’ny taona 2018

    Sesilany ny fanafihan-dahalo ato Ikalamavony tampon-tanàna sy amin’ireo tanàna sy Kaominina manodidina hany sisa manana omby. Mitondra basy mahery vaika ireo dahalo manafika ary tsy misalasala mamono, mampiomana mialoha mihitsy aza izy ireo rehefa ho avy, mihantsy mpitandro ny filaminana nefa dia misy Kaompania miaramila Holafy 219 sy Borigadin’ny Zandary raha eto Ikalamavony. Hatramin’ny 14 janoary 2018 ka hatramin’izao 28 may 2018 izao dia mahatratra 15 ireo Fokonolona maty novoin’ny dahalo. Omby aman-jatonjatony no very.
    Lire la suite ...
    • lundi, 28 mai 2018 12:06
    • Sary nindramina

    Fizahantany: Hisy zotra roa vaovao hampifandray an’i Nosy Be amin'ny any ivelany

    Nivoitra io nandritra ny fandalovan’ny minisitry ny fizahantany Roland Ratsiraka teto Nosy Be tamin'ny zoma 25 marsa 2018 . Taorian'ny zotra trandrahan’ny kaompania Ethiopian Airlines, izay mampifandray an’i Ethiopie-Comores ary Nosy Be dia fantatra ihany koa izao fa hisokatra ny zotra Maurice-Nosy Be ary Pologne-Nosy Be. Mpizahatany manodidina ny 100.000, entin'ireny sambo goavana ireny na Paquebot ireny no andrasana eto Madagasikara amin’ity taom-pizahantany 2018-2019 ity, handalo eto Nosy Be, Antsiranana Toamasina ary Tolagnaro. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 26 mai 2018 21:51

    Doany miarinarivo efadahy manankasina Mahajanga : Tsy tafapetraka ny Ampanjaka vaovao

    Ny maraina teo no fotoana voatondro fa hametrahana ny Ampanjaka vaovao, Rasamimanana sy ny Fahatelo izay hiara-hiasa aminy hitantana ny Doany eny Tsararano, saingy tsy tontosa izany. Rehefa hiditra tao amin'ny toerana tokony hisy azy tao amin'ny valamena dia tsy hita ny fanalahidy fa nogiazan'ny mpiara-dia amin'ny Ampanjaka Soamody izay nesorina tamin'ny toerana maha mpanjaka azy.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 25 mai 2018 18:11
    • Sary Gasypatriote Ambalavao

    Teloambinifolo - Ambalavao: Nahazo fotodrafitrasa arifomba

    Notanterahina tamin'ity zoma 25 mey ity ny fitokanana trano fianarana misy efitrano telo eo amin'ny EPP Teloambinifolo. Fiaraha-miasa amin'ny tetik'asa Ny Tanintsika ary famatsiam-bola Feedback Madagascar no nazahoana izany. Naorina tamin'ny 2016 io trano fianarana io mba hanatevina ny teo an-toerana hatramin'ny taona 1967 niorenany.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 25 mai 2018 10:48
    • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

    Fianarantsoa: Disadisa momba ny ambin-tany nanorenana trano mora

    Manohitra ny vinan'asa ataon'ny olom-bitsy amin'ny ambin-tany nanamboarana ny trano mora ny Fokonolona eo Ambatolahy V - Andrainjato. Mitombo ny herin'izany fifanoherana izany ankehitriny noho ny famariparitana sy fanombohana asa famefena atao amin'io tany voalaza io. Milaza fa nahazo alalana tamin'ny tetik'asam-panjakana ANALOGH (Agence Nationale d'Appui au Logement et à l'Habitat) mba hanao fanorenana fotodrafitrasa eo an-toerana ny olom-bitsy voalaza etsy ambony. Fantatra tamin'ny loharanom-baovao azo antoka anefa fa tsy naniraka olona na nanome fahefana hanao izany velively io tetik'asa ara-panjakana nanankinana ny asa fanorenana trano mora io.
    Lire la suite ...
Page 6 sur 107