Vaovao

  • Soamahamanina Miarinarivo Itasy
    Soamahamanina Miarinarivo Itasy
    • jeudi, 04 février 2016 21:57
    • Sary nomena

    Soamahamanina – Itasy : Nidina an-dalambe sady nilanja sorabaventy ny mponina

    Manohitra ny nanomezan’ny fanjakana Rajaonarimampianina orinasa sinoa Jiuxing Mines SARL fahazoan-dalana hitrandraka volamena ao Soamahamanina PK 66, Disitrikan’i Miarinarivo, faritra Itasy, ny mponina ao an-toerana. Nidina an-dalambe, manamorona ny lalam-pirenena voalohany sady nilanja sorabaventy teo anoloan’ny Tranompokonolona izy ireo androany ho fanoherana izany.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 04 février 2016 13:50
    • Photo: vtt.mg

    Kaominina Ambohitrimanjaka : Fasana 3 nisy namaky

    Efa tsy kely lalana intsony ny ratsy, fasana 3 no nisy namaky tao amin'ny kaominina Ambohitrimanjaka. Ny fasana iray, razana teo amin'ny 40 teo no tsy hita, ny iray koa lasa daholo ny razana rehetra tao, fa ny fantelony kosa tsy nakan'ny mpanao ratsy fa nakorontany fotsiny. Gina ireo fianakaviana naheno ny vaovao ratsy. Omaly tamin'ny 1 ora tolak'andro teo no nihazo ny fasana i Ramanasinjatomanana Ainasolo saika amonjy fandevenana no nahita ny fasana nisokatra ka niantso fianakaviana sy fokonolona. Ity farany no nampandre ireo tompon'ny fasana manodidina vaky, ary tamin'ny maraina teo no tonga teny an-toerana ny fianakaviana rehetra.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 04 février 2016 12:41
    • Photo: fournie

    Boeny : Mitaraina ireo Ben’ny tanàna mahakasika ny mpitandro ny filaminana

    Tonga niarahaba ny Lehiben’ny Faritra Boeny Saïd Ahamad Jaffar mivady nahatratra ny taona 2016 tao amin’ny Lapan’ny Faritra eny amin’ny La Corniche ny Sabotsy 30 janoary 2016 ireo Ben’ny tanàna 27 avy amin’ny Distrikan’I Mahajanga II, Marovoay, Ambatoboeny, Soalala ary Mitsinjo. Nitondra fitarainana tamin’ny alàlan’ny Filohan’ny Fikambanan’ny Ben’ny Tanàna izy ireo izay sady Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ambonivohitr’Ambatoboeny, Rakotonandrasana Jean Valérien noho ny afitsoky ny mpitandro filaminana sasany, izay manao tsinotsinona ny naman’izy ireo any amin’ny toerana iadidiny avy.
    Lire la suite ...
    • mardi, 02 février 2016 16:07
    • Photo: Sobika Sambava

    Sambava : Misandoka ho mpitsabo, ny salama indray no marary

    Rangahy iray nitonona ho mpitsabo no namoa-tsampona tao Sambava. Ny alahady heriny, raha tonga tamina tokantrano iray tao Antaimby izy ka nahita renim-pianakaviana iray izay tena mararin’ny tosi-dra. Izaho hoy izy no manana traikefa amin’ity aretinao ity, hoy ilay rangahy, koa raha mifanaraka isika dia efatra andro no hijanonako eto hanasitranana anao.
    Lire la suite ...
    • lundi, 01 février 2016 12:13
    • Photo: Sobika

    Antsirabe : Fiaran’ny Jirama nandratra mpitondra scooter

    Nandona olona tao afovoan-tanan’Antsirabe, io maraina io tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany teo, ny fiaran’ny Jirama Antsirabe. Avy nanatitra mpianatra ilay fiaran’ny Jirama no nirimorimo fandeha ary nivily tampoka tsy nandefa jiro famantarana.
    Lire la suite ...
    • lundi, 01 février 2016 10:11
    • Photo: Sobika Farafangana

