Vaovao

    • dimanche, 17 décembre 2017 20:54

    Kamiao miaramila lasan’ny rano: Razana telo hita, enina tsy hita popoka tany Ikongo

    Mbola eo ampikarohana ireo mpitandro ny filaminana enin-dahy tao anaty kamiao, nentin’ny rano teo ampitana ny “radier” omaly sabotsy tamin’ny fiandohan’ny tolakandro ny Fokonolona ao Ambinanitromby, Kaominina any amin’ny 28km tsy hahatongavana ao an-drenivohitry ny Distrikan’Ikongo hatramin’ny androany. Kamiao nitondra mpitandro ny filaminana, nahitana Miaramila, Zandary ary Polisy, izay andiany faharoa nirahin’ny governemanta hamerina ny fandriampahalemana ao Ikongo taorian’ny rotaka ka nahavaky ny fonja tao an-toerana ny talata 12 desambra ary nitsoahan’ireo voafonja miisa 95, ary koa haka ireo mpiasan’ny Fitsarana any an-toerana, nahazo fandrahonana tamin’ny Fokonolona ka voatery niafina izy ireo.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 17 décembre 2017 20:02
    • Sary Njaka

    Toliara: Notokanana ny jardin de la mer

    Tao anatin'ny fankalazana ny faha 50 taonan'ny TVM dia notokanana ihany koa ny Jardin de la Mer taty Toliara.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 13 décembre 2017 22:11
    • Sary Njaka

    ONG Ny Fanahy Maha-Olona - BNGRC: Miady sakafo

    Nampiaka-peo i Ny Rado Rafalimanana, filoham-boninahitry ny ONG Ny Fanahy Maha-Olona, androany, raha nitafa tamin'ny mpanao gazety tetsy amin’ny hotely Le Louvre Antaninarenina, nilaza fa tsinontsinoavin’ny fanjakana ny fanampiana nentin’izy ireo ho an’ny traboina vokatry ny rivodoza Enawo any Antalaha, izay distrika fihavian’ny vady andefomandriny. Maninona, hoy ity tanora mpandraharaha ity ny fanampiana teo aloha, nataon’ny fikambanana ho an’ny sahirana tany Toliara, nentina fiaramanidina manokana nampidirina, fa tamin’ity indray mitoraka ity nohasarotina, tsy raharahaina nefa vonjy aina ho an’ny Malagasy ? Sakafo masaka iray kaontenera, nentina sambo avy any Dubai, tolo-tanana avy amin’ny Mpanjaka any an-toerana, no tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina saingy mihitsoka ao efa fito volana izao noho ny antony tsy mazava nefa mbola misy kaontenera 29 hafa tokony ho avy, araka ny filazany. Voalaza aza fa efa nahazoana fampilazana fa hatao lavanty mihitsy aza moa izany ankehitriny fa tsy tafavoaka tao amin’ny seranana, nefa efa natolotra ny Birao nasionaly mitantana ny loza na BNGRC, hoy hatrany ny fanazavana.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 13 décembre 2017 22:11
    • Sary Njaka

    ONG Ny Fanahy Maha-Olona - BNGRC: Miady sakafo

    Nampiaka-peo i Ny Rado Rafalimanana, filoham-boninahitry ny ONG Ny Fanahy Maha-Olona, androany, raha nitafa tamin'ny mpanao gazety tetsy amin’ny hotely Le Louvre Antaninarenina, nilaza fa tsinontsinoavin’ny fanjakana ny fanampiana nentin’izy ireo ho an’ny traboina vokatry ny rivodoza Enawo any Antalaha, izay distrika fihavian’ny vady andefomandriny. Maninona, hoy ity tanora mpandraharaha ity ny fanampiana teo aloha, nataon’ny fikambanana ho an’ny sahirana tany Toliara, nentina fiaramanidina manokana nampidirina, fa tamin’ity indray mitoraka ity nohasarotina, tsy raharahaina nefa vonjy aina ho an’ny Malagasy ? Sakafo masaka iray kaontenera, nentina sambo avy any Dubai, tolo-tanana avy amin’ny Mpanjaka any an-toerana, no tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina saingy mihitsoka ao efa fito volana izao noho ny antony tsy mazava nefa mbola misy kaontenera 29 hafa tokony ho avy, araka ny filazany. Voalaza aza fa efa nahazoana fampilazana fa hatao lavanty mihitsy aza moa izany ankehitriny fa tsy tafavoaka tao amin’ny seranana, nefa efa natolotra ny Birao nasionaly mitantana ny loza na BNGRC, hoy hatrany ny fanazavana.
    Lire la suite ...
    • mardi, 12 décembre 2017 15:42
    • Sary Sobika Sambava

