Vaovao

    • jeudi, 27 août 2015 21:28
    • Photo: Net

    Toliara : Mpamongady saribao voaroba 1,4 tapitrisa Ariary

    Vola saika hividianana saribao any avaratry Toliara no lasan’ny jiolahy. Teny an-dalana ilay mpandraharaha no niharan’ny fandrobana. Nitondra mpandeha toy ny mahazatra ny fiarabe nentiny. Teo amin'ny 7 km miala ny tanànan’i Toliara, amin’ny tanàna atao hoe : Belalanda, dia nisy olona dimy toy ny mpandeha rehetra nanakana ilay fiara. Nentina fa mba vola hanampiana ny vidin-tsolika hono.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 26 août 2015 09:48
    • Photo: Njaka

    Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an'ny olomasin'ny andro farany

      Hisy varavarana misokatra izay mahakasika ny momban'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an'ny olomasin'ny andro farany ny 29 aogositra ho avy izao.Fotoana hanokanana ireo Fiangonana vaovao, izay hanomboka amin'ny 8 ora maraina ka hatramin'ny 4 ora hariva ary hanasana ny olona rehetra.
    Lire la suite ...
    • lundi, 24 août 2015 15:34
    • Photo: Fournie

    FI.VA.ZA: Zaikabe fahadimy tany Antsiranana

    Sary fahatsiarovana nandritra ny Carnaval fanokafana ny ZAIKABE tany Antsiranana. Ramatoa vadin'i Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-Pirenena, tamin'ny kabary fanokafana, dihy sy ny fanolorana loka tamin'ny fifaninana Basket-Ball. CLIQUER SUR GALERIE D'IMAGES
    Lire la suite ...
    • lundi, 24 août 2015 14:36
    • Photo: Net

    Noheverina ho mpangala-jaza, saika matin’ny fitsaram-bahoaka ilay lehilahy marary saina

    Tonga dia nobedainy sady nentiny nandeha ity ankizivavy iray dimy taona sendra nilalao teo an-tokontany androany, tokony ho tamin’ny 11 ora sy 15 minitra, tao Mahavatse Toliara. Nihiaka mafy sady nitomany ilay zaza ka io no nanaitra ny manodidina sy ny reniny tao an-trano. Raikitra avy hatrany ny antsoantso hoe : mpangala-jaza. Rehefa nifanenjehana dia tratra. Nanohitra ireo nisambotra azy ary saika niharan’ny fitsaram-bahoaka. Nisy olona nahafantatra ilay lehilahy, ary nilaza tamin’ny fokonolona fa mivika noho ny fifohana rongony io. Fanaony ny mibeda ankizivavy mitovitovy taona tamin’ny zanany maty.
    Lire la suite ...
  • Ilay toeram-pandihizana lasa Fiangonana
    Ilay toeram-pandihizana lasa Fiangonana
    • dimanche, 23 août 2015 19:50
    • Photo Sobika Ambatondrazaka

    Hafakely : Ambalakisoa niofo ho Ambalatsara

    Andro lehibe ho an’ny Eglizy Rhema tao Ambatondrazaka androany. Nanatontosana fanompoampivavahana voalohany tao amin’ny efitrano Ambalatsara Antanifotsy. Fiangonana faharoa an’ny Eglizy Rhema ao Ambatondrazaka io miorina ao Antanifotsy io. Efitrano fanaovam-pety sy toby fieren’ny jiolahy fahiny ity Ambalakisoa ity no lasa fiangonana. Betsaka no efa nitondra faisana tamin’izany toerana Ambalakisoa izany fahiny, lasibatra hatramin’ny mpitandro ny filaminana.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 21 août 2015 15:12
    • Photo: Njaka

    Toliara : Tovovavy nanala bakalôrea teraka zazalahikely

    Faly sahirana ity tovovavy iray 19 taona mpiadina nanala fanadinana bakalôrea tao Toliara, ny alakamisy maraina. Nahazo zanaka nefa ny fanadinana tsy maintsy najanona. Raha ny fanazavana azo dia nihetsi-jaza tao amin’ny toeram-panadinany izy, ka tsy maintsy nentina namonjy haingana mpampivelona. Teraka soa aman-tsara tamin’ny 9 ora sy sasany ary lahikely nilanja 2,900 g ny zanany, izay salama tsara, raha ny nambarany mpampivelona.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 20 août 2015 22:49
    • Sobika Mahajanga

