Vaovao

    • jeudi, 19 avril 2018 14:12
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Antsirabe: Lehilahy iray gadralava maty notifirin’ny mpitandro filaminana

    Lehilahy iray, 40 taona eo ho eo, no maty notifirin’ny mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Antanambao Est Ivohitra, Kaominina Antsirabe ambonivohitra, ny alin’ny alarobia 18 aprily 2018, tokony ho nanodiina ny tamin’ny 8 ora, Jiolahy efa nokarohina hatramin’ny taona 2010 ity lehilahy ity, raha ny angom-baovao teny anivon’ny Fokontany, satria voarohirohy amina fanafihana ny tenany no gadralava.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 19 avril 2018 12:54
    • Sary Gasypatriote Toamasina

    Port Toamasina: Vary 1.000 kaontenera tsy alain’ny tompony, efa lo ny ampahany maro

    Kaontenera miisa 2.194 no mihitsoka eo anivon’ny orinasa MICTSL. Tonga namantatra ny zava-misy marina mahatonga izany, izay mampitaraina sy miteraka fatiantoka ho an’ny mpandraharaha sy ny mpitatitra ary ireo mpisahana famoahana entana (Transitaires) ny delegasionan’ny governemanta notarihin’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier ny alarobia 18 aprily. Nambaran’ny Tale jeneralin’ny seranantsambon’i Toamasina (SPAT), fa misy vary 1.000 kaontenera mihitsoka eo anivon’ny MICTSL tsy avoakan’ny tompony nefa efa nandoavana haba sy hetra.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 18 avril 2018 16:33
    • Sary nomena

    Tsaratanana: Tafakatra 30 ireo mpianatra voan’ny ambalavelona, manakatom-baravarana avokoa ireo sekoly

    Sahiran-tsaina ireo ray aman-drenin’ny mpianatra eto Tsaratanana, miparitaka indray ny aretina ambalavelona.  Mbola tsy sitrana akory ny fery navelan’ny dahalo dia io indray ny ambalavelona tonga eto Tsaratanana, Faritra Betsiboka. Lasibatra avokoa na ny mpianatra amin’ny sekoly tsy miankina na ny amin’ny sekolim-panjakana (CEG). Nandritra izay andro vitsivitsy nisehoany izay dia tsy mitsaha-mitombo ireo voa. Mitovitovy avokoa ny fisehony : mahery fihetsika ilay ankizy, mikiakiaka sy mitomany, avy eo manonona anaran’olona sy ny antokom-pinoana misy azy ireo ihany koa, izay lazainy fa naniraka azy.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 18 avril 2018 08:31
    • Sary Gasypatriote Mahajanga

    Mahajanga: Mpianatra hita faty nihantona

    Vatana mangatsiaka nihantona tamin'ny tady teo amin'ny “cerceau” ny kianja filalaovana basiketin'ny sekoly Ziona Vaovao Mahajanga no hitan'olona sendra nandalo ny talata 17 aprily tokony ho tamin'ny valo ora alina. Mpianatra ao amin'ny lisea Ziona Vaovao ihany ity tovolahy ity, izay vao 23 taona monja, kilasy famaranana. Tsy hay izay tena zava-nisy fa izy efa nihantona izao no nisy nahita niaraka tamin'ny hafatra an-taratasy teo amin'ny tepan’ny patalohany, milaza fa : "Je suis innocent et je préfère mourir". Olana ara-pianakaviana no nanosika ity tovolahy vao erotrerony ity hamono tena raha ny loharanom-baovao. Fianakaviana no ipetrahany, satria efa nisaraka ireo ray aman-dreny niteraka azy.
    Lire la suite ...
    • lundi, 16 avril 2018 11:59

    Ambasadin'i Madagasikara aty Chine: Mitaraina ireo Malagasy manan-draharaha atao ao

    Mametra-panontaniana ireo Malagasy aty Chine, ny amin’ny tena andraikitry ny Ambasadin'i Madagasikara aty Chine, na ny olana ao anatiny, fa “toy ny tsy manana ray aman-dreny, indrindra fa ny mpianatra mandrato fianarana aty, satria izay zavatra atao ao dia, na tsy manam-bola izy ireo, na tsy amin'ny fahefany no valinteny azo”, hoy ny fanamarihana heno. Lazaina fa tsy maintsy manana “carte consulaire” ny olona aty Chine, nefa rehefa manao ny antontan-taratasy hahazoana izany ny mpilaravinahitra na mpianatra, dia efa ho herintaona mahery no faharetany, izany hoe : efa madiva hody indray vao mahazo ny “carte” fa tsy manam-bola hanaovana azy hono ny Ambasady, manginy fotsiny ny tsy fahampian'ny fandraisana andraikitra sy ny tsy firaharahiana, hoy hatrany ny fanamarihana sy fitarainana heno. Ny resaka vatsim-pianarana moa dia efa olana tsy misy mamaha mihitsy, fa maro ny mpianatra no mody tsy mahazo diploma na vita fianarana aza satria tsy nahaloa hofan-trano.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 15 avril 2018 13:44
    • Sary nindramina Le Monde

