Vaovao

    • samedi, 15 août 2015 07:46

    Fanafihana mitam-basy : Voaroba ny volamena, tovolahy iray naratra mafy voatifitra

    Tokantrano iray ao Andabizy Toliara no notafihina jiolahy efatra mitam-basy tsy nisaron-tava ny zoma 14 aogositra naraim-be tamin’ny roa ora. Nitaky vola avy hatrany ireo jiolahy vantany vao tafiditra ny trano. Nilaza tsy manana ilay raim-pianakaviana tompontrano, izay mpamily taksiborosy, ka ny zanany lahy, 19 taona, no notifirin’ireo jiolahy teo amin’ny kibony ka naratra mafy. Tsaboina ao amin’ny hopitaly ilay tovolahy. Lasan’ireo jiolahy ny volamena niampy finday tao amin’ity tokantrano voatafika ity. Manahy ny polisy fa mety valifaty ity nitranga tao Andabizy ity, fa tsy asan-jiolahy toy ny fahita hatramin’izay.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 14 août 2015 15:07
    • Photo: Njaka

    CUA

    Hanampy ireo olona sahirana ara-pivelomana ny Kominina an'Antananarivo.
    Lire la suite ...
    • mardi, 11 août 2015 15:01

    Aretina lefakozatra : Misy tranga telo vaovao hita ao Boeny

    Tongan’ny aretina lefa-kozatra ihany ao amin’ny faritra Boeny na dia efa betsaka aza ireo vaksiny natao. Ankizy telo no tratran’io aretina lefakozatra io ao an-toerana amin’izao fotoana, ka iray any Soalala ary roa ao Mahajanga tampon-tanàna, araka ny tatitra nataon’ny Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka ao Beoeny, Dr Ravalomanda Harison Nirina. Nampahafantariny fa “aty amin’ny faritra Afrika sy maneran-tany dia i Madagasikara no mbola anisan’ireo firenena misy ny aretina lefakozatra, izay mahatonga ny zaza halemy sy tsy handeha tampoka”. Ho fanombohana ny ady dia nanentana avy hatrany ireo Sefo Fokontany ny Prefen’i Mahajanga, Rakotoaridina Dieudonné, hidina hanao fanentanana ny ray aman-dreny rehetra hitondra ny zanany ho atao vaksiny fanefitra amin’ny aretina lefa-kozatra. Ny Ray aman-dReny tsirairay dia manana adidy amin’ny famongorana ny aretina lefakozatra. Ary henatra ho an’ny faritra Boeny izy io raha tsy resy, noho i Boeny indrindra i Mahajanga malaza eo amin’ny sehatry ny fizahantany.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 09 août 2015 23:48
    • Photo: Sobika

    Haintrao : Efa-mianaka indray maty tao anaty trano hazo

    Labozia no niavian’ny loza tao amina tokantranona mpivady mamo lava mipetraka tao Antohomadinika III G Hangar, Boriborintany I, Antananarivo renivohitra. Tombanan’ny manodidina ho mamo tsy nahatsiaro tena izy ireo tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza ka tsy nisy tafavoaka velona niaraka tamin’ny zanak’izy ireo roa. Mipetraka amina trano hazo rahateo izy ireo, ka mora nihanaka ny afo na dia niezaka namono ihany aza ny manodidina. May avokoa ny entan’izy ireo. Efa nanao fanentanana ny mponina mba tsy hanorina trano hazo ny Fokontany hisorohana ny haitrano nisesy teny an-toerana saingy tsy voahaja izany.
    Lire la suite ...
    • samedi, 08 août 2015 11:11
    • Photo: Sobika Fianarantsoa

    Fanambarana

    Ny sindikan'ny Mpanao Gazety Malagasy (SJM) dia manameloka tanteraka ny herisetra sy asa fampihorohoroana natao tamin'ny onjampeon'ny Viva Fianarantsoa izay miendrika famonoana mihitsy ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Tsy misy na inona na inona manamarina ny habibiana atao mahakasika ny haino aman-jery tahaka izao, indrindra moa fa noho ny tsy fitovian-kevitra politika, koa mangataka ny SJM mba handray andraikitra haingana ny fitondram-panjakana hanokatra fanadihadiana momba ity raharaha fandrobàna ity ary hanasazy henjana ireo tompon'antoka sy ny mpibaiko. Natao androany, 08 aogositra 2015 Ny Filoha Rocco RASOANAIVO
    Lire la suite ...
    • jeudi, 06 août 2015 22:35
    • Photo: Njaka

