Vaovao

    • mercredi, 13 septembre 2017 13:57
    • Sary Sobika Mahajanga

    Mahajanga: Trano lehibe iray kilan’ny afo

    Ankohonana maromaro no indray traboina vokatry ny haintrano eny amin'ny Fokontany Tsararano ambany, secteur A. Trano iray lehibe no may kila ny maraina teo tamin'ny 09 ora tany ho any. Tsy fantatra mazava ny nahatonga ny afo satria tsy nisy olona tao an-trano. Tsy nisy azo noraisina ny 90%n'ny entana tao amin'ilay trano. Fahavoazana tsy roa aman-tany ny mahazo ireo ankohonana may trano satria ankoatra ireo entana hafa, may tao avokoa hatramin'ny fitaovam-pianaran'ny ankizy vao novidiana hiatrehana ny taom-pianarana vaovao. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina namono ny afo izay saika nihitatra tamin'ny trano manodidina.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 11 septembre 2017 20:32
    • Sary Sobika Toamasina

    Fiangonana EKAR Toamasina: Maty tampoka ny Pretra Ralibosolo Ignace Onesiphore

    Nodimandry tampoka, teo amin’ny faha-52 taona, omaly alahady 10 septambra tokony ho tamin’ny 05ora hariva ny Pretra Ralibosolo Ignace Onesiphore. Mbola nitarika fotoam-pivavahana tao amin’ny hopitaly be ity pretra ity ny maraina, tsy narary tsy marin-koditra, nony tolakandro anefa dia niakatra tampoka ny tahan’ny siramamy tao aminy amin’ny maha-diabetika azy, ka niteraka ny fiakaran’ny tosi-drany ary nitarika ny fahafatesany izao. Teraka ny 18 febroary 1965 tao Anivorano Atsinanana i Ralibosolo Ignace Onesiphore; ny 26 desambra 1984 izy no voahositra ho Diakra ary ny 13 aogositra 1994 izy no nohamasinina ho Pretra tao Anivorano Atsinanana Brickaville. Raha ny fandaharam-potoanan’ireo relijiozy namany dia ny talata 12 septambra izao no hapetraka ao anatin’ny fasan’ireo pretra ho an’ny Diosezin’i Toamasina ny nofo mangatsiakany, aorian’ny fotoam-pivavahana anaovana veloma farany azy.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 11 septembre 2017 08:41
    • Sary Sobika Sambava

    Sambava: Mpiasa iray may tao anaty trano fitahirizana entana

    Nirehitra ny trano fitahirizana entana iray teto Antanifotsy Voalohany, Sambava omaly alahady 10 septambra tamin’ny 3ora maraina teo. Tampoka ny afo, hoy Atoa Rostand izay tompon’ity tranombarotra ity ary hatramin’izao dia “tsy mbola fantatray ny tena nipoirany”. Tsy misy tafavoaka ny entam-barotra fa nandritra io fahamaizana io dia lehilahy iray mpanampy no natory tao anatiny ary tratry ny afo tao, saingy tafavoaka. Tsaboina eny amin'ny hopitalibe izy amin'izao. Mangataka amin’ny tompon’andraikitra izy ireo mba hanokatra fanadihadiana momba ity haintrano ity.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 10 septembre 2017 18:36
    • Tahirintsary Sobika Toamasina

    Toamasina: Hotsaraina amin’ny 19 oktobra ilay tovolahy nandoro efitranom-pitsarana

    Nentin-katezerana i Niola noho ny fiheverany fa mihemotra lava ny fitsarana ny sakaizany izay voarohirohy amina raharaha halatra, ka navita heloka be vava. Raha ny angom-baovao anefa dia diso efitranom-pitsarana nidirana i Niola ka nentin-katezerana ary nandoro ny efitranom-pitsarana faharoa ny Fitsarana ambony Toamasina ny talata 5 septambra 2017 ka may ny sezan’ny filohan’ny Fitsarana sy ireo Sainam-pirenena tao anatiny. Voatsara tamin’io talata io ihany ilay sakaizany saingy tamina efitranom-pitsarana hafa, nohafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana ilay tovovavy noho ny tsy fahampian’ny porofo tao anatin’ny antontan-taratasin’ady fanenjehana azy ho nangalatra ka nitazomana azy am-ponja vonjy maika.
    Lire la suite ...
    • samedi, 09 septembre 2017 16:40
    • Sary Sobika Mahajanga

    Tanambao Sotema Mahajanga: Narodan'ny Kaominina ny pavillon

    Fiarovana tombotsoan'olontokana no andraisan'ireo mpivarotra eny Tanambao Sotema ny fanesorana azy ireo amin'ny toerana ivarotany ary nandrodanana ireo pavillon fivarotana ny marainan'ny sabotsy 9 septambra 2017. Naharay taratasy fampilazana avy amin'ny Kaominina ambonivohitr'i Mahajanga izy ireo omaly ny amin'ny tsy maintsy hialana eo amin'io toerana io ao anatin'ny 24 ora, ary izao niafara tamin'ny fandrodanana izao. Misy ny disadisa eo amin'ireo mpivarotra sy ny teratany karana tompon'ny tany ao ambadik'io toerana nanesorana ireo mpivarotra io. Efa voafaritra mazava amin'ny tambohony ny tanin'ilay karana kanefa noterena nesorina teo ireo mpivarotra.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 07 septembre 2017 20:30

