Vaovao

    • vendredi, 12 février 2016 13:22
    • Photo: Njaka

    SEFAFI : « Manotrika atody lamokany »

    Manentana ny tsirairay andray andraikitra ny Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena, indrindra ireo mpitondra fanjakana izay ambarany fa tsy mahafa-po. Tsy mandeha mihitsy ny fiainam-pirenena, miampy ny kolikoly izay mandetika hatrany, araka ny nambaran'Andriamanjato Ralison, filoha mpitarika ny SEFAFI. Nandrafitra boky ihany koa ireo mpikambana, "La mayonnaise ne prend toujours pas" izay mirakitra ny fanaraha-maso ny fiainam-pirenena sy ny fanehoan-kevitra maro tamin’iny taona 2015 iny.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 11 février 2016 23:21
    • Sary Sobika Sambava

    Sambava : Lavanila maitso 300kg nisy nitango teny an-tanimboly

    Lavanila maitso, manodidina ny 300kg no nanjavona teny an-tanimboly tao Ambohitrakongona Kaominina ambanivohitr’i Sambava. Raha iny handeha hiasa ireto tantsaha no taitra raha nahita fa voatsongo na nisy nioty sahady ny volin’izy ireo. Tantsaha efatra no lasibatra tamin’izany. Tonga nijery ny zava-nisy ny Lehiben’ny Fokontany, Bejoma Modeste, ary nitondra fitarainana tamin’ny mpitondra ao amin’ny Faritra mba hijery ny fomba hiarovana ny sehatra lavanila fa efa manjaka sahady ny halatra ka mandry andriran’antsy ny mpamboly.
    Lire la suite ...
  • Tanambao Daoud
    Tanambao Daoud
    • jeudi, 11 février 2016 01:22
    • Sary Sobika Sambava

    Tanambao Daoud – Sambava : Mirongatra ny aretina ambalavelona

    Manomboka very fanahy mbola velona toy ny valala tapak’elatra ireo Ray aman-drenin’ny mpianatra any amin’ny Kaominina ambanivohitra Tanambao Daoud, Distrikan’i Sambava fa efa ampolony ireo zaza mihetsika aretina ambalavelona. Efa roa herinandro izao io trangan’aretina hafahafa io, fa tsy mety foana. Omaly izao dia mpianatra amin’ny CEG indray no lasibatra raha mbola tany amin’ny EPP no nisantatra izany. Rehefa voa ny ankizy iray ao ampianarana dia misavoritaka ary raiki-tahotra avokoa ny sisa tavela. Nanezaka ihany ireo mpitondra fivavahana sy ny mpiandry fa mbola tsy misy fanafany ny aretina. Sahiran-tsaina ny Ray aman-dreny any Tanambao Daoud, miantso fanampiana mba handresena ity aretina hafahafa ity.
    Lire la suite ...
  • Jirama Sabava
    Jirama Sabava
    • mardi, 09 février 2016 21:35
    • Sary Sobika Sambava

    Jirama Sambava : Mitsipaka marindrano ny fanasoketana azy

    Mampitaraina ny mpanjifa ny tsy fitovian’ny fitsinjarana ny herinaratra isaky ny kartie ao Sambava. Misy tsy mahazo jiro mihitsy ao anatin’ny efatra alina misesy, misy anefa ireo tokantrano tsy azo tapahina mihitsy ny jiro ao aminy.
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 février 2016 13:35
    • Photo: Sobika Antsirabe

    ACMIL Antsirabe : Mifandimby tonga ny diplaomaty vahiny

    Nitsidika ny sekolin’ny manamboninahitra Akademia Miaramila Antsirabe io atoandro io ny mpiandraiki-draharaha ao amin’ny ambasadin’i Alemaina, Atoa Karl Prinz. Anton’ny fitsidihana dia noho ny fanavaozana ny rafitra fanofanana ireo manamboninahitra malagasy.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 05 février 2016 15:53
    • Photo: madamaki.com

