Vaovao

    • vendredi, 14 février 2020 18:26
    • Sary: ZP

    Isoanala RN 13: Dahalo mpanakan-dalana roa lavon’ny Zandary, iray azo sambobelona

    Nahitam-bokany ny fikarohana nataon’ny Zandary ireo dahalo nanafika taksibrosy « Carandal » nitondra mpandreha niainga avy ao Antananarivo hiazo an’i Tolagnaro ny alin’ny 12 febroary, niseho tao Sakoamanambadimanga, 7km atsimon’i Isoanala manaraka ny lalam-pirenena faha-13. Voatifitra teo amin’ny kibony ny mpamily, nentin’ireo dahalo nampijanonana ny fiara. Vola mitentina 12 000 000 Ariary miampy « panneaux solaires » roa, bisikileta roa, findain’ireo mpandeha no voaroba. Nentina tao amin’ny « Poste Fixe » Somotsoy ireo naratra, nalefa ao amin’ny CSB Isoanala koa ilay mpamily voatifitra.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 14 février 2020 10:02
    • Sary nindramina

    Antsohihy: Manahy ny fanimbana ny ezaka vitan'ny Tontolon'ny Fonja ny vahoaka

    Mahagaga ny mponina ny fahenoana feo matetika fa ho esorina amin'ny toerany ny Lehiben'ny Fonja eto Antsohihy. Ambetin-dresaky ny Talem-paritra ny Fandraharahana ny Fonja eto an-toerana andavan'andro moa ny hoe esoriny ny Lehiben'ny Fonja ka mampisavorivory ny olona maro. Raha tsiahivina dia vao aingana no nanendren'ny fanjakana ity Leben'ny Fonja ity, ary tsy ampy 2 volana taorian'izay dia nisongadina ny zava-bitany, teo ny fanatsarana ny ivelany sy anatin'ny fonja iray manontolo (réhabilitation), ary vita ihany koa ny kianja fanaovana ny fananganan-tsaina na ny terrain de rapport, teo koa ny fampitaovana sy ny fanatsarana ary ny fitsinjarana ny sakafo ho an'ireo misazy. Izany dia niainga tamin'ny fanampian'ny olona tsara sitrapo, te ahita ny fanajana ny zon'olombelona sy hisian'ny fanamafisana ny fandriampahalemana, izay manana anjara toerana lehibe amin'izany ny fonja. Izay fahavitan'ny asa aingana izay ve no nampisy disadisa tamin'ity Talem-paritra miadidy ny fonja sy ity lehiben'ny Fonja nahita vahaolana izay tsy niankina taminy ity?
    Lire la suite ...
    • jeudi, 13 février 2020 14:29
    • Sary: ZP

    Fandriam-pahalemana: Nohamafisina ny fisavàna ny moto sy ny fiara amin’ny alina

    Miverina ny hetsika fitandroana fahalemana antsoina hoe : « Papango ». Efa nisy teo aloha ilay antsoina hoe «Dispositif papango» ary hamafisina izany amin’izao, hoy ny jeneraly Ravalomanana Richard, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria (SEG). « Aseho ny Vahoaka fa tokony hatoky ny mpitandro filaminana izy ary atao tsapan'ireo jiolahy ihany koa fa manao ny asany ny mpitandro filaminana ». Nanome toromarika koa ny SEG fa « hohamafisina ny fisavàna ny moto sy ny fiara amin’ny alina, ary tokony hanaiky ny fandaminana ny olona satria matetika dia moto no entin’ireo mpanao fanafihana manao ny asa ratsiny. Tokony hatoky ny olona fa manao ny asany ara-dalana ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao ».
    Lire la suite ...
    • mercredi, 12 février 2020 21:40

    Toamasina: Jiolahy mitam-piadiana efatra voasambotra, Polisy iray naratra nandritra ny fifampitifirana