    Farafangana : Nizarana karatra maintso ireo zokiolona

    Mahatsapa ireo zokiolona ao Farafangana, izay mivondrona amin’ny fikambanan'ny zokiolona mavitrika, fa osaosa ny fampiharana ny lalàna izay miaro azy ireo. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana araka izany izy ireo ny mba hampiharana an-tsakany sy an-davany ny lalàna, satria hanampy azy ireo eo amin'ny sehatry ny fitsaboana, fitaterana... mba hahazo fihenam-bidy.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 31 janvier 2016 18:15
    • Sary Sambava

    Fandriampahalemana any SAVA

    « Voafehy » hoy ny Polisy, « maro ny tokony harenina » hoy ny Senatera. Nifampiharahaba tratry ny taona 2016, tao amin’ny Hotel Melrose, omaly ny fianakaviam-ben’ny Polisy ao Sambava tarihin’ny Commissaire Joseph Saramba. Nandritra izany no nanaovana jery todika ny taona 2015 izay nafampana tamin’ireo tsy fandriam-palemana, nisian’ny fanafihana mitam-basy, ny « kidnapping ». Na izany aza hoy Commissaire Joseph Saramba dia voafehy izy ireny, noho ny fiaraha-miasa tamin’ny vahoaka sy ny mpitondra tao anivon’ny faritra SAVA, na dia tsy 100% aza.
    Lire la suite ...
    • mardi, 26 janvier 2016 13:53
    • Photo: Sobika Antsirabe

    Vakinankaratra : Novoriana maika ireo tompon’andraikitry ny Zandarimaria

    Namory maika ireo tompon’andraikitry ny Zandarimaria ao Vakinankaratra ny Lietina-kolonely Ramiaramanana Rabelasy, Lehiben’ny Vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria Vakinankaratra ny marainan’ny Talata 26 Janoary 2016. Ny anton’ny fivoriana dia fampitana ny toromariky ny kaomandin’ny Zadarimariam-pirenena ka ireo Tompon’andraikitra rehetra amin’ny kompanian’ny Mandoto, Ambatolampy, ary Antsirabe no novoriana hampitana izany. Ny toromarika dia ny fanatanterahana ny asa mba ahazoana vokatra tsaratsara kokoa hoan’ity taona 2016 ity. Voakasika amin’izany ny momba ny fampiharana ny fifampifehezana eo anivon’ny zandary ahafahana manantanterana ny asa hafa. Eo koa ny Ady amin’ny halatr’omby na an-tsaha na an-tanana. Ny fametrahana ny adian-tafika hiady amin’ny dahalo izay tsy mahakasika an’i Vakinakaratra aloha izay.
    Lire la suite ...
  • Raharaha Kidnapping Arnaud sy Annie
    Raharaha Kidnapping Arnaud sy Annie
    • mardi, 26 janvier 2016 08:50
    • Sary Njaka

    Kidnapping Arnaud sy Annie : Fisamboran'ny Polisy

    Nampahafantarina omaly hariva teo anivon'ny polisim-pirenena, ny mahakasika ireo olona folo voasambotra izay hanaovana fanadiadiana noho ny raharaha Kidnapping Arnaud sy Annie.
    Lire la suite ...
    • lundi, 25 janvier 2016 14:45
    • Photo: Sobika Antsirabe

    ACMIL Antsirabe : Nandray ny ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeana

    Nitsidika ny Akademia Miaramila Antsirabe androany alatsinainy 25 Janoary ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeana, Antonio Sanchez Benenito Gaspar. Sambany teo amin’ny tantaran’ity sekoly ambon’ny manamboninahitra ity no nisy olona ambony avy amin’ny Vondrona Eoropeana nitsidika ny ACMIL raha ny nambaran’ny komandin’ny sekoly sy ny vahiny. Antony moa dia eo ny maha sekoly ambony miavaka azy aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika sy ny ranomasina Indiana ka nahasarika ity olona ambony ity. Fa eo ihany koa ny ezaka ataon’ny sekoly amin’ny fanofanana ireo manambonihahitra hiatrika ny fampandrosoana sy ny fiarovam-pirenena.
    Lire la suite ...
Page 101 sur 116