    Antanimasaja – Mahajanga : Anorenan’olona trano ny tanim-pasan’ny Silamo

    Efa feno angamba ny toerana ao Mahajanga tampon-tanana ka eny ambony ny fasan’ny Silamo no manorina trano fonenana ny sasany, toy ny ao Antanimasaja. Velaran-tany 4 hekitara no misy ny fasan’ireo mpino silamo ao Antanimasaja io ary efa saika feno trano avokoa. Nidina nijery ifotony io toe-javatra io ny tompon’andraikitry ny Kaominina ambonivohitr’i Mahajanga hanamarina ireo trano miorina ambony ny fasana ireo ka hiroso amin’ny fandrodanana avy hatrany raha toa tsy ara-dalana ny fisiany.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 20 août 2015 12:44
    • Photo: Net

    Ihosy : Vola sandoka 5 tapitrisa Ariary sarona saika harotsaka tamina banky

    Mitonona ho mpivarotra ny tompon’ny vola. Nambarany fa vola maty tamin’ny varotra nataony tany Ranohira ireto vola ary ndeha harotsaka amin’ny banky tao Ihosy. Teo am-panisana ny vola ny mpiasan’ilay banky no nahatsikaritra fa hafahafa ny taratasin’ilay vola. Rehefa avy notsirihana sy nohamarinina ireo vola ary nitovy avokoa ny laharany. Niantso mpitandro filaminana avy hatrany ny tompon’andraikitr’ilay banky. Nentina niverina tany Ranohira ilay rangahy nikarohana izay olona nanome azy ireo volaireo, saingy efa tsy hita intsony.
    Lire la suite ...
    • mardi, 18 août 2015 12:43
    • Photo Sobika Toliara

    Mpiasa an-trano nitsoaka niaraka amin’ny vola enina hetsy Ariary

    Tovolahy iray mpiasa an-trano no nitsoaka niaraka amin’ny vola enina hetsy Ariary nangalariny tamina mpivarotra iray niasany tany Sakaraha. Nivavaka tany am-piangonana ireto mpivady mpivarotra sy ny zanany telo, ny alahady maraina teo ka ilay mpanampy irery no sisa tao an-trano nanao raharaha sy nikarakara sakafo antoandro. Ankona ireto fianakaviana rehefa tafaverina fa tsy tao an-trano intsony ilay tovolahy. Nokarohina ny manodidina fa tsy hita. Nantsoina tamin’ny findainy, fa tsy namaly. Ny fahitana ny fitoeram-bola tao amin’ny efitra fatorian’izy mivady efa nibanaka no nanaitra ireto mpivady, ary tsy tao intsony ny vola rehetra saika hividianana entana ny alatsinainy. Nentina toy ny zanaka tao an-trano ity tovolahy ity no nivadika.
    Lire la suite ...
  • Route Farihimena
    Route Farihimena
    • dimanche, 16 août 2015 12:28
    • Photo: Sobika Antsirabe

    Toby FLM Farihimena: Amboarina ny lalana hiatrehana ny isan-taonan’ny Toby

    Natomboka ny tolakandron’ny sabotsy 15 Aogositra ny fanamboarana ny lalam-paritany mampitohy ny Kaominina Ambano sy Farihimena, Distrikan’Antsirabe II. Mipaka hatrany Vinaninony Atsimo ity lalana ity saingy hatreo Farihimena ihany aloha no hamboarina. Fiaraha-mientan’ny Faritra Vakinankaratra sy ny Fiadidiana ny asa vaventy ary ny CFAMA izao fanamboaran-dalana izao. Haharitra herinandro ny asa hiatrehana ny isan-taonan’ny Toby lehiben’ny FLM Farihimena izay hanomboka amin’io herinandro io.
    Lire la suite ...
Page 143 sur 147