    Trangam-piarahamonina : Ankizy tsy ampy taona bevoka dia hotambazana omby iray sy vola 400.000Ariary

    Tsy nanaiky ny fangatahan' ilay tovolahy nahabevoka an-janany ny renin’ilay tovovavy mbola mpianatra izay tratry ny vohoka tsy nirina ka nametraka fitoriana eny amin'ny Zandarimaria Sambava androany maraina. "Ny 26 jolay 2017 no nandeha fadim-bolana farany ny zanako", hoy ny reniny, taorian’io dia lasa tany Ambodihazomamy, Kaominina Morafeno nipetraka tamina Raim-pianakaviana iray izay fati-dra amin'ny Ray aman-drenin-drazazavavy, nanomboka ny volana aogositra. Tsikaritr'ireto farany ho niova anefa ny toe-batan'ilay zazavavy nony niverina hamonjy fianarana. Noheverina ho aretina ka nentina namonjy hopitaly, kinanjo rehefa nataon'ny mpitsabo ny fizahana dia voamarina fa mitoe-jaza ilay tovovavy. Teo koa ity farany vao nilaza fa niharan'ny fanararaotana ara-nofo nataon'ny zanak'ilay fati-dran'ny Ray aman-dreniny izy nandritra ny fotoana nijanonana tany ambanivohitra. Niaiky izany ny voatoandro ka nanao taratasy voasonia fa hanolotra omby iray matavy sy vola 400.000 Ariary ; tetsy ankilany anefa dia diso fanantenana ny amin'ny hoavin'ny zanany ilay renin-drazazavavy ka nampakatra ny raharaha amin'ny mpitandro filaminana, ilay zazavavy rahateo efa tsy noraisin’ny sekoly nianarany intsony na dia kilasy 3ème aza.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 11 décembre 2017 20:54
    • Sary Sobiika Mahajanga

    Oniversiten'i Mahajanga Marisarisa

    Nidina an-dalambe nilanja sora-baventy ireo mpianatra voakasiky ny CODIS. Mivoatra hatrany ny fitakiana satria takian'ireo mpianatra ny hialan’ny filohan’ ny oniversite izay mitantana ankehitriny. Tamin’ny zoma teo no vita ny CODIS rehefa nanomboka tamin’ny 5 desambra. Nandeha foana izany na zara fa tonga aza ireo mpianatra voakasika rehefa azo antoka fa naharay ny fiantsoana izay nalefa. Mpianatra 4 tamin’ireo 69 nahazo fiantsoana ihany anefa no tonga namaly ny antso nanatrika izany. Raha ny fanazavan’ny filohan'ny oniversite dia, mizara telo mazava ny sazy nahazo ireo mpianatra, ankoatra ireo afaka madiodio, misy ireo nahazo fampitandremana fotsiny ihany, nisy ireo nahazo sazy mihatona ary misy ireo mahazo sazy mihatra arakaraka ny fiampangana azy avy. Hatramin’ny androany, tsy mbola tonga eny ampelatanan’ireo mpianatra ireo ny valin’ny CODIS izao izy ireo manao hetsika izao indray.
    Lire la suite ...
    • samedi, 09 décembre 2017 11:58
    • Sary Sobika Antsirabe

    Antsirabe: Fametrahana ny lehiben’ny Tobim-paritry ny Zandary vaovao hoan’I Vakinankaratra