    Siria: Nodarofan'ny Amerikanina baomba

    Taorian'ny zera baomba, heverina ho simika nataon'ny fitondrana sirianina Bachar Al-Assad, ny 7 avrily lasa teo tao Douma, tanàna ao Ghouta orientale, dia nanambara i Donald Trump, Filoha amerikanina, fa dia nanome ny valikafatra izy ka dia nodarohan'ny Amerikanina, ny alin'ny zoma hifoha ny sabotsy 14 avrily, miaraka amin'ny Frantsa sy Royaume-Uni ireo toerana 3 famokarana baomba simika sirianina. Raha ny filazanan'ny fampitam-baovao sirianina sy rosianina, dia 110 misila no nafatratra tao Damas, izay nisy ihany koa no potiky ny fiarovana sirianina.
    Lire la suite ...
    • samedi, 14 avril 2018 11:09

    Fianarantsoa: Atrikasa momba ny Zon'olombelona ho an'ny mpitandro filaminana

    Nifarana ny andron'ny zoma 13 aprily 2018, rehefa naharitra dimy andro, ny atrikasa fanofanana ireo tompon'andraikitra momba ny filaminam-bahoaka eo amin'ny resaka fiarovana ny Zon'olombelona eo amin'ny fanatanterahana ny asany. Tetikasa iarahan'ny governemanta malagasy sy ny rafitra Firenena Mikambana no sehatra anatanterahana azy io.Solontena avy amin'ny Tafi-bahoaka, ny Zandarimariam-pirenena ary ny Polisim-pirenena no nisitraka izany.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 12 avril 2018 19:18
    • Sary Gasypatriote Mahajanga

    Seranan-tsambon'i Mahajanga: Nahitana vary lo

    Nitaraina ireo olona mipetraka sy mifamezivezy manodidina ny seranan-tsambon'i Mahajanga fa misy fofona tsy zaka iainana miparitaka. Nidina vonjimaika nijery ny zava-nisy teny an-toerana ny avy amin'ny tambazotra miaro ny zon'ny mpanjifa, ny sampandraharaham-paritry ny tontolo iainana ny haivoahary ary ny ala sy ny faritra Boeny nanao fisavana. Hita tokoa fa nisy vary very tamin'ireo “chaland”, sambo izay fisaka ny fanambaniny, miisa fito, vary lena nandritra ny oram-be taty Mahajanga ny faran'ny herinandro teo. Vary efa feno olitra sy lo tanteraka ka ireo no nahatonga ny fofona maimbo.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 11 avril 2018 23:17

    Fanampoizinana ara-tsakafo: Mpampianatra iray nidoboka am-ponja vonjimaika

    Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny zoma 6 aprily teo ny lehilahy iray mpampianatra ENF ao amin’ny ZAP Farahalana, izay voarohirohy ho nandatsaka asidra tao anaty zava-pisotro nosotroin’ny mpampianatra namany niara-nisotro taminy ny andron’ny 08 Marsa 2018. Samy nanotrona ny fanasana nataon’ireo Fikambanam-behivavy tao an-toerana ireto mpampianatra ireto, ka nony ampitso 09 Marsa tamin’ny 11ora atoandro dia nitaraina ho marary ilay mpampianatra voapoizina, izay mitazona kilasy T3 ao amin’ny EPP Antanandronono ZAP Farahalana. Nandoa sy nivalana ary in-telo safotra raha teny an-dalana hamonjy ny hopitaly SALFA. Niditra hopitaly tao nandritra roa herinandro izy.
    Lire la suite ...
    • mardi, 10 avril 2018 09:42

    Mampikony: Nanao tatitra tamin’ny vahoaka ireo parlemantera

    Nanapa-kevitra ny hanazava sy hanao tatitra amin’ny vahoaka mikasika ny zava-misy eto amin’ny firenena, indrindra taorian’ny fandaniana ny lalam-pifidianana farany teo, mba tsy hahatompon-trano mihono azy ireo ny senatera MAPAR Velontsara Paul Bert, ny Depiote PSD vaofidy tao Analalava Djaosera Irenée ary ny Depiote tsy miankina voafidy teto Mampikony Raphaelien Solofoniaina Emilien Narison. Tamin’ny sabotsy 7 aprily izy ireo no nanao taratasy fampahafantarana tamin’ny Distrika, izay rafi-panjakana eto an-toerana, ny hisian’ity fihaonana amin’ny vahoaka ity, nokasaina hatao tao amin’ny Espace KOFMAD. Namaly ny teo anivon’ny distrika fa tsy voahaja ny 48 ora tokony nametrahana ny fangatahana ka nolavina izany. Tetsy ankilan’izay dia re fa nahazo antso totoafo ihany koa ny tompon’ilay Espace, fa tsy tokony hampiantrano io fihaonana io.
    Lire la suite ...
Page 5 sur 102