Mihena ny fahefa-mividin'ny Malagasy: Saosisy lasa amidy antsinjarany

  • jeudi, 11 août 2016 08:57
  • Tigre
  • Sary Njaka

Mihen-danja ny fihinanan-kena ho an’ny Malagasy amin’izao vanin’andro izao noho ny fahefa-mividy sy ny fiakaranan’ny vidin’ny hena.

Efa mahatratra ho eo amin’ny valo arivo ka hatramin’ny iray alina ariary ny kilaon’ny hena amin’izao.

Misy fotoanany ny fandehanan’izy ireny toy ny andro fety, fa raha ny andavan’andro dia efa tsy zakan'ny olona ny vidiny.

Ny henakisoa dia andro fety ihany koa no mandeha, fa ny saosisy, raha ny filazan'i Naivo mpivarotra dia ny hariva ny olona no mividy azy satria mora masaka, sady tsy mandany saribao, no reraka avy niasa ka alimbe vao tonga an-trano.

Na izany aza anefa dia fahefany, misy aza antsasaky ny fahefany no vidin'ny olona, misy singany iray monja, izay amidy 500 ariary, lasa antsinjarany.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.