Vaovao

    • mardi, 08 décembre 2015 13:47
    • Photo: Fournie

    Mpiasan’ny Croua : fitokonana 48 ora

    Nivory teo amin’ny biraon’ny Croua teny Ankatso ireo mpiasan’ny sampan-draharaha ny Croua eo anivon'ny Université an'Antananarivo. Nitaraina noho ny tsy mbola nandraisana ny tambin-karama ny volana novambra teo izy ireo. « Ny faha 20 ny volana no fandraisana karama nefa mbola tsy nandray izany izahay hatramin’izao. Noana izahay, tsy manam-bola ka tsy afaky ny hiasa » hoy Marie Louisette Ralalasoa, mpiasan’ny Croua.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 04 décembre 2015 16:37
    • Photo: Njaka

    HARDI : Harmonisation des Actions pour la Réalisation d’un Développement Intégré

    Ny foibe fanabeazana HARDI dia mikarakara lanonana izay natao tetsy amin’ny fokontany Manarintsoa Isotry, izany dia tafiditra ao anatin’ny hetsika fikarakarana fanaovana kopia. Maro ireo zava-kendrena raha ny eto amin’ity ivontoerana ity no jerena, raha tsy hilaza afa-tsy ny fandraisana ireo ankizy vaovao maherin’ny 200 eo, ary hezahina ny hampidirana azy ireo eny amin’ny sekolim-panjakana.
    Lire la suite ...
  • Fifabe Mahajanga
    Fifabe Mahajanga
    • jeudi, 03 décembre 2015 19:26
    • Sary nomena

    Marovoay : Hatao lavanty ny tany 7000 ha nambolen’ny FIFABE taloha

    7 000ha ny totalin’ny velarantany ho atao lavanty ny talata ho avy izao. Kaomina ambanivohitra enina ao amin’ny Distrikan’i Marovoay no voakasik’izany, dia i Marovoay Banlieue, Manaratsandry, Ambolomoty, Ankaboka, Anosinalainolona ary Antanimasaka. Fianakaviana 6 000 mivelona amin’ny fambolena amin’io velarantany io no tandindonin-doza ny fiainan-koaviny rahampitso.
    Lire la suite ...
  • Ramatoa Noro RAVAOZANANY
    Ramatoa Noro RAVAOZANANY
    • mercredi, 02 décembre 2015 14:05
    • Photo: Njaka

    Andro iraisam-pirenena ho an'ny Zon'olombelona

    Ankalazaina ny 10 Desambra 2015 ho avy izao ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Zon'olombelona, koa ny lohahevitra amin'izany dia ny fandraisan'ny vehivavy andraikitra amin'ny fiainam-pirenena satria mbola vitsy ny sehatra andraisany anjara amin'izany.
    Lire la suite ...
    • mardi, 01 décembre 2015 09:02
    • Sary tahiry nomena

    Kaominina Vineta: Tsy sahin'ny mpitondra napetaka ny samboadin'ny ben'ny tanàna HVM noterena ho lany

    Taorian'ny fifidianana ben'ny tanàna ny volana jolay 2015, ka tsy nahitana ny kandida MMM tao anatin'ny "spécimen bulletin unique" sy ireo tsy fanarahan-dalàna maro, dia nodidian'ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin'ny Fanjakana haverina ny fifidianana ben'ny tanàna ao amin'ny Kaominina Vineta Andamasiny, distrika Sakaraha.
    Lire la suite ...
    • samedi, 28 novembre 2015 22:01
    • Photo: fournie

    Menarandra Development Project : Hamatsy jiro tokatrano 500 any Androy

    Tafajoro ara-panjakana ary nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 25 novambra 2015 ny fijoroan'ny "Menarandra Development Project MDP" izay fikambanana hisehatra ho amin’ny fampandrosoana ny faritra Androy izay ahitana Distrika efatra dia i Beloha, Tsihombe, Ambovombe ary Bekily. Ao Bekily no misy ny foiben’ny MDP.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 27 novembre 2015 10:53
    • Photo: Njaka

    Salon des métiers de bouche et de l’hôtellerie

    Efa tonga eto an-toerana ireo vahiny matihanina mikasika ny sakafo, hiara-hisalahy amin’ireo andrarezina malagasy mandritra ny hetsika. Hisy ihany koa ny « semaine du gout » eny amin’ny Le B’ Isoraka, tafiditra ao anatin’io hetsika io hatrany.  Mandritra ny herinandro no hanolotra karazana nahandro mampiavaka ny fireneny avy eny an-toerana ireo mpahandro vahiny tonga eto amintsika sady hanao lakozia ihany koa. Ny alin’ny 5 desambra izay famaranana ny « salon des métiers de bouches » kosa dia hisy ny alin’ny sakafo ao anatin’ny « Soirée du cœur » izay ho tanterahina eny amin’ny Hotely Panorama Andrainarivo. Ny 3 hatramin’ny 5 desambra izany hetsika rehetra izany no hatao eny amin’ny Forello Expo Tanjombato.
    Lire la suite ...
  • Thanksgiving
    Thanksgiving
    • jeudi, 26 novembre 2015 23:35
    • Photo: Net

    Etazonia : Mankalaza ny fetin'ny «thanksgiving»

    Mankalaza ny fetin'ny «Thanksgiving» ny Amerikanina androany. Marihina amin'ny fiaraha-misakafon’ny samy mpinamana akaiky na mpihavana izy io. Ny henam-borontsiloza sy sakafo avy amin'ny voatavo no tena misongadina.
    Lire la suite ...
  • Sakaraha
    Sakaraha
    • mardi, 17 novembre 2015 19:26
    • Photo Fournie

    Vineta Sakaraha: Noterena ho lany ny HVM na dia resy indroa tamin'ny fifidianana ben'ny Tanàna.

    Rehefa tsy resy ankianja indroa misesy, na tamin'ny fifidianana 31 jolay, na ny fifidianana vao naverina, satria noravan'ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin'ny Fanjakana ilay fandresena voalohany, dia izao nampiasaina izao indray ny Filankevim-panjakana handrava ilay voka-pifidianana voalohany, andrava ny famerenana ny fifidianana izay efa vita, fa tonga dia nasandratra ny HVM ho mpandresy rehefa nodinihina hoy ny Tribonaly ny zava-misy.
    Lire la suite ...
    • lundi, 16 novembre 2015 12:38
    • Photo: Fournie

    Tatitry ny fivoriamben'ny Eveka

    HAFATRA HO AN’NY KRISTIANINA SY IREO TSARA SITRAPO REHETRA Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanana.   FIVONDRONAMBEN’NY EVEKA ETO MADAGASIKARA Hafatra – Volana Novambra 2015   Hosokafan’ny Papa Ray Masina Fransoa amin’ny 8 desambra ho avy izao ny vavaravaran’ny Taona Masina momba ny « FAMINDRAM-PON’ANDRIMANITRA », izay hiombonan’ny diosezy tsirairay avy. Asaina hiara-mamakivaky izany taom-pahasoavana manokana izany isika ho fanamasinana koa ny fiainantsika.  
    Lire la suite ...
Page 168 sur 179