    Inanantonana – Betafo : Nodoran’ny Fokonolona ny biraon’ny Kaominina

    Tsy nankasitrahan’ny vahoakan’i Inanantonana, Distrika Betafo ny fanoloana ny Ben’ny tanana lanim-bahoaka ka noterana sy nosoloina ny Ben’ny tanana teo aloha, izay tsy lany intsony na dia nilatsaka tamin’ny anaran’ny HVM, antokon’ny fitondrana aza. Efa nisy ny lanonana fametrahana samboady ireo Ben’ny tanàna rehetra voafidy nanerana an’i Vakinankaratra, nandritra ny fitsidihana nanokafana ny “Festival Zovy” saingy tato aoriana, ny 09 Desambra 2015 indray dia nisy ireo nesorin’ny Fitsarana tao Vakinankaratra ka isan’izany ity tao Inanantonana ity.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 05 février 2016 10:30
    • Photo: Sobika Sambava

    Bevohokan’ny dadatoany : Notereny hanala zaza tamin’ny vola 50.000 Ariary

    Ankizivavy tsy ampy taona no noteren’ny rain-janany hanala ny zaza ao an-kibony tamin’ny alalan’ny vola 50.000 Ariary tao amin’ny Fokontany Antsirabe Sambava. Notambazan’ny lehilahy iray, 30 taona eo, hiray ara-nofo aminy ity tovovavy ity, tamin’ny alalan’ny vola 30.000 Ariary. Bevohoka ilay tovovavy ary nananika ny faha efa-bolana ny kibony tamin’iny janoary iny. Tamin’io indrindra no naneren’ilay rangahy azy mba hanala io zaza io mba tsy ho fantatry ny ray aman-dreniny satria mbola mianatra rahateo ilay tovovavy, hiatrika fanadinana BEPC amin’ity taom-pianarana ity.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 04 février 2016 22:09
    • Photo: playrific.com

    Mahajamba : Tena diso fanantenana ny mponina

    Raha ny fanampiana nampanantenain'ny mpitondra no nadrasana dia maty mosary tao ny mponina tao Mahajamba, izay fefiky ny tondra-drano taorian’ny orana nijojo tao anatin’ny tapabolana. Ny vary 25 taonina nampanantenain’ny fanjakana ho avy dia mbola tsy tonga hatramin'izao, ary raha ny nambaran'ny lehiben’ny Distrikan’i Mahajanga II dia 5 taonina aloha no ho tonga atsy ho atsy ; ny ambiny moa angamba dia naman'ny tsy misy ?
    Lire la suite ...
  • Soamahamanina Miarinarivo Itasy
    Soamahamanina Miarinarivo Itasy
    • jeudi, 04 février 2016 21:57
    • Sary nomena

    Soamahamanina – Itasy : Nidina an-dalambe sady nilanja sorabaventy ny mponina

    Manohitra ny nanomezan’ny fanjakana Rajaonarimampianina orinasa sinoa Jiuxing Mines SARL fahazoan-dalana hitrandraka volamena ao Soamahamanina PK 66, Disitrikan’i Miarinarivo, faritra Itasy, ny mponina ao an-toerana. Nidina an-dalambe, manamorona ny lalam-pirenena voalohany sady nilanja sorabaventy teo anoloan’ny Tranompokonolona izy ireo androany ho fanoherana izany.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 04 février 2016 13:50
    • Photo: vtt.mg

    Kaominina Ambohitrimanjaka : Fasana 3 nisy namaky

    Efa tsy kely lalana intsony ny ratsy, fasana 3 no nisy namaky tao amin'ny kaominina Ambohitrimanjaka. Ny fasana iray, razana teo amin'ny 40 teo no tsy hita, ny iray koa lasa daholo ny razana rehetra tao, fa ny fantelony kosa tsy nakan'ny mpanao ratsy fa nakorontany fotsiny. Gina ireo fianakaviana naheno ny vaovao ratsy. Omaly tamin'ny 1 ora tolak'andro teo no nihazo ny fasana i Ramanasinjatomanana Ainasolo saika amonjy fandevenana no nahita ny fasana nisokatra ka niantso fianakaviana sy fokonolona. Ity farany no nampandre ireo tompon'ny fasana manodidina vaky, ary tamin'ny maraina teo no tonga teny an-toerana ny fianakaviana rehetra.
    Lire la suite ...
Page 115 sur 131