    Lanonana ara-miaramila tsotra fa nanana ny lanjany no nametrahana tamin’ny fomba Ofisialy ny zoma 08 desambra 2017 lasa teo ny lehiben’ny Tobim-paritry ny Zandary vaovao hoan’I Vakinankaratra. Amin’izao fotoana dia ny Kolonely Rasambomanana Yvon Patrick indray no hitantana izany, nisolo ny Liétinà-kolonely Rabarijaona Famentsoa Constantin. Raha ny fanambin’ny Kolonely Rasambomanana Yvon Patrick dia ny fampandriana fahalemana amin’ny lalam-pirenena faha 7 sy faha 34, amin’ny fiadiana amin’ireo mpanakan-dalana, ny fanadiovana ny ao anatin’ny Zandary, izay tsy hitsitsiana ireo zatra ny lalan-dririnina, ny ady amin’ny kolikoly ary ny ady amin’ireo tsy fandriampahalemana eny ambanivohitra, toy ny fanafihana mitam-basy sy ny asan-dahalo.
    Lire la suite ...
    • samedi, 09 décembre 2017 10:33
    • Sary Sobika Mahajanga

    Mpamonjy voina faritra Boeny: 10 taona niadiana tamin'ny doro tanety sy ny doro ala

    Ny volana jolay 2007 no niorina voalohany tamin'ny alalan'ny famatsiam-bolan'ny fanjakana japoney ny sampana mpamonjy voina an'ny faritra Boeny. Fiarovana ny mponina amin'ny ankapobeny no anjara andraikiny tany amboalohany ary efa mizara roa mazava tsara izy ankehitriny, ny andaniny ahitana ny BNGRC ary ny ankilany ny mpamono afo. Amin'ny akapobeny dia ny famonoana afo amin'ny doro tanety sy ny doro ala no andraikitra sahaniny, indrindra ireo ala voajanahary sy valanjavaboahary arovana ato anatin'ny faritra toa an'Ankarafantsika. Mianto-tena tanteraka ny faritra Boeny amin'ny fampandehanana sy fampitaovana ny asa rehetra ary saika mbola ny fitaovana azo tany amin'ny folo taona lasa no ampiasaina sy kojakojaina mandrak'ankehitriny.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 08 décembre 2017 19:42

    Fianarantsoa: Fakan-kevitra momba ny sosialy sy toekarena

    Miditra ho mpampifandray resaka eo amin'ny solombavam-bahoaka sy ny fiarahamonim-pirenena ary mpandraharaha ara-toekarena ny FES na ny Friedrich Ebert Stiftung. Nanatanteraka fakan-kevitra hatolotra an'ireo manampahefana manao lalàna izany rafitra izany ity andron'ny zoma 8 desambra ity, eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny. Roa andro no fanetsehana momba izany eto Fianarantsoa. Mizara telo ny fanehoana ireo hevitra nangonina ireo raha aravona. Fomba an-kolaka hanerena ny solombavam-bahoaka mba hihaino amin'ny antsipirihany ireo olana sy zava-misy aty an-toerana izany, hoy ny mpanatrika sasantsasany. Hatreto dia tanterahina sesilany ny atrikasa tahaka izao fa vitsy ny tatitra voaray momba ny fivoarany fa indrindra ny fampiharana ireo hevitra natsakaina.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 07 décembre 2017 12:56
    • Sary Sobika Sambava

    Sambava: Telo lahy nanafika ny Botika Orange

    Teto amin’ny toby Eazy Tel Antaimby no tafiditra ireto telo lahy ireto tamin’ny fotoana hanaovana ny kaonty mialoha ny hanidina ny trano tamin’ny 5ora hariva, ny alarobia 06 desambra 2017. Mody hividy fahana ny iray voalohany. Tampoka teo anefa dia namafy Big boss avy hatrany ary nanome baiko tsy hisy hivoaka na hiantso vonjy. Noho ny hafanana nahazo ity Ramatoa iray mpiasa tao dia sady nikiakiaka izy no tafavoaka ny trano ka iny no nanaitra ny manodidina. Niditra an-tsehatra ny Fokonolona ka nifanenjehana ireo jiolahy ka tsy lasa lavitra akory dia voasambotra ny iray ary niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany, fa ny roa kosa tafaporitsaka. “Vola 925.000 Ariary no lasan’izy ireo”, hoy ity tomponandraikitry ny Botika Orange ity.
    Lire la suite ...
Page 1 sur 86
B1 - Polyclinique
B2 - Toa