Vaovao

    • mardi, 28 février 2017 12:18
    • Sary: Zandarimariam-pirenena

    Hosoka : Tratra ny mpanao “VISA” sy “Carte de resident” sandoka

    Lehilahy iray no saron’ny Zandary avy ao amin’ny « Direction de la Police Judiciaire » ao amin’ny Fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena ny 23 febroary 2017 teo noho ny fanaovana “VISA” sy “Carte de résident” hosoka. Teo amin’ny “parking” toeram-pivarotana iray eo Ivandry-Antananarivo III izy no voasambotra ny alakamisy lasa teo rehefa avy nokarohana fatratra sy notsongoana nandritra ny volana vitsivitsy. Nanondro ny namany iray avy hatrany izay monina etsy Ambohimiandra-Antananarivo II izy saingy efa tafaporitsaka io namany io. Ny fisavana ny tranon’io farany io kosa dia nahazoana nanageja fitaovana maro avo lenta amin’ny fanotàna, fitombokase amin’ny anaran’ny Ministeran’ny Ati-tany, pasipaoro sy “carte de résident” hosoka ary “visa” hosoka maro. Mbola nahatratrarana basy poleta ihany koa tany amin’ny voarohirohy.Natolotra ny Fampanoavana ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo ny 28 febroary 2017 teo ny raharaha.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 27 février 2017 21:43
    • Sary Sobika Antsirabe

    Andron’ny Skotisma : Tsy diso anjara tamin’ny fankalazana ny Skoto Katolika teto amin’ny Diosezin’Antsirabe

    Ny 22 febroary no ankalazaina isan-taona ny “Andron’ny Skotisma”, ny sabotsy 25 febroary no nankalaza izany ny teto amin’ny Diosezin’Antsirabe, noho ny maha andro fianarana ny andron’ny 22 Febroary 2017. Lamesa, diabe namakivaky an’Antsirabe ary korana tao amin’ny tokotanin’ny sekoly La Providence no nentin’ny Skoto Katolika nanamarika izany.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 26 février 2017 23:06
    • Sary nomena

    Katsepy - Mahajanga: Rendrika ny baka Makobaka

    Maro no mametra-panontaniana amin'ny fikojakojana ireto baka sady mitatitra omby, no mitondra pasazy ireto. Omaly tokoa mantsy dia saika nahitan-doza ny filentehan'ity baka mampitohy an'i Katsepy amin'ny Mahajanga ity. Satria dia rendrika ny baka, ka voatery novahana aingana ireo omby miisa 31. Omby roa no maty, 8 tsy hita popoka, ary avotra avokoa ireo mpandeha. Misy moa ny milaza fa tsy nitondra mpandeha ity baka ity fa mpanamory ihany. Nefa raha ny sary dia maro ireo olona nentiny.Ka mpitatitra omby ihany ary ve ity sambo ity, sa sady mitatitra olona, ahoana ny fepetra amin'izany?  
    Lire la suite ...
    • samedi, 25 février 2017 11:06
    • Sary nindramina fampihaingoana

    Katsepy - Mahajanga : Sambo iray rendrika, omby roa no maty, omby 8 tsy hita popoka, avotra ny mpandeha rehetra

    1 km tsy hahatongavana teto Mahajanga no nitranga ity loza an-dranomasina nahazo ity baka iray mitondra ny anarana Makoba ity, omaly zoma tokony ho tamin’ny efatra ora tolakandro teo. Samy manana ny fitantarany ny fitrangan’ny loza ireo mpandeha tao anatin' ity baka rendrika ity. 31 ny omby nentiny ary 30 no isan’ireo mpandeha tao anatiny, ankoatra ny entana. Raha nitrangana ny loza dia voatery novahana ny fatorana tamin'ireo biby mba tsy hilentika lalina ny sambo raha ny fitantaran’ireo mpandeha. Omby miisa 23 tamin’ireo 31 nentiny no hita ary roa tamin’izy ireo no maty, 21 no avotra soa aman-tsara, ny 8 tamin’reo omby no fantatra fa tsy hita popoka. Tsy nisy naratra na maty ireo mpandeha tao anatin'ny baka saingy niaina tao anaty tebiteby fatratra, ary sambo haingam-pandeha no nanavotana azy ireo namonjy tanety. Avy any Katsepy hihazo an'i Mahajanga ity baka Makobaka ity, izay avy amin’ny kaoperativa iray tsy miankina ary mbola tavela teny afovoan’ny ranomasina.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 24 février 2017 14:45
    • Sary Sobika Toamasina

    Trafika andramena : Mitohy amin'ny fisavana trano teto Toamasina

    Ho fanohizana ny fikarohana ny marina mikasika ilay raharaha andramena 341 tratra tao anatin’ny sambo LUMINA farany teo, tao Cap Masoala ary efa giazana eo anivon’ny seranan-tsambo nanomboka ny 10 febroary teo ilay sambo ; dia nisy ny fisavana hentitra nataon’ny mpitandro ny filaminana, nahitana Zandary sy Polisy manodidina ny 50 lahy sy vavy, ny alakamisy mandraka ny alina teo. Niantomboka tao amin’ny tranon’Atoa Max sy Rtoa Yvette tao Valpinson izany tamin’ny 11 ora ary tsy nifarana raha tsy tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Baoritra maromaro, valizy kely mainty, fitaovana fanisana vola, harona maromaro no navoaka tao taorian’ny fisavana natao.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 23 février 2017 23:04
    • Sary Njaka

