Vaovao

    • dimanche, 10 janvier 2016 22:38
    • Photo: pinterest.com

    Ankorondrano Andranomahery : Olona sahirana 1 000 no nahazo fanampiana

    Nanampy ireo fianakaviana sahirana sy niangaran'ny vintana amin'ny fiainana tao amin’ny Fokontany Ankorondrano Andranomahery, Boriboritany fahatelo Antananarivo renivohitra ny Fikambanan'ny tanora eo anivon'ny Fiadidian'ny Repoblika omaly sabotsy 9 janoary, nandritra ny hetsika tao amin'ny Kianja mitafo Ankorondrano.
    Lire la suite ...
  • Maevatombo Dorick
    Maevatombo Dorick
    • dimanche, 10 janvier 2016 12:22
    • Sary Sobika Sambava

    Mila vonjy i Maevatombo Dorick

    Nanapa-kevitra ny mpitsabo tato amin'ny Loterana SALFA Sambava rehefa nanao izay fara fahaizany fa tsy maintsy alefa maika any Antananarivo i Maevatombo Dorick mba ahafahany mitsabo tena.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 08 janvier 2016 19:18
    • Photo: Sobika Antsirabe

    Antsirabe : Vovoka simika namono zazavavy kely

    Zazavavy kely 3 taona sy tapany no namoy ny ainy vokatry ny fihinanana sakafo nifangaro vovoka toa sira notsindrohina tao Ambohidravaka-Ambohipeno. Vetivety dia niely eran’Antsirabe fa an’ny orinasa Cotona ny fako nariana teny ary mpandraharaha tsy miankina no misahana ny fanariana ireo fako.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 08 janvier 2016 10:10
    • Photo: madagascar-tribune.com

    Antaninarenina : Hetsika fivorivorian-dovia

    Hanao Hetsika fivorivorian-dovia eny Antaninarenina anio zoma 8 janoary 2016 amin’ny 12 ora sy sasany ny fikambanana WAKE UP Madagascar, ho mariky ny fitsipahan’izy ireo ny "fety fandatsàna ny Malagasy" atao eny Iavoloha anio, sy ho "fanehoana ihany koa fa mitaky ny fitantanana ny volam-bahoaka amin’ny fomba mendrika sy tena mahasoa ny vahoaka" ny fikambanana fa "ampy izay ity fandanindaniam-poana ny volan’ny Malagasy ity".
    Lire la suite ...
    • jeudi, 07 janvier 2016 13:09
    • Photo: recitvoyage.wordpress.com

    Mitohy ny fanapara-pahefana sy ny antsonjay

    Mpandraharaha iray amin’ny sehatry ny vato ao amin’ny kaominina Marotsipo, distrikan’Anjozorobe indray no lasibatry ny fanapara-pahefana sy antsonjay.Raha ny fanazavan’ity farany dia kolonely 3 milaza ho iraky ny zanaka lahy sy zandrin’ny Filoham-pirenena no tonga tany an-toerana saika hanao bodongerina ny kariera iasany. Manofa tany ity mpandraharaha ity ary nanamafy fa ara-dalana avokoa ny taratasy fahazon-dalana hitrandraka ao an-toerana ary nahaloa tsara ny ofan-tany izy hatramin’izay niasany tao. Nanamarina izany ny tompon’ny tany izay tsy nety nanome halalana ireo kolonely 3 nibodo ny tany hitrandraka ao. Ho an’ny tompon’ny tany, ilay mpandraharaha no efa miasa ao ary tsy manana zo ny hanome ny tany an’olon-kafa intsony izy.
    Lire la suite ...
    • mardi, 05 janvier 2016 09:46
    • Photo: fournie

    Bevilany Amboasary Atsimo : Loza roa sosona namono olona

    Nisehoana lozam-pifamoivoizana hafa kely omaly alatsinainy ny RN13, anelanelan'Amboasary Atsimo sy Tolagnaro, eo amin' ny fiakaran'i Bevilany. Fiara be mpitatitra mampitohy an' i Tolagnaro sy Toliara, fantatra amin'ny anarana hoe TANTSAHA BUS. Araka ny filazan'ny tao anatiny dia noho ny vesatra be loatra dia lany vitesy teo antenantenan'ny fiakarana ity fiarabe ka nihemotra.
    Lire la suite ...
  • Mahazoasy Freddie
    Mahazoasy Freddie
    • lundi, 04 janvier 2016 21:21
    • Sary Sobika

    Andramena tao Antalaha : Nisy nisandoka ny filoha lefitry ny Anterimieram-pirenena Mahazoasy Freddie

    Nanadio tena ny filoha lefitry ny Anterimieram-pirenena ho an’ny faritanin’ Antsiranana, Mahazoasy Freddie, mikasika ny raharaha andramena sy fakana volabe tamina mpandraharaha tany Antalaha ka nahavoatonona ny anarany taorian’ny nisamboran’ny zandary olona efatra nandeha fiaramanidina manokana niala teto Antananarivo, tonga tany Antalaha ary nitonona ho mpanolotsainy manokana.
    Lire la suite ...
  • Ambohijatovo
    Ambohijatovo
    • lundi, 04 janvier 2016 08:19
    • Sary Sobika

    Vonjy tavan'andro

    Notapahina vonjy maika ny làlana midina avy eny amin'ny tonelina Ambanidia hatreny Ambohijatovo, omaly, hanatontosan'ny mpamonjy aina ny fanapahana ireo ratsan-kazo vaventy teo amin'ny kianjan'Ambohijatovo. Marihina moa fa efa nandratra mpandeha izany trangan-javatra izany tamin'ny fiandohan'ny taona teo.
    Lire la suite ...
  • Fizarana sakafo kianjan'Ambohijatovo
    Fizarana sakafo kianjan'Ambohijatovo
    • mercredi, 30 décembre 2015 18:58
    • Sary nomena

    Kianjan’Ambohijatovo : Fanomezana sakafo ho an'ireo sahirana ara-pivelomana

    Nampifalifaly sy nampisakafo ireo olona sahirana ara-pivelomana sy tsy manan-kialofana eo Analakely, Ambohijatovo, Isoraka, Antaninarenina sy ny manodidina ny avy eo anivon’ny Fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra ny alarobia 30 desambra 2015.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 30 décembre 2015 16:17
    • Photo: marseille.aeroport.fr

    Ankazomanga : Trano iray noravan’ny mpitandro filaminana

    Tonga nandrava trano tetsy amin’ny fokontanin’Ankazomanga indray ny mpitandro ny filaminana io maraina io. Tsy nampahafantatra ny topontrano akory ireto farany fa tonga dia niditra ary nampiasa hery namoahana ny entana rehetra. Tsy nahazaka ny tsindry sy ny fanaparam-pahefana natao taminy ny topontrano izay tsy iza fa ny sefo fokontanin’Ankazomanga ka torana. Nentina vonjimaika teny amin’ny hopitaly ity farany.
    Lire la suite ...
Page 107 sur 120