Coronavirus: Nodimandry i Zororo Makamba, mpanao gazetin’ny Zimbabwe Broadcasting Corporation

  • mercredi, 25 mars 2020 11:26
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Olona roa no voamarina fa voan’ny coronavirus any Zimbabwe. Namoy ny ainy ny 23 marsa 2020 ny iray tamin’ireo, dia i Zororo Makamba, 30 taona, mpiasan’ny haino aman-jery ZBC (Zimbabwe Broadcasting Corporation). Ny minisitry ny fahasalamana sy ny fiarovana ny zaza, Dr Obediah Moyo, no nanao ny fanambarana.

Zanaka mpandraharaha mpanefoefo Zimbabwe ity tovolahy ity. Vao tonga avy any New York – Etazonia izy, ary nandalo tao Johannesburg ny sidina nandehanany nialohan’ny nahatongavany tao Zimbabwe tamin’ny 9 marsa 2020.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.