    Sambava: Nirehitra teo ampihetsehana tromba ny trano

    May kila forehitry ny afo ny tokantranon’ity vehivavy mitsabo olona amin’ny alalan’ny tromba izay mipetraka aminy. Raha mbola miantsoantso mafy ny anaran’ireo hery tsy hita maso izy dia indreo fa nitsemboka ny trano ary vetivety dia nirehitra no sady tsy voatazona ihany koa fa nifindra tamin’ny trano mifanila aminy teo. Afo nolalaovin’ny ankizy tao an-dakozia no ahiahina ho nahatonga izao famaizan’ny trano tao Farafangahely kaominina Anjagonoveratra izao. Ny tena nanaitra ny olona anefa dia tsy ny entana may sy rava no tena nampitomany an’ilay vehivavy fa ireo lamba fiasana tromba maro karazany, satria mbola tsy fantany hoy izy inona no sazy hiandry azy avy amin’ireo ?  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 07 septembre 2017 20:05
    • Sary Sobika Toamasina

    Fandorana ny efitranom-pitsarana: Nanaraka ny sakaizany any am-ponja i Niola

    Niakatra teo anivon’ny Fampanoavana Toamasina androany maraina ny raharaha mahakasika ny fandorana ny efitranom-pitsarana faha-2 ny Fitsarana ambony ampiasain’ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Toamasina, ka izay nahamay ny sezan’ny filohan’ny Fitsarana sy ny sainam-pirenena Malagasy. Hentitra tamin’ny fanenjehany an’ingahy Razafinantenaina Niola nahavanon-doza ny Fampanoavana, ka tsy nilefitra tamin’ny didy savaranando navoakany ka mamonja vonjy maika azy am-ponja, izany hoe nanara-dia ilay sakaizany ao Ambalatavoahangy i Niola. Salama saina tsara ity tovolahy 23 taona ity, ary vory saina tsara izy tamin’ny fihetsika nataony. Ny fahatezerany tamin’ny fanemorana ny fitsarana ny sakaizainy, tokony efa natao ny talata teo no nitarika azy nanao izao heloka “be vava” izao.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 06 septembre 2017 19:01
    • Sary Sobika Fianarantsoa

    Ranohira: Dinika momba ny Dinan'Ihorombe

    Notanterahina mandritra izao andiany faha-9 amin'ny Festival Karitaky izao ny kaondoha momba ny Dina mihatra aty Ihorombe. Ny lehiben'ny Fokontany tsirairay avy dia tokony hahalala ny isan'ny basy ao amin'ny toerana iadidiany. Izany no santionan’ny adihevitra nipoitra tao anatin’ny fifanankalozana. Nametraka ny Ben’ny Tanànan’i Ranohira izay nitarika ny adihevitra fa ny Dinam-pokontany no tsara hamafisina mba ahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana amin’ny fomba mahomby. Tsy tokony ifampiandrasana ny fampiharana azy, raha toa ka tandrify izany fahefan’ny Fokontany izany ny zava-miseho, hoy ihany izy.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 06 septembre 2017 14:45
    • Sary Sobika Mahajanga

    Pont FITIM: Itrangana lozam-pifamoivoizana mila ho isan-kerinandro

    Mbola Bajaj indray ity potika tanteraka ity noho ny fisetrasetrana, sady efa nisongona anaty fiolahana no mbola mangalatra ankavanana ny mpamily ihany ka tsy nijanona raha tsy tany amin'ilay hady kely teo antsisin-dalana, rehefa niala satria saika nifandona tamin'ny Bajaj hafa. Teo amin'ny Pont FITIM – Mahajanga no nisehoan'io lozam-pifamoivoizana io ny maraina teo tokony ho tamin'ny 10 ora sy sasany. Naratra ny mpamily ary soa ihany fa tsy nitondra mpandeha. Misy hatrany ny lozam-pifamoivoizana manodidina io toerana io isan-kerinandro ary saika Bajaj sy moto hatrany no mitera-doza. Amin'ny ankapobeny, na fisetrasetrana na fahamamoana sy tsy fanarahan-dalàna no mahatonga ny loza. Ankavitsiana amin'ireo loza ireo no vokatry ny olana ara-teknika.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 04 septembre 2017 22:32
    • Sary Sobika Sambava

    Sambava: Ankizivavy 8 taona tra-tehaka nangalatra

    Nihanika varavarankely ilay zazavavy raha iny variana miresaka any ivelan’ny trano sady maka rivotra iny ny tompontrano tao Analapenja Fokontany Antanifotsy 2 androany alatsinainy 04 septambra. Nosavasavainy avokoa ny poketra sy kitapo, ka firavaka iray no hitany. Noraofiny koa dibera teo ambony latabatra. Niditra tampoka anefa ny tompontrano dia akory ny hatairana nahita olona tao an-trano ka niantso vonjy fa misy mpangalatra.
    Lire la suite ...
Page 2 sur 76
B1 - Polyclinique
B2 - Toa