Vaovao

    • samedi, 28 septembre 2019 19:34
    • Sary Gasypatriote Morondava

    Betania – Morondava: Novolena « Propagule » 500 000 isa

    Ala honko mirefy 50ha no voavoly « propagule » 500 000 isa tao amin'ny Fokontany Betania. Nitarika ny hetsika ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra niaraka tamin’ireo fikambana miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana. « Mahavelombolo ny firaisankina » hoy ny minisitra izay « midika ho fahavononana hanarina an’i Menabe ho maitso ». (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 27 septembre 2019 21:34
    • Sary nindramina

    Ambalakely- Fianarantsoa: Hisy fonja vaovao ato anatin’ny valo volana

    Natao androany 27 septambra 2019 ny fametrahana ny vato fototry ny asa fanorenana fonja vaovao ao Volamena, Kaominina Ambalakely, Distrikan’i Lalangina, Faritra Matsiatra Ambony. Hahazaka voafonja sivanjato ity fotodrafitr'asa vaovao ity. Haharitra valo volana ny asa fanamboarana, ary ho atao modely amin'ireo fonja rehetra izay ho hatsangana, araka ny nambaran'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, « hanalana ny laza ratsin'i Madagasikara mahakasika ny toeram-pamonjana ».
    Lire la suite ...
    • vendredi, 27 septembre 2019 21:20
    • Sary nindramina

    Antananarivo Renivohitra: Mankalaza ny faha-20 taonany ny Polisy Monisipaly

    20 taona nijoroana izao ny Polisy Monisipaly eto Antananarivo Renivohitra. Vavaka iraisam-pinoana tao amin’ny FJKM Mahamasina Atsimo no nanombohana ny fankalazana androany ary haharitra heritaona, ka tsy hifarana raha tsy amin’ny 27 septambra 2020. Marolafy ny hetsika hanamarihana ity faha-20 taonan’ny Polisy Monisipaly mandritra izay herintaona izay. Miisa 258 ny Polisy Monisipaly miara-miasa ao amin’ny Kaominina Renivohitra Antananarivo, manao ho adidy ny fiantohana ny filaminana sy ny fampandrosoana ny tanànan’Antananarivo.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 27 septembre 2019 20:14
    • Sary nindramina

    Fandriampahalemana: Zandary 95 no lavo amperin’asa tamin’ny fifanandrinana tamin’ny dahalo

    Nitondra fanazavana ny avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena mandiso ny tatitra nataon’ny ONG iray tany amin’ny fivoriambe faha-42 ny Filankevitry ny zon’olombelona any Genève tamin’ny 19 septambra 2019, miampanga ny Zandarimaria ho mpamono olona tsy mandalo fitsarana sy manao izay hahaleo monina ny Malagasy any atsimon’i Madagasikara, indrindra tao amin’ny Distrikan’i Betroka. Raha ny fitorohana dia mpiompy omby 4 000 eo no namoronana heloka ka maty novonoin’ny Zandary hatramin’ny taona 2012 no mankaty. Nandroso ny antotanisa teo aminy ny Zandarimariam-pirenena milaza fa 4 403 ny isan’ny sivily Malagasy maty nanerana ny Nosy hatramin’ny 2013 no mankaty, vokatry ny fanafihan-dahalo, tsy araka ny tatitra nataon’ilay ONG, ary maty novonoin’ny dahalo mpangalatra omby ny 1 291 tamin’ireo namoy ny ainy ireo.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 26 septembre 2019 15:49
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Antsirabe: Nitrangana haintrano 5 tato anatin'ny iray volana

    Nitrangana haintrano tao Antsinanan-tsena Antsirabe ny alin’ny alarobia 25 septambra hifoha alakamisy, tokony ho tamin’ny 10 ora alina tany ho any. Trano hazo, fivarotana avokoa, izay niisa 10 teo ho eo ireto kilan’ny afo ireto. Tsy nisy noraisina na ny entana na ny trano fa dia lavenona tanteraka avoko izany, kanefa dia fivarotana finday, fivarotana fitaovam-panatanjahantena, toeram-pilalaovana “jeux PC” sy fivarotan-kazo sy entana samihafa ireto may ireto. Tsy nisy afaka nanamarina ny niavian’ny afo hatreto ny niharam-boina, saingy tombanan’izy ireo fa sabôtazy ity tranga ity satria misy olana io tany niorenan’ireo fivarotana ireo io. Tato anatin'ny iray volana izay dia trangana haintrano 5 no niseho teto Antsirabe, in-droa izao ny teo Atsinananantsena, in-droa Atsimontsena ary iray teo Andraikiba. (Jereo sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 26 septembre 2019 15:05
    • Sary Njaka