    Taxibe Kaoperativa AMBININTSOA: Manary olona an-dalana

    Nanondrana indray ireo mpitatitra teo amin'ny Kaoperativa AMBININTSOA 133, izay mampitohy an'i JJR Analakely ka hatrany Cite Itaosy, satria dia nanary ireo mpandeha teo an-tenatenan-dalana. Nariany teo amin'ny Dalle avokoa ny mpandeha raha zotra tokony hitohy hatrany Itaosy Cité. Akory ny hagagana ny famalian'ity resevera tamin'ireo mpandeha fa dia tsy maintsy eo amin'ny Dalle no farany fa izay te handeha dia mandeha ary izay tsy handeha mahazo mijanona. Koa aiza ho aiza ary ny fitsipika amin'intony fiara mpitatitra intony, rehefa te hiasa ara-dalàna dia tokony hiasa, na aleo tsy miasa fa dia tsy mitsinjo ireo vahoaka malagasy sy ny bokin'andraikitra eo anivon'ny zotra.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 22 février 2017 18:47
    • Sary Sobika

    AIRTEL - ALLIANZ : Miverina amin'ny endriny vaovao ny Assurance Antoka

    Notanterahina anio ny fiaraha-miombon'antoka teo anivon’ny Airtel Madagascar sy ny orinasa fiantohana Allianz.Raha tany amin’ny taona 2014 no efa nisy ny Assurance Antoka dia nisy hatrany ny zava-baovao nentin’ny Airtel Madagascar izay somary niavaka kely, satria dia misy ny fanoratana anarana ho an’ireo mpanjifa izay atao eny amin’ny Airtel Shop dia ny hidirana ho mpikambana ao amin’ilay fiantohana Allianz. Manome fahafaham-po ho an’ny mpanjifa ny Airtel Madagascar amin’izany fotoana izany satria dia tsy misy ny zavatra takiana fa ny fampiasana ny laharana Airtel no atao, izany hoe ny fandaniana fahana isam-bolana.
    Lire la suite ...
    • mardi, 21 février 2017 21:35
    • Sary Sobika Fianarantsoa

    Ihosy : Fisorohana ny homamiadan'ny vozon'ny tranonjaza sy ny nono

    Nisitraka ny fanentanana avy amin'ny ivontoerana fitiliana ny homamiadana mpahazo ny vehivavy ao Fianarantsoa ny tanora mpianatra any Ihosy. Mpianatra amin'ny Lycée ao Besavoa an-jatony mahery ny nampafantarina izany aretina mikiky sy tsy ahalalana soritra ivelany izany. Natao hoan'ny tovolahy sy vavy manomboka miditra amin'ny fiainana ara-pananahana izany. Fantatra teto fa roa hetsy no olona voan'ny homamiadana eto Madagasikara. Ny 19%-n'io isa io no voan'ny homamiadan'ny vozon'ny tranonjaza. Ny fisorohana sy ny fitondran-tena mendrika no fomba iadivana amin'izany. Arahana Pap-test na fitiliana ny otrikaretina mahatonga ny homamiadan'ny vozon'ny tranonjaza izao hetsika izao aty an-toerana.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 21 février 2017 09:25
    • Sary nomena

    Fizahantany : Sambo Island Sky nitondra mpizahatany vahiny 89 nitsidika an’i Mahajanga

    Mpizahatany vahiny 89 mahery no nentin’ny sambo mitondra mpizahantany Island Sky, niantsona sy nitsidika teto Mahajanga ny alahady 19 febroary. Nizara roa ny vondron’ireo mpizahatany izay nahitana vahiny samihafa toy ny filipiana, aostraliana, sy ny hafa rehefa tonga an-tanety. Ny andiany voalohany nitsidika ny tsena sy nizaha ny maha tanànan'ny voninkazo an’i Mahajanga, raha ny faharoa kosa nihazo ny faritra arovana ao Ankarafantsika.
    Lire la suite ...
    • mardi, 21 février 2017 09:07
    • Sary Sobika Toamasina

    Trafika andramena : Nahiahiana koa ny sambo “ADIDJA”

    Nampiahiahy ny “Force spéciale” ny fahitana an’ity sambo Adidja ity niazoazo tao Fananehana, izay isan’ny toerana fiaingan’ny andramena an-tsokosoko amin’iny sisin-dranomasin’Analanjirofo iny. Nositomin’ny “Remorqueur Volazara” namonjy ny seranan-tsambon’i Toamasina, niala tao Fananehana ilay sambo ny atoandron’ny 18 febroary 2017 ary tonga tao Toamasina ny tolakandron’ny alahady 19 febroary. Rehefa nosavaina anefa ilay sambo dia tsy nahitana afa-tsy ireo sira 500 taonina tao anatiny.
    Lire la suite ...
Page 4 sur 59
B1 - Polyclinique
B2 - Toa