    Soaniedanana - Ankazobe Tanàna vaovao mampiasa jiro avy amin'ny masoandro

    Folo volana taorian'ny niforonan'n'ny tanànan'i Soaniedanana dia tonga ny jiro manazava, azo avy amin'ny herin'ny masoandro. Notokanana omaly izy ity, izay vokatry ny fiaraha-miasa tamin'ny Electricité Sans Frontière sy ny Primatiora. Tanàna vaovao eny amin'ny 67km miala an'Antananarivo, manaraka ny lalam-pirenena faha-4 i Soaniedanana, ary teraka tao anatin'ny tetikasa "Exode Urbain" an'ny HAFARI Malagasy ho an'ireo olona volona hifindra monina hiala ny tanan-dehibe. Misy 4500 ny mponina eny ankehitriny.
    Lire la suite ...
  • Incendie Antsirabe
    Incendie Antsirabe
    • mardi, 04 août 2015 20:07
    • Photo: Sobika Antsirabe

    Haitrano : Lasa lavenona ny vola tokony hanaovana famadihana

    Trano telo no indray kilan’ny afo tao Atsimontsena Antsirabe ny tolakandro teo tokony ho tamin’ny 4 ora. Tsikonina nataon’ny ankizy no tombanana fa nihavian’ny afo ary niitatra, tsy voafehin'ny Fokonolona. Tsy manana fiara mpamono afo ny Kaominina Antsirabe ambonivohitra fa ny an’ny «Groupe Socota» no tonga nanampy tamin’ny famonoana ny afo ; saingy entana maro no lasa lavenona, anisan’izany ny vola an-tapitrisa notehirizina hanaovana famadihana. 20 mianaka no traboina tsy fidiny taorian’ity haitrano ity.  
    Lire la suite ...
  • Jeune des bas quartiers
    Jeune des bas quartiers
    • mardi, 04 août 2015 17:52
    • Photo : Njaka

    Mitaraina ireo tanora amin'ny faritra iva.

    Nanjary lasa nahazatra ny nijery ireto tanora maro sady tsy mianatra no tsy an'asa. Fantatra anefa fa ny 50% n'ny Malagasy dia latsaky ny 18 taona avokoa.Fijery hafa no atao amin'izy ireo, ary endrikendrehina ho fototry ny tsy fahandriampahalemana.
    Lire la suite ...
  • Ny filohan’ny Fiangonana Loterana Malagasy, Dr Rakoto Endor Modeste sy ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary niara-nanao sonia ny fifanarahana
    Ny filohan’ny Fiangonana Loterana Malagasy, Dr Rakoto Endor Modeste sy ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary niara-nanao sonia ny fifanarahana
    • lundi, 03 août 2015 22:51

    Fanabeazana ireo manana fahasembanana : Miara-miasa ny FLM sy ny minisiteran’ny Fanabezam-pirenena

    Tontosa tao Antsirabe anio tolakandro ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy sy ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Mikasika ny fanabeazana «MAMPIATY» na ny fanabeazana tsy mialon-jafy ity fifanrahana ity ka hampitoviana zo ireo zaza manana fahasembanana sy ireo zaza salama tsara.   Nambaran’ny filohan’ny Fiangonana Loterana Malagasy, Dr Rakoto Endor Modeste fa efa hatramin’ny taona 1924 no nampiharan’ny Loterana ny fanabeazana ireo manana fahasembanana ara-pahitana ka ity fifanarahana mandritra ny 5 taona ity dia hifanakalozana traikefa satria efa natomboka ny taona 2009 ny fampiharana ny fanabeazana «MAMPIATY» eo anivon’ny sekolim-panjakana.   Hisy ihany koa ny fanofanan’ny fiangonana loterana ireo mpampianatra hisahana izany eny anivon’ny sekolim-panjakana, tafiditra ao anatin’ity fifanarahana ity.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 02 août 2015 21:47
    • Photo Net

    Ilakaka : Nidina an-dalambe ny mponina manohitra ny fandresen'ny HVM

    Miahiahy hosoka sy hala-bato ny vahoaka ao Ilakaka ka nidina an-dalambe sady nilanja sorabaventy, manambara fa ny kandidà tsy miankina no nofidian'ny maro an'isa fa tsy ny HVM araka ny vokatra vonjimaika mivoaka.
    Lire la suite ...
Page 112 sur 115