    Tranombokim-pirenena Anosy: Fampisehoana ny asan'ny ministera tsirairay

    Ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina dia mikarakara varavarana misokatra mahakasika ireo ministera isan-karazany, sy ny rantsa-mangaikany avy. Hita ao ny tetikasan’izy ireo tsirairay, toy ny fikarakarana taratasy isan-karazany. Ity hetsika ity moa dia tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zo mahafantatra na ny "Journée internationale de l’accès universel à l’information", izay maharitra telo andro. Manomboka androany faha 26 ka tsy hifarana raha tsy ny sabotsy 28 septambra ho avy izao, eo amin’ny tokotanin’ny tranombokim-pirenena Anosy. Miisa 35 ny tranoeva miranty eny, ary tafiditra ao anatin’izany ireo ratsamangaika rehetra eto Madagasikara. Malalaka ho an'ny rehetra ny varavarana misokatra. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 26 septembre 2019 14:26
    • Sary nindramina

    Antsirabe: Mananontanona ny tsy fahampian-drano

    Efa mananontanona eto Antsirabe ihany koa ny olana amin’ny rano. Efa misy fikorontanana ny famatsiana rano aty an-tanàn’Antsirabe mandritra ny tontolo andro amina faritra maromaro, noho ny fihenan’ny rano ao amin’ny farihin’Andraikiba, izay sambany tato anatin’ny taona vitsivitsy no nihena be toy izao. Raha ny fanazavana azo, noho ny fahatongavan’ny maintany dia misy fihenana ny rano ao amin’io farihin’Andraikiba io, ary ny loharano eny Marofangady, izay toerana misy ireo toby roa famokaran-dranon’ny Jirama Antsirabe, eo ihany koa ny fitomboan’ny filan’ireo mpanjifa manana fandaniana lehibe ka tsy maharaka ny rano vokarin’ny Jirama, na dia efa misy aza ny ezaka ho fampitomboana ny famokaran-drano.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 25 septembre 2019 19:56

    Mahajanga: Botry rendrika namoizana ain'olona iray

    Rendrika sahabo 800m miala ny "Quai Orange" Mahajanga ny botry mampitohy an'i Aranta sy Katsepy Mahajanga. Ny talata 24 septambra 2019 no niseho ny loza. Olona miisa 25 no nentin’ilay botry. Namoy ny ainy ny iray tamin’ireo mpandeha, zaza iray, 8 taona karohina, ny 23 dia avotra araka ny vonjy aina nataon'ny Brigade Port Zandarimaria sy ny APMF ary ireo olona tsara sitrapo.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 24 septembre 2019 22:42
    • Sary nindramina

    Faritra Analamanga sy Tsiroanomandidy: Misy ny vinavina hanorenana tobim-pamokarana herinaratra 5MW

    Ny orinasa Afrikanina Tatsimo « Little rock » no hanao ny fanadihadihana handinihana ny fametrahana tobimpamokarana herinaratra manana tanjaka 5 MW aty amin’ny Faritra Analamanga sy Tsiroanomandidy. Haharitra enim-bolana ny fanadihadihana. Nisy ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny Ministeran’ny Angovo, ny Rano ary ny Akoranafo tamin’ny alalan’ny minisitra Vonjy Andriamanga sy ny Orinasa Afrikanina Tatsimo « Little rock » solon-dRobert Remesha Bengerezako tena ho mariky ny fanombohan’ny asa. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 24 septembre 2019 22:27

    Bakalôrea 2019: Miisa 174 751 ny mpiadina, 88 taona ny zokiny indrindra

    Hotanterahina manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny 30 septambra ka hatramin'ny 04 oktobra 2019 ny fanadinam-panjakana bakalôrea ankapobeny sy bakalôrea teknika fihodinana voalohany. Hitohy ny 07 oktobra ka hatramin'ny 10 oktobra 2019 kosa ny fihodinana faharoa ho an’ny bakalôrea teknika. Efa tomombana avokoa ny fikarakarana rehetra, hoy ny eo anivon’ny Fampianarana ambony, ny Fikarohana ara-tsiansa sy ny Fanavaozana. Miisa 174 751 ireo mpiadina manerana ny Nosy, izay hitsinjara amin'ireo ivon-toeram-panadinana miisa 299. Miisa 13 200 ireo mpiadina misafidy ny sokajy A1,miisa 111 957 ny A2. Mpiadina miisa 4 290 ho an’ny sokajy C ary 35 606 misafidy ny sokajy D. Miisa 9 698 ireo mpiadina hiatrika ny bakalôrea teknika.
    Lire la suite ...
Page 11 sur 158