    Enin-dahy mitam-piadiana nanafika mpandraharaha ara-toekarena iray avy any Mananara Avaratra raha nivoaka Shop Orange ity farany. Nanenjika an’ireo jiolahy eran’ny tanànan’i Toamasina ny Polisy nampian’ny Zandary vantany vao nahazo fanairana. Niditra an-tsehatra ihany koa ny Polisy iray isan’ireo miambina ny Banky Foibe, nitifitra avy hatrany rehefa tsy nety najanona ny jiolahy iray nitondra basy poleta rehefa teo akaiky Gastro Bazar Be. Voatifitry ny zandary teo amin’ny ranjony ilay jiolahy ka lavo ary dia noraisim-potsiny. Nanakana sy naka ankeriny fiara 4x4 an’olontsotra sendra nandalo ny jiolahy dimy. Notifirin’izy ireo ankitsirano ny mpamilin’ilay fiara ary maty tsy tra-drano. Nisy ny fifampitifirana tamin’ireo jiolahy sy ireo Polisy nanenjika azy ireo. Inspektera Polisy iray naratra voatitra teo amin’ny sorony. Voasambotra ny telo tamin’ireo jiolahy. Tafatsoaka tamina fiara Hyundai i10 miloko manga ny roa. Eo ampikarohana io fiara io ny mpitandro ny filaminana mitambatra ahitana Zandary sy Polisy, nanamafy ny sakana rehetra mivoaka ny tanànan’i Toamasina.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 12 février 2020 15:24
    • Sary: ZP

    Ampanihy Andrefana: Henan-tsokatra maina 350 kg sy sokatra velona 7 tra-tehaka saika hamidy

    Saron’ny Zandary avy eo anivon'ny kaompania Ampanihy Andrefana tao Antranoavo, Kaominina Androhipano, Distrika Ampanihy Andrefana ny 05 febroary teo ny henan-tsokatra milanja 350kg efa maina natao tao anaty gony miisa 14 sy sokatra velona amin’ny karazany « radiata », izay biby arovana sao ho lany tamingana, miisa 7. Olona tsara sitrapo no nanao fanairana ny mpitandro ny filaminana, izay niara-niasa tamin'ny WWF sy ny MNP (Madagascar National Park) ka nahazoana ny vokatra. Nodorana ny 10 febroary ireo hena ho fiarovana ny fahasalam-bahoaka, natolotra ny "Chef cantonnement" ao an-toerana kosa ireo sokatra velona mba ahafahana mamerina azy amin'ny toerana tokony hisy azy.    
    Lire la suite ...
    • mercredi, 12 février 2020 14:56
    • Sary: ZP

    Antalaha: Voasambotra ilay mpividy lavanila amin’ny vola sandoka

    Olona tao Ankoalabe, Distrika Antalaha, nivarotra lavanila masaka milanja 08 kg no lasibatr’ireto mpisoloky roa lahy, ny 05 febroary 2020. Rehefa vita ny adivarotry ny roa tonta dia nilaza ireo mpividy fa entina haseho ny "patron" aloha ny lavanila. Ny iray tamin’izy ireo nitondra ny lavanila 8kg, ny faharoa izay nitondra kitapo mihidy "cadenas" voalaza fa feno vola hividianana lavanila, nijanona niaraka tamin’ny tompon’ny entana teo. Nanao sambo nilentika anefa ilay nilaza fa hampiseho ilay lavanila hovidiana tany amin’ny « patron » ; najanon’ilay nitondra kitapo mihidy "cadenas" teo amin’ilay nivarotra lavanila ny kitapo teny aminy dia iny koa izy no nanjavona.
    Lire la suite ...
    • mardi, 11 février 2020 21:55
    • Sary nomena

    Ntsay Christian: Miantso fitiavan-tanindrazana

    Tonga nanome voninahitra ny lanonana nahatsiarovana ny namonoana ny Kolonely Ratsimandrava Richard, Filoham-panjakana tamin’izany fotoana izany, ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, androany 11 febroary teny Ambohijatovo, sy nahatsiarovana ihany koa an’ireo olo-malazan’ny Foloalindahy sy mpitandro ny filaminana lavo teo am-perinasa. Nambaran’ny Praiminisitra fa zava-dehibe ny fahafahan’ny firenena mahatsiaro ireo Olomangany, ary maro ny lesona azo tsoahina amin’izao fanamarihana izao. Ny fitondram-panjakana dia mametraka mazava tsara fa tsy misy fanarenana, tsy misy fahombiazana amin’ny hoavy raha tsy mahay mahatsiaro ny fitiavan-tanindrazana izay nasehon’ireo zoky ray aman-dreny teo aloha isika.
    Lire la suite ...
    • lundi, 10 février 2020 12:26
    • Tahirin-tsary Gasypatriote Morondava

    Morondava: Tsy tafarina hatramin’izao ny biraon'ny Faritra Menabe may tamin’ny aogositra 2018

    Mbola vatan-drindrina no mijoro 18 volana taorian’ny nahamay ny biraon'ny Faritra Menabe eto Morondava ; tsy mbola voaharina hatramin'izao. Nahita maso izany ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Randriamandrato Richard nandritra ny diany teto Morondava ny sabotsy 8 febroary 2020 teo. Ny 06 Aogositra 2018 no nahamay ity biraon’ny Faritra ity, ary potika hatramin’ny lisi-pifidianana tamin’izay. Akoson’aratra (court-ciruit) vokatry ny fitarihana jiro amin’ny asa ataon’ny BNGRC no tombanana fa fototry ny afo nanomboka tamin’ny roa tolakandro teo, io andro io, ary adin’ny telo taty aoriana vao voafehy ny fihitaran’ny afo noho ny fitsokan’ny rivotra sy ny akora nandrafetana ny trano mora mirehitra, satria saika vita amin’ny hazo ny ankamaroany. Tsy manana “pompier” rahateo ihany koa ny Kaominina ambonivohitr’i Morondava fa fiaraben’ny ASECNA no namonjena namonoana ny afo.
    Lire la suite ...
    • lundi, 10 février 2020 09:45
    • Sary nindramina

    Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana: Hampiana « caméra de surveillance » amin’ireo faritra mena

    Mitohy ny fametrahana « caméra de surveillance » eto an-drenivohitra ka amin'ireo faritra mena amin'ny tsy fandriam-pahalemana no hametrahana ireo fitaovana ireo. Aman-jatony ho hapetraka. Efa nisy napetraka tamin’ny fotoana nahatongavan’ny Papa François teto Madagasikara. Nampanantena ny hanampy ara-pitaovana ny OTME (Office des Transmissions Militaires de l’Etat) eny Andafiavaratra ihany koa ny tanànan’Antananarivo amin’ny fametrahana « caméra de surveillance », handaminana ny fifamoivoizana, sy hanampiana amin'ny fanadihadiana raha toa ka misy fanafihan-jiolahy.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 09 février 2020 17:53
    • Sary nomena

    Herinaratra: Vonona hizara traikefa sy hanohana an'i Madagasikara ny Kanadiana

    Nihaona tao Addis-Abeba, androany, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Praiminisitr'i Canada Justin Trudeau, ity farany izay manatanteraka fitsidihana ao Afrika. Samy maniry ny hanamafy sy hanatsara ny fifandraisana efa misy eo amin'ny firenena roa tonta izy ireo, ary naniry ihany koa ny hivelaran’ izany amin'ny sehatra hafa toy ny fanabeazana sy ny tontolo iainana. 81% ny fotodrafitrasa ao Canada moa dia miodina amin'ny alalan'ny angovo azo havaozina avokoa, ka nanambara Atoa Justin Trudeau fa vonona hifampizara traikefa sy hanohana an'i Madagasikara amin'ny fametrahana vahaolana haingana sy maharitra amin'ny fampidirana herinaratra ho an'ny rehetra.
    Lire la suite ...
Page 12 sur 179